Jesoa Kristy
Ilay Kristy Velona


Ilay Kristy Velona

Tenivavolombelon’ny Apôstôly

Ho fankalazantsika ny fahatsiarovana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy roa arivo taona lasa izay, dia manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ny fisian’ny fiainany tsy manam-paharoa sy ny zava-tsoa tsy misy fetran’ny sorompanavotany lehibe. Tsy nisy olona hafa nanana akony toy izany teo amin’ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany.

Izy ilay Jehovah lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha, ilay Mesia ao amin’ny Testamenta Vaovao. Izy no Mpamorona ny tany teo ambany fitarihan’ny Rainy, “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” (Jaona 1:3). Na dia tsy nanam-pahotana aza Izy dia natao batisa mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. “Nandehandeha nanao soa” Izy (Asan’ny apôstôly 10:38) nefa dia natao tsinontsinona noho izany. Ny filazantsarany dia hafatra mitory fiadanana sy hatsaram-panahy. Niantso ny olon-drehetra Izy mba hanaraka ny ohatra nomeny. Nandeha tamin’ny lalamben’i Palestina Izy, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty. Nampianatra ireo fahamarinana maharitra mandrakizay Izy, ny fisian’ny fiainantsika talohan’izao fiainana izao, ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, ary ny zavatra azon’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tanterahina amin’ny fiainana ho avy.

Nanao ny Fanasan’ny Tompo Izy ho fahatsiarovana ny sorompanavotany lehibe. Nosamborina Izy ary nohelohina tamin’ny fiampangana tsy marina, nohelohina mba hahafaly ireo mpioko, ary nohelohina ho faty teo ambony hazo fijaliana tany Kalvary. Natolony ny ainy mba ho sorona noho ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra. Fanomezana lehibe tamin’ny alalan’ny fisoloana tena no nataony ho an’izay rehetra niaina na mbola hiaina eto an-tany.

Mijoro ho vavolombelona amim-panajana izahay, fa ny fiainany, izay ivon’ny tantaran’ny olombelona rehetra, dia sady tsy nanomboka tao Betlehema no tsy nifarana tao Kalvary. Izy no Voalohan-teraky ny Ray, ilay Zanakalahy tokana tao amin’ny nofo, ilay Mpanavotra izao tontolo izao.

Nitsangana tamin’ny maty Izy mba “ho santatr’ izay efa nodimandry” (1Korintianina 15:20). Amin’ny maha-Tompo efa nitsangana tamin’ny maty Azy, dia namangy ireo olon-tiany teo amin’ny fiainany Izy. Nanompo sy niasa tany amin’ireo “ondriny very” (Jaona 10:16) tany Amerika taloha koa Izy. Tao amin’izao tontolo iainantsika izao, dia niseho tamin’ilay zazalahy atao hoe Joseph Smith Izy sy ny Rainy, mba hampiditra amin’ilay “andro voatendry hanangonany ny zavatra rehetra” (Efesiana 1:10) efa nampanantenaina hatramin’ny ela.

Toy izao no nosoratan’ny mpaminany Joseph mikasika ilay Kristy Velona: “Ny masony dia tahaka ny lelafo, ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny oram-panala tsy misy fangarony, ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be, dia ny feon’i Jehovah manao hoe:

“Izaho no Voalohany sy Farany; Izaho no Ilay velona, Izaho ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:3–4).

Toy izao ihany koa no nambaran’ny mpaminany momba Azy: “Ary ankehitriny, aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!

“Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray”.

“Fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24).

Ambaranay amim-panajana fa ny Fisoronany sy ny Fiangonany dia naorina indray eto ambonin’ny tany–“natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra” (Efesianina 2:20).

Mijoro ho vavolombelona izahay fa mbola hiverina eto an-tany Izy indray andro any. “Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany” (Isaia 40:5). Hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy hanjaka amin’ny maha-Tompon’ny tompo Azy Izy, ary handohalika ny lohalika rehetra ary ny lela rehetra hidera Azy. Isika tsirairay dia mbola hijoro hotsaraina eo anatrehany araka ny asantsika sy ny fanirian’ny fontsika.

Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ny maha-apôstôly voatedriny anay–fa i Jesoa no ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty intsony. Izy ilay Mpanjaka lehibe Emanoela izay mijoro eo an-tanana ankavanan’ny Rainy ankehitriny, Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao. Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany masina.

Ny Fiadidiana Voalohany

Sary
sonia

1 Janoary 2000

Ny Kôlejin’ny Roambinifololahy

Sary
sonia
Sary
sonia