Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Jaona 4


DJS, Jaona 4:1–4. Ampitahao amin’ny Jaona 4:1–2

Naniry ny hamono an’i Jesoa ny Fariseo. Nanao batisa vitsivitsy Izy fa ny mpianany no nanao maro kokoa.

1 Koa rehefa ren’ny Fariseo fa maro kokoa noho ny an’i Jaona ireo mpianatra azon’i Jesoa sy nataony batisa,

2 Dia nokatsahiny fatratra tokoa ny fomba izay ahazoany mamono azy ho faty; fa maro no nandray an’i Jaona ho mpaminany, saingy tsy nino an’i Jesoa.

3 Ankehitriny dia fantatry ny Tompo izany na dia tsy nanao batisa maro noho ny mpianany aza Izy tenany;

4 Fa namela azy ireo ho fianarana Izy mba hifankatiavany bebe kokoa.

DJS, Jaona 4:26. Ampitahao amin’ny Jaona 4:24

Ampanantenain’ Andriamanitra amin’ireo tena mpino ny Fanahiny.

26 Fa ho an’ny toy izany no efa nampanantenain’ Andriamanitra ny Fanahiny. Ary ireo izay midera Azy dia tsy maintsy midera amin’ny fanahy sy amin’ny fahamarinana.