14. Fasana an-Jaridaina
Io no toerana nandevenana ny Mpamonjy araka ny lovantsofina. Maro amin’ ireo mpaminany ankehitriny no nahatsapa fa napetraka tao amin’ ity fasanan-jaridaina ity ny vatan’ ny Mpamonjy.
Ny zava-dehibe nitranga: Taorian’ ny nahafatesan’ ny Mpamonjy teo amin’ ny hazofijaliana dia napetraka tao amin’ ny fasana vaovao nolavahana tao amin’ ny vato ny vatany (Mat. 27:57–60). Ny andro fahatelo, nisy vehivavy maromaro nankao amin’ ny fasana ary nahita fa tsy tao ny vatan’ ny Mpamonjy (Mat. 28:1; Jao. 20:1–2). Nankao amin’ ny fasana koa ny Apôstôly Petera sy Jaona ary nahita fa tsy tao ny vatan’ ny Mpamonjy (Jao. 20:2–9). Niseho tamin’ i Maria Magdala ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty (Jao. 20:11–18).
14. Fasana an-Jaridaina Maro amin’ ireo mpaminany ankehitriny no nilaza ny fahatsapany fa tao no nametrahana ny vatan’ ny Mpamonjy tao amin’ ny fasan’ i Josefa avy any Arimatia taorian’ ny fanomboana azy.