Lohahevitra
Lohahevitry ny Zatovovavy


Lohahevitry ny Zatovovavy

Lohahevitry ny Zatovovavy

Zanakavavy malalan’ ny ray aman-dreny any an-danitra aho, manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia miezaka ny ho tonga tahaka Azy aho. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ary mandray andraikitra eo anoloan’izany aho, ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.

Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra aho.

Eo am-piezahako ho mendrika ny fisandratana, dia mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho, ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro. Miaraka amin’ny finoana, hankahery ny tokantranoko sy ny fianakaviako aho, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina, ary handray ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly masina.