1 Korintiana 1–7
Topimaso ankapobeny
Ny lesona amin’ity herinandro ity dia miresaka momba ireo toko fito voalohany ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ireo Korintiana. Nikorontan-tsaina mafy ireo Olomasina tao Korinto noho ireo foto-kevitr’izao tontolo izao, ka dia niezaka nanampy azy ireo mba hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mianatra fahamarinana ara-panahy maharitra i Paoly. Nampahery sy nanitsy ireo Olomasina tao Korinto tokoa ireo fampianarana mafonja izay nataon’i Paoly, ka nitarika azy ireo hiverina tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana izany. amin’ity herinandro ity ihany koa no hampidirana ny lesona izay hanampy anao hanombana ny zavatra izay ianaranao.