Tovana 2
Torolalana amin’ny famoronana fampiharana fahaiza-manao fanampiny
Rehefa mieritreritra momba ny filan’ireo izay ampianarinao ianao dia mety hamantatra fahaiza-manao iray izay tsapanao fa manan-danja kanefa tsy resahina ao amin’ireo loharanom-pitaovana enti-mampianatra. Ity torolalana ity dia manome modely izay azonao ampiasaina mba hamoronana fampiharana fahaiza-manao fanampiny ho an’ny mpianatrao.
Singa fototra ho an’ny fampiharana fahaiza-manao
Misy singa efatra ao amin’ny rindran-damina ho an’ny fampiharana fahaiza-manao tsirairay: (1) mamaritra, (2) mampiseho, (3) manao fanazaran-tena, ary (4) mampihatra. Ireto torolalana manaraka ireto dia afaka manampy anao hampiditra ireo singa fototra ireo ao amin’ireo fampiharana fahaiza-manao fanampiny foroninao ho an’ny kilasinao.
Mamaritra
Ampahafantaro ny mpianatrao ilay fahaiza-manao. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny:
-
Manasa ny mpianatra hamaky momba ilay fahaiza-manao araka izay voafaritra ao amin’ny Torio ny filazantsarako na ny L’adaptation à la vie missionnaire.
-
Fintino amin’ny teninao manokana ilay fahaiza-manao.
Ataovy azo antoka ny tsy handaniana fotoana be loatra amin’io ampahany amin’ny fampiharana fahaiza-manao io. Izany dia mba hakana antoka fa manana fotoana ampy hanaovana fanazaran-tena ny mpianatra.
Mampiseho
Aorian’ny famaritana ilay fahaiza-manao dia asehoy ny mpianatra ny fomba fampiasana ilay fahaiza-manao. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny:
-
Mampiseho mivantana ilay fahaiza-manao amin’ny mpianatra.
-
Manasa mpianatra iray hiomana mialoha mba hampiseho ilay fahaiza-manao ho an’ny iray kilasy.
-
Mampiasa horonan-tsary iray izay mampiseho ohatra iray amin’ny olona maneho ilay fahaiza-manao.
Manao fanazaran-tena
Omeo fotoana ireo mpianatra hizatra hampihatra ilay fahaiza-manao. Azon’izy ireo atao ny manao izany miaraka amin’ny namana na anatina vondrona kely. Raha azo atao dia asao izy ireo hanao fanazaran-tena mihoatra ny indray mandeha. Azonao atao ny manasa azy ireo hanao fanazaran-tena miaraka amin’ny namana na vondrona iray hafa isaky ny mandeha.
Mampihatra
Asao ny mpianatra hanao drafitra mikasika ny fomba hampiharan’izy ireo an’io fahaiza-manao io any ivelan’ny fotoam-pianarana. Hevero ny hanao fanaraha-maso mandritra ireo lesona manaraka.