Antso ao amin’ny misiôna
Tovana 1: Torolalana amin’ny famoronana sahanasa fianarana fanampiny


Tovana 1

Torolalana amin’ny famoronana sahanasa fianarana fanampiny

Rehefa mieritreritra momba ny filan’ireo olona ao amin’ny kilasinao ianao dia azonao atao ny mamantatra fizarana iray avy amin’ny Torio ny filazantsarako izay tsapanao fa manan-danja kanefa tsy voaresaka ao amin’ireo loharanom-pitaovana enti-mampianatra ireo. Afaka manampy anao hampifanaraka ny fianarana amin’ny filan’ny mpianatrao ity torolalana ity.

Singa fototra amin’ny sahanasa fianarana

Misy fizarana fototra telo ho an’ny sahanasa fianarana tsirairay ato amin’ity fandaharam-pianarana ity: (1) halalino, (2) manazara tena ary (3) mametraha tanjona. Afaka manampy anao hampiditra ireo fizarana fototra ireo ao anatin’ireo sahanasa fianarana fanampiny foroninao ho an’ny mpianatrao ireto torolalana manaraka ireto:

Halalino

Farito hoe inona no zavatra hohalalinin’ny mpianatra

  • Iza amin’ireo andiam-pehezan-teny ao amin’ny Torio ny filazantsarako no hanasanao ny mpianatra mba hohalalininy?

    • Ataovy ao an-tsaina ny fisian’ny fetra ara-potoana. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia tsara kokoa ny mifantoka amin’ny fizarana kely dia mitrandraka izany toy izay manao lesona be dia be. Alaovy antoka ny mamela fotoana betsaka ho an’ny fanazaran-tena sy ny fampiharana.

  • Moa ve misy soratra masina na fanambarana nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay azo ampiasaina mba hanohanana na hanatsara ny zavatra ianaran’ny mpianatra avy ao amin’ny Torio ny filazantsarako?

Farito ny fomba handalinan’ny mpianatra

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe an’io fizarana ao amin’ny Torio ny filazantsarako io? Moa ve misy ohatra, rafi-tantara, fanontaniana, tantara, sary, zavatra niainan’ny tena manokana, na horonan-tsary fohy izay hanampy azy ireo hiomana ho amin’ny fianarana?

  • Inona avy ireo fanontaniana hapetrakao? (Raketo ireo fanontaniana sasany izay afaka manampy ny mpianatra hizaha ny eritreriny sy ny fahatsapany.)

Moa ve ireo mpianatra hiasa irery, miaraka amin’ny namana sa ao anatina vondrona kely?

Manazara tena

  • Inona no azon’ny mpianatra atao mba hanaovana fanazaran-tena ny amin’ny zavatra nianarany? Ohatra, azonao atao ny:

    • Manome fotoana ny mpianatra hanazava na hampianatra ny zavatra nianaran’izy ireo hatrizay amin’ny tenin’izy ireo manokana.

    • Manolotra rafi-tantara sy mangataka ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianaran’izy ireo entina manampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara.

Mametraha tanjona

Farano ny sahanasa fianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hametraka tanjona izay mifanaraka amin’ny zavatra nianarany. Hevero ny hanome ohatra vitsivitsy ny amin’ny mety ho tanjona azon’izy ireo apetraka. Avy eo dia omeo fotoana ny mpianatra hiraketana ny tanjony.