Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana
Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2021


“Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2021,” Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2021 (2020)

“Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2021,” Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2021

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2021

Ity antontan-taratasy ity dia ahitana ny lisitr’ireo fitaovana ho an’ny fandaharam-pampianarana an’ny Fiangonana natao hampiasaina amin’ny 2021. Ho an’ny ankamaroan’ny fiteny rehetra, ireto fitaovana ireto dia misy amin’ny endriny nomerika ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ComeFollowMe.ChurchofJesusChrist.org. Nomarihina manokana ireo boky vaovao ho an’ny taona 2021.

Isam-batan’olona sy fianakaviana

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (16587)

Raha toa ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy anao ka miteny Hiligainona, Sinala, Tiorka, Hindy, Tamila, Telogo, na Ordo dia ampiasao ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2021 (16899).

Kilonga

Kilasin’ny zaza madinika (18 volana–2 taona)

Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie (37108)

Fotoam-pihirana sy kilasy rehetra ao amin’ny Kilonga (3–11 taona)

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (16588)

Raha toa ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy anao miteny Amarika, Hiligainona, Hindy, Homongy, Islandy, Lao, Lingala, Serbiana, Shona, Sinala, Slovakiana, Sloveniana, Tamila, Telogo, Tiorka, Ordo, Xhosa, na Zulu, dia ampifanaraho araka izay ilaina azy ireo hevitra avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana raha ampiasaina ao amin’ny Kilonga, na mampiasà boky torolalana hafa an’ny Fiangonana natao ho an’ny ankizy.

Sekoly Alahady

Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe sy ny zatovo

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (16589)

Raha toa ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy anao miteny Amarika, Hiligainona, Hindy, Homongy, Islandy, Lao, Lingala, Serbiana, Shona, Sinala, Slovakiana, Sloveniana, Tamila, Telogo, Tiorka, Ordo, Xhosa, na Zulu, dia ampifanaraho araka izay ilaina azy ireo hevitra avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana raha ampiasaina ao amin’ny sekoly Alahady, na mampiasà boky torolalana hafa an’ny Fiangonana.

Kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana

Mianatra avy amin’ireo hafatra nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana” (ataovy printy ny tahadika an’izy io izay hita ao amin’ireo laharan’ny gazetiboky Ensign na Liahona izay mirakitra ny fihaonambe)

Raha toa ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy anao miteny Amarika; Hiligainona, Hindy, Homongy, Islandy, Lao, Lingala, Serbiana, Shona, Sinala, Slovakiana, Sloveniana, Tamila, Telogo, Tiorka, Ordo, Xhosa, na Zulu, dia mampianara avy amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana izay mifanaraka amin’ny filan’ireo kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao, na mampiasà boky torolalana hafa an’ny Fiangonana.

Fisoronana Aharôna sy Zatovovavy

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (16639)

Raha toa ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy anao miteny Amarika, Hiligainona, Hindy, Homongy, Islandy, Lao, Lingala, Serbiana, Shona, Sinala, Slovakiana, Sloveniana, Tamila, Telogo, Tiorka, Ordo, Xhosa, Zulu, na Ordo dia ampiasao ireo lesona ao amin’ny toko 3 an’ny Torio ny Filazantsarako (16229). Azonao atao ihany koa ny mampianatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana izay mifanaraka amin’ny filan’ny zatovonao.

Ireo rafitra rehetra

Fivoriana filankevitry ny mpampianatra

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Fampianarana hafa (raha misy ny boky)

Ireo fampianarana hafa mikasika ny fanamafisana orina ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny fiomanana ho any amin’ny tempoly, ny fiomanana ho amin’ny asa fitoriana dia tsy hatao mandritra ny ora faharoa any am-piangonana. Kanefa, araka izay hitan’ny eveka fa mahamety izany, ary miankina amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana, dia azo ampianarina amin’ny fotoana hafa ireo lesona ireo ho an’ny isam-batan’olona, na ny fianakaviana, na vondron’olona.

Fifandraisan’ny mpivady sy ny fianakaviana

Relations Conjugales et Familiales – Manuel de l’instructeur (35865) sy Relations Conjugales et Familiales – Guide du participant (36357)

Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Dotés d’en haut: Séminaire de préparation au temple Manuel de l’instructeur (36854) sy Miomana Hiditra ao amin’ny Tempoly Masina (36793)

Torolalana momba ny fanafaran’ny rantsana fitaovana ho an’ny fandaharam-pianarana isan-taona

Ho an’ny taona 2021, ireo eveka sy ireo filohan’ny sampana dia handray tahadika vita printin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hozaraina amin’ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy azy ireo. Handray tahadika iray izy ireo ho an’ny isan-tokantranona mpikambana mavitrika ao amin’ny rantsana. Tsy mandoa vola ho an’ireo tahadika ireo ny rantsana eo an-toerana. Saingy ireo rantsana kosa dia mila manao famandrihana sy mandoa ny saran’ireo tahadikan’ny boky vita printy fampiasa ao amin’ny Kilonga, sy ny Sekoly Alahady, ary ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy.

Afaka manafatra fitaovana ho an’ny rantsana ianao manomboka ny 30 jona 2020. Iangaviana mba tsy ho tara ny 31 aogôsitra 2020 ny fanafaranao. Ireo fitaovana hafarana aorian’io daty io dia mety tsy ho tonga mialoha ny 1 janoary 2021. Raha hanafatra fitaovana vita printy dia tsidiho ny store.ChurchofJesusChrist.org, tsindrio ny Units and Callings, ary avy eo dia safidio ny Annual Curriculum.

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao tsy hanafatra boky vita printy mihoatra noho izay ilaina:

  • Boky vita printy firy amin’ireo boky tsirairay ireo no efa ananan’ny rantsana misy anao?

  • Firy ny mpampianatra sy mpikambana mampiasa fitaovana amin’ny endrika nomerika fa tsy mampiasa boky vita printy?

Fitaovana ho an’ireo manana fahasembanana

Ireo fitaovana amin’ny endrika horonam-peo, na amin’ny soratra natao ho an’ny jamba, na amin’ny sora-printy lehibe, dia hita ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.