Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana
Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2020


“Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2020,” Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2020 (2019)

“Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2020,” Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2020

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana taona 2020

Ity antontan-taratasy ity dia ahitana ny lisitr’ireo fitaovana ho an’ny fandaharam-pampianarana isaky ny alahady ho an’ny taona 2020. Ireto loharanom-pitaovana rehetra ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ComeFollowMe.ChurchofJesusChrist.org. Tsy voatery hita amin’ny fiteny rehetra ireo loharanom-pitaovana rehetra ireo. Nomarihina manokana ireo boky vaovao ho an’ny taona 2020.

Isam-batan’olona sy fianakaviana

VAOVAO Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (15155; handefasana tahadika maimaim-poana ireo rantsana)

Kilonga

Kilasin’ny zaza madinika (18 volana–2 taona)

Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie 37108)

Fotoam-pihirana sy kilasy rehetra ao amin’ny Kilonga (3–11 taona)

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (15157)

Sekoly Alahady

Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe sy ny zatovo

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (15156)

Ireo kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana

Mianatra avy amin’ireo hafatra nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana” (Ny endrika vita printy dia hita ao amin’ireo laharan’ny gazetiboky Ensign na Liahona izay mirakitra ny fihaonambe.)

Fisoronana Aharôna sy Zatovovavy

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Fisoronana Aharôna

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Zatovovavy

Raha tsy misy amin’ny fiteninao ireto loharanom-pitaovana ho an’ny Zatovovavy sy ny Fisoronana Aharôna ireto dia ampiasao ny lesona ao amin’ny toko faha–3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (16229). Ianao ihany koa dia afaka mampianatra ireo hafatra avy tamin’ny fihaonambe izay mifanaraka amin’ny filan’ny zatovonao.

Ireo rafitra rehetra

Fivoriana filankevitry ny mpampianatra

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Fampianarana hafa (raha misy ny boky)

Ireo fampianarana hafa mikasika ny fanamafisana orina ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny fiomanana ho any amin’ny tempoly, ny fiomanana ho amin’ny asa fitoriana, ary ny tantaram-pianakaviana dia tsy hatao mandritra ny ora faharoa any am-piangonana. Kanefa, araka izay hitan’ny eveka fa mahamety azy, ary miankina amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana, dia azo atao amin’ny fotoana hafa ireo fampianarana ireo ho an’ny isam-batan’olona, na ny fianakaviana, na vondron’olona.

Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Dotés d’en haut: Séminaire de préparation au temple Manuel de l’instructeur (36854) sy Miomana Hiditra ao amin’ny Tempoly Masina (36793)

Fifandraisan’ny mpivady sy ny fianakaviana

Relations Conjugales et Familiales – Manuel de l’instructeur (35865) sy Relations Conjugales et Familiales – Guide du participant (36357)