Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana
Torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana taona 2019


“Torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana taona 2019,” Torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana taona 2019 (2018)

“Torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana taona 2019,” Torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana taona 2019

Torolalana ho an’ny Fandaharam-pampianarana taona 2019

Ireo voatanisa eo ambany ireo avy ny fitaovana ho an’ny fandaharam-pampianarana isaky ny alahady ho an’ny taona 2019, ka tsy izy rehetra akory no hita amin’ny fiteny rehetra. Nomarihana manokana ireo boky vaovao ho an’ny taona 2019.

Rafitra

Boky sy Loharanom-pitaovana

Sary
fianakaviana mifampiresaka

Isam-batan’olona sy fianakaviana

VAOVAO Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (14717, Testamenta Vaovao)

Raha tsy misy amin’ny fiteninao izy io dia ampiasao ny Nouveau Testament, Guide d’étude de l’élève (35682).

Sary
mpampianatra sy mpianatra

Kilonga

Fotoam-pihirana (3–11 taona)

VAOVAO Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny fotoam-pihirana: 2019

Io fitaovana io dia ho azo alaina mialohan’ny faran’ny taona 2018 ao amin’ny ComeFollowMe.lds.org, primary.lds.org, sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Kilasin’ny zaza madinika (18 volana–2 taona)

Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie (37108)

Kilasy rehetra ao amin’ny Kilonga (3–11 taona)

VAOVAO Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga (14718, Testamenta Vaovao)

Raha tsy misy amin’ny fiteninao izy io dia ampiasao ny Kilonga 7: Testamenta Vaovao (34604).

Sary
mpianatra ao an-dakilasy

Sekoly Alahady

Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe sy ny zatovo

VAOVAO Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady (14716; Testamenta Vaovao)

Raha tsy misy amin’ny fiteninao izy io dia ampiasao ny Testamenta Vaovao : Fotopampianaran’ny filazantsara – Bokin’ny mpampianatra (35681).

Sary
lehilahy iray ao amin’ny kilasy

Kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana

Raha tsy misy amin’ny fiteninao ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia azon’ny fiadidian’ny kôlejin’ny Loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana faritana ny lohahevitra ho an’ity fivoriana filankevitra ity. Ny loharanom-pitaovana azo ampiasaina dia ny soratra masina, ny Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (08702), ireo gazetibokin’ny Fiangonana, ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (06500), ny Boky Torolalana ho an’ny Fianakaviana (31180), ary ireo loharanom-pitaovana hafa ankatoavin’ny Fiangonana.

Alahady faharoa sy fahatelo

Mandalina sy mifanakalo hevitra ary mampihatra ireo hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana nandritra ny fihaonambe ny mpikambana. Mampiasa ireo soso-kevitra atolotra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampianaizy ireo. Ity loharanom-pitaovana ity dia hita ao amin’ny laharan’ny Ensign na Liahona, tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra ao amin’ny ComeFollowMe.lds.org, na ao amin’ireo fitaovana nomen’ny biraon’ny vondrom-paritra misy anao.

Raha tsy misy amin’ny fiteninao ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia ampiasao ny Ny Adidy sy ny Fitahian’ny Fisoronana, Boky A (31111) na ny Ny Vehivavin’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky A (31113).

Alahady fahefatra

Mandalina lohahevitra ara-potopampianarana mifandraika amin’ny asan’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana ny mpikambana. Mampiasa sosokevitra atolotra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Ity loharanom-pitaovana ity dia hita ao amin’ny laharan’ny Ensign na Liahona, tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra ao amin’ny ComeFollowMe.lds.org, na ao amin’ireo fitaovana nomen’ny biraon’ny vondrom-paritra misy anao.

Raha tsy misy amin’ny fiteninao ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia ampiasao ireo lahatsoratra hoe “Fitsipika momba ny fanompoana” ao amin’ny Ensign sy ny Liahona.

Alahady fahadimy

Ny episkôpà na ny fiadidian’ny sampana no manomana ny fivoriana.

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

Fisoronana Aharôna sy Zatovovavy

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny Zatovovavy

Raha tsy misy amin’ny fiteninao ireo dia ampiasao ny Prêtrise d’Aaron 1 (34820) na ny Jeunes Filles 1 (34823). Raha tsy misy amin’ny fiteninao ireo dia ampiasao ny Ny Adidy sy ny Fitahian’ny Fisoronana, Boky A (31111) na ny Ny Adidy sy ny Fitahian’ny Fisoronana, Boky B (31112) sy ny Ny Vehivavin’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky A (31113) na ny Ny Vehivavin’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky B (31114).

Sary
olona manao filankevitra

Ny rafitra rehetra

Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
lehilahy sy vehivavy eo ivelan’ny tempoly

Lesona hafa (raha misy ny boky)

Ireo lesona hafa manamafy orina ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny fiomanana ho any amin’ny tempoly, ny fiomanana ho amin’ny asa fitoriana, ary ny tantaram-pianakaviana dia tsy hatao mandritra ny ora faharoa any am-piangonana. Kanefa, araka izay hitan’ny eveka fa mahamety izany, ary miankina amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana, dia azo ampianarina amin’ny fotoana hafa ireo lesona ireo ho an’ny isam-batan’olona, na ny fianakaviana, na vondron’olona.

Fiomanana ho any amin’ny Tempoly

Dotés d’en haut: Séminaire de préparation au temple Manuel de l’instructeur (36854) sy Miomana Hiditra ao amin’ny Tempoly Masina (36793)

Fifandraisan’ny Mpivady sy ny Mpianakavy

Relations Conjugales et Familiales – Manuel de l’instructeur (35865) sy Relations Conjugales et Familiales – Guide du participant (36357)

Fitaovana ho an’ireo izay manana fahasembanana.

Raha hanafatra fitaovana amin’ny endrika horonam-peo, na amin’ny soratra braille, na amin’ny sora-printy lehibe, na misy soratra miseho dia tsidiho ny store.lds.org.