Horonan-tsary sy sary
Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara


Ny Fomba fampiasana ity Boky ity

Voarindra ho fizarana enina ny sary ao anatin’ity boky ity: Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao, Bokin’i Môrmôna, Tantaran’ny Fiangonana, Filazantsara Arahin’Asa, ary Mpaminanin’ny Andro Farany. Azonao ampiasaina ireto sary ireto rehefa hianarana sy hampianarana ao an-trano na any am-piangonana. Ny lisitra etsy ambany dia ahitana lohateny izay mamaritra ny sary tsirairay sy fanoroana andalan-tsoratra masina ary loharano hafa fanampiny izay azo hampiasaina hahafantarana ny mikasika ireo sary na hifanakalozana hevitra mikasika izany. Ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina sy loharano miaraka aminy ireo dia hanampy ny fahatakaranao ny zava-nitranga sy ny fitsipiky ny filazantsara aseho an-tsary. Diniho ireto hevitra manaraka ireto amin’ny fampiasana ireo sary sy ny fanoroana andalan-tsoratra masina ireo:

  • Asao ny olona tsirairay mba handalina ny soratra masina na loharano hafa izay mifandray amin’ny sary iray manokana. Asao izy ireo hamaky na hamintina ny zavatra voalaza ao amin’ity fitaovana ity mandritry ny fifanakalozan-kevitra momba ilay sary.

  • Asao ny fianakaviana na ny mpianatra ao amin’ny kilasy iray mba hamariparitra ny zavatra hitany eo amin’ny sary na ny zavatra tsapany eo am-pijerena izany sary izany. Inona no fitsipiky ny filazantsara hampianarin’ity sary ity? Inona no azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny?

  • Asao ny olona tsirairay handinika samirery izany sary izany. Mety haka sary roa izy ireo mba hahafahany mampitaha sy mandinika ny fahasamihafana eo amin’ireo sary. Ny fanamarihana ataony sy ireo fanontaniana apetrany mikasika ny zavatra hitany dia mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny andalan-tsoratra masina sy ny fitsipiky ny filazantsara.