Fanampiana amin’ny fiainana
Fanjarian-tsakafon’ny zaza


“Fanjarian-tsakafon’ny zaza,” Fanjarian-tsakafon’ny zaza (2023)

Sary
Sarina reny sy zanaka iray

Fanjarian-tsakafon’ny zaza

Amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manao fanekempihavanana isika ny hikarakara ireo zanak’ Andriamanitra rehetra eran-tany. Manompo sy mikolokolo ny ankizy no tanjontsika mba hahafahan’izy ireo manatratra ny tsara indrindra azon’izy ireo hahatongavana. “Ho an’ny Fiangonan’i Kristy dia tsy misy asa fanasaovana ny mpiara-belona manan-danja kokoa mihoatra ny famahanana ny noana,” hoy Rahavavy Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. “Feno fankasitrahana izahay manana ny enti-manana hiaraha-miasa amina fikambanana mahatalanjona sy manome fanampiana an’ireo ankizy sy reny vao herotrerony sahirana izaitsizy. Manolotra ny tanam-pitiavan’i Kristy izahay eo am-piarahanay manompo.”

Ankizy maro maneran-tany no ampahorian’ny vokatra ateraky ny tsy fanjarian-tsakafo. Mila sakafo ampy ny ankizy; indrindra fa manomboka amin’ilay izy torontoronina ka hatramin’ny roa na telo taona. Iankinan’ny fitomboana ara-dalàn’ny atidoha sy ny vatana ary ny fiforonan’ny hery fiarovana ny otrikaina azon’izy ireo. Koa satria miankina amin’io fotoana io ny fitomboan’ny zaza, ny Fiangonana dia nanao ezaka mifantoka amin’ny fanampiana zaza madinika maro kokoa hahazo fikarakarana ara-tsakafo amin’ny antsipiriany, ka tafiditra ao anatin’izany ny sakafo mahavelona, rano fisotro ara-pahasalamana, fanampiana amin’ny fahazoana fitsaboana any amin’ireo toeram-pitsaboana misy eo an-toerana, mbamin’ireo antony hafa izay manampy amin’ny fitomboan’ny zaza ara-dalàna.

Ny fandaharanasa fanjarian-tsakafo mahomby indrindra dia miasa amin’ny alalan’ireo ezaka ifotony ataon’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, indrindra moa fa amin’ny fampandraisana anjara ny vehivavy. Manana rafitra manokana amin’ny fanomezana ireny vahaolana ireny ny Fiangonana; izany dia amin’ny alalan’ny filankevitry ny paroasy sy ny fanompoana ary ny Fikambanana Ifanampiana. Ankoatra izany, ny Fiangonana dia miara-miasa amina fikambanana iraisam-pirenena mba hanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ny zaza sahirana rehetra.

Ampiasao ireo loharano hita ao amin’ilay rohy etsy ambany mba hamantarana misimisy kokoa momba ny fanjarian-tsakafon’ny zaza, ny fiantraikan’izany eo amin’ny ankohonantsika, ary ny fomba azonao atao mba hanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ny ankohonanao manokana.