2017
Vita!
April 2017


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Vita!

Sary
cell phones

Sary nataon’i Allen Garns

Nandritra ireo dinidinika notarihiko fony aho eveka indray alahady tolakandro dia fifaliana ho ahy ny niaraka tamin’ny namana tsara iray mba hiresaka mikasika ireo toe-javatra sarotra vitsivitsy natrehiny. Rehefa avy nihaino ireo ahiahiny nandritra ny minitra vitsy aho dia tsapako fa ny zavatra nilainy dia ny famakiana tsy tapaka ny soratra masina. Nampahatsiahivina ahy ihany koa fa, amin’ny maha-evekany ahy, izaho koa dia tokony hanao tsy tapaka ny fandalinako soratra masina, izay zavatra tena nanahirana ahy tokoa. Noho izany dia nandroso sosokevitra aho ny mba hahatongavanay ho “mpiara-miasa tompon’andraikitra amin’ny tsirairay avy” amin’ny fiezahana hianatra tsy tapaka bebe kokoa.

Isan’andro rehefa mahavita mamaky ny soratra masinay izahay dia mifandefa amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra ny teny hoe Vita! Ny fahafantarana fa misy olona hafa miandry ny hahare na nahavita ny famakian-teniny ho an’ilay andro ny iray na tsia dia famporisihana lehibe ho anay roa. Raha manadino ny iray aminay dia fampahatsiahivana ny fandraisana hafatra an-tsoratra iray. Raha tsy mandefa hafatra ilay olona hafa dia ho ampahatsiahivina azy mazava tsara izany. Mamela ny tsirairay handray anjara amin’izany fanamby izany izahay kanefa tsy manao izay hahatsapan’ilay olona iray hafa ho meloka.

Enim-bolana lasa izay no nanombohanay ilay fanamby, ary tsy mahatadidy andro iray aho izay tsy namakianay ny soratra masinay. Nitsangana io rahalahy io nandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona volana maromaro lasa izay dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fiantraikany tsara nananan’ny fandalinana soratra masina isan’andro teo aminy sy ny fianakaviany.

Feno fankasitrahana aho noho io rahalahy io sy ny fitiava-namana ananany, ary noho ny hafatra nalefany isan’andro ihany koa. Efa hitako ny fomba ahafahan’ny teknôlôjia manatsara ny fiainantsika rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy izany. Feno fankasitrahana noho ny soratra masina sy ny fomba hijoroan’izy ireny ho vavolombelona ny amin’i Kristy ihany koa aho. Fantatro fa ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mahatonga antsika tsirairay avy ho afaka ny hiverina hiara-hiaina Aminy indray andro any.