Institiota
8 Ny nitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy


“Ny nitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy,” toko 8 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)

Toko 8: “Ny nitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”

Toko 8

Ny nitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy

Sary
Tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna

Tany amin’ny fiandohan’ny volana jolay 1829, niaraka tamin’ny rakitsoratra natao sora-tanana teny aminy, dia fantatr’i Joseph fa tian’ny Tompo izy hamoaka ny Bokin’i Môrmôna ary hanaparitaka ny hafatra ao amin’izany na aiza na aiza. Saingy tsy nahazatra azy sy ny fianakaviany ny asa famoahana boky. Nila niaro ilay rakitsoratra natao sora-tanana ho amin’ny toerana azo antoka izy, sy nitady mpanonta boky, ary hanao izay hahatonga ilay boky ho eny an-tanan’ny olona izay vonona ny hanaiky ny mety hisian’ny soratra masina vaovao.

Tsy ho mora ihany koa ny famoahana boky lava be iray toy ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nihatsara ny toe-bolan’i Joseph hatramin’ny nanombohany ny fandikan-teny, ary ny vola rehetra azony dia nankany amin’ny famelomana ny fianakaviany. Torak’izany koa ny an’ireo ray aman-dreniny, izay mbola tantsaha mahantra niasa tamin’ny tany izay tsy azy ireo. Ny hany naman’i Joseph afaka namatsy vola ho an’ilay tetikasa dia i Martin Harris.

Nanomboka niasa haingana i Joseph. Mialoha ny nahatontosany ny fandikan-teny dia efa napetrany ny zon’ny mpamorona mikasika ilay boky mba hiarovana ilay lahatsoratra amin’izay olona mety hangalatra na haka izany ho an’ny tenany.1 Nanomboka nitady mpanonta boky izay hanaiky ny hamoaka ilay boky ihany koa i Joseph, niaraka tamin’ny fanampian’i Martin.

Nandeha tany amin’i Egbert Grandin aloha izy ireo, mpanonta boky iray tao Palmyra izay nitovy taona tamin’i Joseph. Nolavin’i Grandin ilay fangatahana tamin’ny voalohany satria nihevitra izy fa hosoka ilay boky. Tsy kivy i Joseph sy i Martin fa nanohy nitady ka nahita mpanonta boky tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra teo. Kanefa talohan’ny naneken’izy ireo ny tolotra nomen’ity mpanonta boky ity dia niverina tany Palmyra izy ireo ary namerina nanontany an’i Grandin raha toa ka naniry ny hamoaka ilay boky izy.2

Tamin’ity indray mitoraka ity dia toa vonona kokoa ny handray ilay tetikasa i Grandin, saingy naniry ny homena vola 3.000 dôlara izy hanontana sy hanambarana boky miisa dimy arivo mialoha ny nanombohan’ny asa. Efa nampanantena ny hanampy amin’ny fiantohana ny fanontana i Martin, kanefa mba hahafahana manana vola be toy izany dia fantany fa mety mila manao antoka ny toeram-pamboleny sy fiompiany izy. Enta-mavesatra be ho an’i Martin izany, kanefa fantany fa tsy misy olon-kafa amin’ireo naman’i Joseph mety afaka hanampy azy amin’io vola io.

Sahiran-tsaina i Martin ka nanomboka niahiahy sao tsy mety ny hamatsiany vola ho an’ny Bokin’i Môrmôna. Anisan’ireo toeram-pambolena sy fiompiana tsara indrindra teo amin’ilay faritra io nananany io. Raha toa ka nanao antoka izany tany izany izy dia mety ho very izany. Mety hanjavona ao anatin’ny indray mipi-maso ny harena nohariany nandritra ny andro-piainany manontolo raha toa ka tsy mandeha tsara ny fivarotana ny Bokin’i Môrmôna.

Nolazain’i Martin tamin’i Joseph ny ahiahiny ary nangataka taminy izy mba hikatsaka fanambarana ho azy. Ho valin’izany dia niresaka momba ny sorona nataony ny Mpamonjy mba hanaovana ny sitrapon’ny Rainy, na inona na inona saran’izany. Nofariparitany ny fijaliany lehibe indrindra teo ampanefany ny saran’ny fahotana, mba hahafahan’ny rehetra mibebaka sy ho voavela heloka. Dia nandidy an’i Martin Izy avy teo mba hahafoy ny tombontsoany manokana ho fanatontosana ny drafitr’ Andriamanitra.

“‘Tsy hitsiriritanao ny fanananao ihany,” hoy ny Tompo, “fa ny hanomezanao izany malalaka ho fanontana ny Bokin’ i Môrmôna.” Nanome toky an’i Martin ny Tompo fa io boky io dia ahitana ny teny marina nataon’ Andriamanitra, ary hanampy ny hafa hino ny filazantsara.3

Na dia tsy takatr’ireo mpifanolobodirindrina taminy aza ny fanapahan-keviny dia nankatò ny Tompo i Martin ary nanao antoka ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba hiantohanany vola haloa.4

Nanao sonia ny fifanarahana i Grandin ary nanomboka nandrindra ilay tetikasa goavana.5 Nahadika ny lahatsoratry ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny telo volana i Joseph, izay nampian’ny mpitantsoratra iray isaky ny mandeha. Nila fito volana ny lehilahy roa ambin’ny folo niaraka tamin’i Grandin mba hanontana sy hanambarana ireo tahadika voalohany izay nahitana pejy 590.6


Raha nanana mpamoaka boky nokaramaina i Joseph dia niverina tany Harmony tamin’ny ôktôbra 1829 mba hiasa ao amin’ny toeram-piompiana sy famboleny ary mba hiaraka amin’i Emma. I Oliver, sy i Martin, ary i Hyrum, tetsy andaniny, dia nanara-maso ny fanontana ary nandefa vaovao tsy tapaka tany amin’i Joseph momba ny fivoaran’ny asan’i Grandin.7

Raha nahatsiaro ny hakiviana tsapany tamin’izy nanary ireo pejy voalohany nadikany i Joseph dia nangataka tamin’i Oliver izy mba handika ny pejy tsirairain’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana, ka nanao dika mitovy hoentina any amin’ilay mpanonta boky mba hanampiana ireo mari-piatoana sy hamaritana ny endri-tsoratra.8

Nankafy ny fandikana ilay boky i Oliver, ary feno ny fiteny avy ao amin’izany ireo taratasy nosoratany tamin’izany fotoana izany. Niombo-kevitra tamin’i Nefia sy i Jakoba ary Amioleka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Oliver ka nanoratra tamin’i Joseph momba ny fankasitrahany ny Sorompanavotana tsy misy fetra nataon’i Kristy.

“Rehefa manomboka manoratra momba ireo fahasoavan’ Andriamanitra aho,” hoy izy tamin’i Joseph, “dia tsy haiko hoe rahoviana no hijanona, saingy ny fotoana sy ny taratasy no tsy ampy.”9

Izany fanahy izany ihany no nisarika ny hafa tamin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa natonta io boky io. I Thomas Marsh, izay mpianatra mpanonta boky teo aloha, dia niezaka nitady ny toerany tany amin’ny fiangonana hafa maro, kanefa toa tsy nisy na iray aza tamin’izy ireny ka hoe nampianatra ny filazantsara hitany ao amin’ny Baiboly. Nino izy fa hisy fiangonana vaovao hitsangana tsy ho ela ka hampianatra fahamarinana naverina tamin’ny laoniny.

Tamin’io fahavaratra io dia nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy i Thomas handeha kilaometatra an-jatony miala ny tranony tao Boston hankany New York andrefana. Nijanona tao nandritra ny telo volana izy mialoha ny nandehanany nody, tsy nahalala mazava ny antony nanaovany dia lavitra toy izany. Rehefa nijanona teny an-dalana hody anefa izy dia nanontany azy ilay mpampiantrano azy raha toa izy ka efa naheno momba ny “boky volamenan’”i Joseph Smith. Nilaza tamin’ilay vehivavy i Thomas fa tsy mbola naheno izany izy ary nahatsapa ho toy ny misy nanery azy hanadihady lalindalina kokoa.

Nilaza taminy ilay vehivavy fa tokony hiresaka amin’i Martin Harris izy ka nasainy nandeha tany Palmyra izy. Nandeha tany avy hatrany i Thomas ka nahita an’i Martin tao amin’ny tranoprintin’i Grandin. Nomen’ilay mpanonta boky pejy miisa enina ambin’ny folo tamin’ny Bokin’i Môrmôna izy, dia noentin’i Thomas niverina tany Boston ireo, ary tsindrian-daona izy hizara ny tsiron’ity finoana vaovao ity tamin’i Elizabeth vadiny.

Namaky ireo pejy i Elizabeth, ary izy koa dia nino fa asan’ Andriamanitra izy ireo.10


Tamin’io fararano io, raha nandroso haingana ny asan’ireo mpanonta boky nanomana ny Bokin’i Môrmôna, dia nisy mpitsara teo aloha nantsoina hoe Abner Cole izay nanomboka namoaka gazety iray tao amin’ny tranoprintin’i Grandin. Raha niasa alina i Abner, rehefa lasa nody ireo mpiasan’i Grandin, dia mora ho azy ny naka ireo pejy vita printy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay tsy mbola voatambatra na koa vonona ny hamidy.

Dia nanomboka nanaraby ilay “Baiboly volamena” tao amin’ny gazetiny i Abner, ary nandritra ny ririnina dia nanonta ampahan-dahatsoratra avy tao amin’ilay boky izy niaraka tamin’ny fanamarihana nanesoeso.11

Rehefa henon’i Hyrum sy i Oliver ny zavatra nataon’i Abner, dia nifanehitra taminy izy ireo. “Avy aiza moa no hanananao zo hanonta ny Bokin’i Môrmôna amin’izao fomba izao?” Hoy i Hyrum nanontany. “Tsy fantatrao va fa nahazo ny zon’ny mpamorona izahay?”

“Tsy misy idiranao izany,” hoy i Abner. “Nanofa ny tranoprinty aho ary hanonta izay tiako.”

“Mandrara anao aho tsy hanonta na inona na inona intsony avy ao amin’io boky io ao amin’ny gazetinao,” hoy i Hyrum.

“Tsy raharahako izany,” hoy i Abner.

Raha tsy nahafantatra mazava izay tokony hatao i Hyrum sy i Oliver, dia nandefa hafatra tany amin’i Joseph tany Harmony izy ireo, izay niverina poa tahaka izay nankany Palmyra. Hitany tao amin’ny efitra fanontana i Abner, teo am-pamakimakiana ny gazetiny ihany.

“Toa miasa mafy ianao izany,” hoy i Joseph.

“Manao ahoana ianao, Atoa Smith,” hoy i Abner namaly tamin’ny fomba feno eso.

“Atoa Cole,” hoy i Joseph, “ny Bokin’i Môrmôna sy ny zo hamoaka izany dia ahy, ary mandrara anao aho tsy hiditra amin’izany.”

Natsipin’i Abner ny palitaony dia namoritra ny tanan’akanjony izy. “Te hiady angaha ianao, Atoa?” hoy izy nivazavaza, sady namokona ny totohondriny roa. “Raha te hiady ianao dia avia fotsiny.”

Nitsiky i Joseph. “Tsara kokoa raha anaovanao ny palitaonao,” hoy izy. “Mangatsiaka ny andro, ary tsy hiady aminao aho.” Notohizany tamim-pilaminana hoe: “Saingy mila manajanona ny fanontana ny bokiko ianao.”

“Raha mihevitra ianao fa ianao no lehilahy tsara indrindra,” hoy i Abner, “dia esory ny palitaonao ary andramo raha maharesy ahy.”

“Misy lalàna ity tany ity,” hoy i Joseph namaly, “ary hahalala izany ianao raha toa ka tsy mbola nahafantatra izany hatramin’izay. Saingy tsy hiady aminao aho, satria tsy hitondra zava-tsoa izany.”

Fantatr’i Abner fa diso izy teo anatrehan’ny lalàna. Nitony izy ary nitsahatra tamin’ny fanontana ampahan-dahatsoratra avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny gazetiny.12


I Solomon Chamberlin, izay pasitera iray teny an-dalana ho any Kanada, dia nandre voalohany momba ilay “Baiboly Volamena” tamin’ny fianakaviana iray izay nipetrahany tao akaikin’i Palmyra. Tahaka an’i Thomas Marsh, dia nifindrafindra fiangonana koa izy nandritra ny androm-piainany saingy nahatsapa ho tsy afa-po tamin’ny zavatra hitany. Ny fiangonana sasany dia nitory ireo fitsipiky ny filazantsara ary nino ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy, saingy tsy nanana mpaminanin’ Andriamanitra na ny fisoronany. Tsapan’i Solomon fa ho avy ny fotoana izay hamoahan’ny Tompo ny fiangonany.

Rehefa nihaino ilay fianakaviana niresaka momba an’i Joseph Smith sy ireo takela-bolamena i Solomon dia nahatsapa toy ny herinaratra niainga avy eny an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, ka nanapa-kevitra ny hitady ny fianakaviana Smith sy hianatra bebe kokoa momba ilay boky.

Nandeha nankany amin’ny tranon-dry Smith izy ka nihaona tamin’i Hyrum teo am-baravarana. “Fiadanana anie ho an’ity trano ity,” hoy i Solomon.

“Antenaiko fa ho fiadanana izany,” hoy i Hyrum namaly.

“Misy olona ve ato,” hoy i Solomon nanontany, “izay mino ny fahitana na ny fanambarana?”

“Eny,” hoy i Hyrum, “tia fahitana ny olona ato amin’ity trano ity.”

Noresahin’i Solomon tamin’i Hyrum ny momba ny fahitana iray izay hitany taona maro lasa tany aloha. Tao anatin’izany, dia nisy anjely iray nilaza fa tsy nanana fiangonana teto ambonin’ny tany Andriamanitra saingy tsy ho ela dia hanangana anakiray izay hanana fahefana tahaka ilay fiangonan’ireo apôstôly fahiny. Takatr’i Hyrum sy ireo hafa tao an-trano ny zavatra nolazain’i Solomon ary nilaza taminy izy fa mino ny zavatra inoany koa izy ireo.

“Iriako ny hampahafantaranareo ny sasany amin’ireo zavatra hitanareo,” hoy i Solomon. “Mino aho fa zakako izany.”

Nanasa azy hivahiny tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Smith i Hyrum ary nampiseho taminy ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana. Nandalina izany nandritra ny roa andro i Solomon ary niaraka tamin’i Hyrum nankany amin’ny tranoprintin’i Grandin, ka nomen’ilay mpanonta boky pejy vita printy miisa efatra amby enim-polo. Niaraka tamin’ireo pejy tsy voatambatra teny aminy, nanohy ny diany nankany Kanada i Solomon, nitory ny zavatra rehetra fantany momba ilay finoana vaovao eraky ny lalana.13


Tamin’ny 26 martsa 1830, dia voatambatra ireo tahadika voalohan’ny Bokin’i Môrmôna ary azo nojifaina tao amin’ny ambany rihan’ny tranoprintin’i Grandin. Natambatra mafy tsara tamin’ny hoditra zanak’ondry volon-tany izany ary namofona hoditra sy lakaoly, taratasy ary ranomainty. Ireo teny hoe Bokin’i Môrmôna dia hita teo amin’ny rirany tamin’ny litera volamena.14

Nankamamy ilay soratra masina vaovao i Lucy Smith ka nandray izany ho toy ny famantarana fa hanangona tsy ho ela ny zanany Andriamanitra ary hamerina amin’ny laoniny ny fanekempihavanany taloha. Ny pejin-dohateny dia nanambara fa ny tanjon’ny boky dia ny hampiseho ireo zava-dehibe nataon’ Andriamanitra tamin’ny vahoakany tany aloha, ny hanolotra ireo fitahiana ireo ihany ho an’ny vahoakany ankehitriny, ary ny handresy lahatra ny tany manontolo fa i Jesoa Kristy no Mpamonjin’izao tontolo izao.15

Tao ambadik’ilay boky dia nahitana ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo, nilaza tamin’izao tontolo izao fa nahita ireo takelaka izy ireo ary nahafantatra fa marina ny fandikan-teny.16

Na dia teo aza ireo tenivavolombelona ireo dia fantatr’i Lucy fa nihevitra ilay boky ho tantara noforoniny ny olona sasany. Maro tamin’ireo mpifanolobodirindrina taminy no nino fa soratra masina ampy ho azy ireo ny Baiboly, tsy nahafantatra fa nomen’ Andriamanitra ny firenena maro mihoatra noho ny iray ny teniny. Fantany ihany koa fa ny olona sasany dia nandà ny hafatra ao amin’izany satria nino izy ireo fa efa niresaka indray mandeha tamin’izao tontolo izao Andriamanitra ary tsy hiresaka intsony.

Noho ireo antony ireo sy ny antony hafa dia tsy nividy ilay boky ny ankamaroan’ny olona tao Palmyra.17 Saingy nandalina ireo pejin’ilay boky ny sasany, ka nahatsapa ny herin’ny fampianarana ao amin’izany, ary nandohalika mba hanontany ny Tompo raha toa ka marina izany. I Lucy manokana dia nahafantatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra ary naniry ny hizara izany tamin’ny hafa izy.18


Saika raha vantany vao navoaka ny Bokin’i Môrmôna, dia niomana ny hanangana ny fiangonan’i Jesoa Kristy i Joseph sy i Oliver. Volana maro talohan’izay, dia niseho tamin’izy ireo ireo apôstôlin’ny Tompo fahiny dia i Petera sy i Jakoba aryi Jaona, ary nanome azy ireo ny Fisoronana Melkizedeka, araka ny nampanantenain’i Jaona Mpanao Batisa. Ity fahefana fanampiny ity no nafahan’i Joseph sy i Oliver hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ireo izay nataon’izy ireo batisa. I Petera sy i Jakoba ary i Jaona dia nanokana azy ireo ihany koa ho apôstôlin’i Jesoa Kristy.19

Manodidina izany fotoana izany, raha nitoetra tao amin’ny tranon-dry Whitmer i Joseph sy i Oliver, dia nangataka fahalalana bebe kokoa momba ity fahefana ity izy ireo. Ho valin’izany dia nandidy azy ireo ny feon’ny Tompo mba hifanokana ho loholona ao amin’ny fiangonana, saingy tsy hanao izany raha tsy efa nisy mpino nanaiky ny hanaraka azy ireo ho mpitarika ao amin’ny fiangonan’ny Mpamonjy. Nasaina ihany koa izy ireo hanokana mpiandraikitra ao amin’ny fiangonana ary hanolotra ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ireo izay natao batisa.20

Tamin’ny 6 aprily 1830 dia nihaona tao amin’ny tranon-dry Whitmer i Joseph sy i Oliver mba hanaraka ny didin’ny Tompo ka hanangana ny fiangonany. Mba hahafeno ny fepetra takian’ny lalàna, dia nisafidy olona enina izy ireo mba ho tonga mpikambana voalohany ao amin’ilay fiangonana vaovao. Nisy vehivavy sy lehilahy manodidina ny efapolo teo ihany koa nitangorona tao anatin’ilay trano kely sy teo ivelany nanatri-maso ny zava-nitranga.21

Ho fankatoavana ny torolalana nomen’ny Tompo teo aloha, dia nangataka ny mpiangona i Joseph sy i Oliver mba hanohana azy ireo ho mpitarika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ary haneho raha toa ka mety ho azy ireo ny hiorina ho fiangonana. Nanaiky avokoa ny olona tsirairay tamin’ny mpiangona, ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’i Oliver i Joseph ka nanokana azy ho loholon’ny fiangonana. Dia nifanolo toerana izy ireo avy teo, ary nanokana an’i Joseph i Oliver.

Taorian’izany izy ireo dia nanamasina ny mofo sy ny divain’ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Kristy. Avy teo izy ireo dia nametraka ny tanan’izy ireo teo amin’ireo izay nataony batisa, ka nandray azy ireo ho mpikamban’ny fiangonana ary nanolotra azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina.22 Nirotsaka be dia be tamin’ireo izay tao amin’io fivoriana io ny Fanahin’ny Tompo, ary nanomboka naminany ny sasany tamin’ireo mpiangona. Nidera ny Tompo ny sasany, ary niara-paly ny rehetra.

Nandray ny fanambarana voalohany ho an’ny fiangonana vaovao manontolo ihany koa i Joseph. “Indro, hisy rakitsoratra hotanana eo anivonareo,” hoy ny Tompo nandidy, nampahatsiahy ny vahoakany fa tokony hanoratra ny tantara masiny izy ireo, hanokana tantara iray momba ny asany sy vavolombelon’ny anjara asan’i Joseph tamin’ny naha-mpaminany, mpahita ary mpanambara azy.

“Izy no notaomiko tamin’ ny fanahiko mba hampandroso ny foto-kevitr’ i Ziona amin’ ny hery lehibe ho amin’ ny tsara,” hoy ny nambaran’ny Tompo. “Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra. “Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo.”23


Taty aoriana dia nijoro teo akaikin’ny ony iray i Joseph ary nanatri-maso ny batisan’ny reniny sy ny rainy mba ho lasa mpikamban’ny fiangonana. Taorian’ny taona maro nandehanan’izy ireo tamin’ny lalana samy hafa tamin’ny fizahan’izy ireo ny fahamarinana, dia tafaray tao amin’ny finoana ihany izy ireo nony farany. Rehefa nivoaka avy tao amin’ny rano ny rainy, dia noraisin’i Joseph tamin’ny tanany izy, ka nampiany hankeo amin’ny sisin-drano, ary nofihininy.

“Andriamanitro ô,” hoy izy nihiaka, nitampify teo an-tratran-drainy, “niaina aho mba hahita ny raiko natao batisa tao amin’ny fiangonana marin’i Jesoa Kristy!”24

Tamin’io hariva io dia nitsofoka tao amin’ny ala teo akaiky teo i Joseph, ny fony heniky ny fihetseham-po. Naniry ny ho irery izy, tsy ho tazan’ireo namany sy ny fianakaviany. Tao anatin’ny folo taona taorian’ny Fahitana Voalohany, dia nahita ny lanitra nisokatra izy, nahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra, ary nampianarin’ny anjely. Nanota ihany koa izy ary namery ny fanomezam-pahasoavana nananany, ka nahafahany nibebaka, sy nandray ny famindram-pon’ Andriamanitra, ary nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny heriny sy ny fahasoavany.

Ankehitriny dia naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fiangonany ary nanome lalana an’i Joseph Izy niaraka tamin’ilay fisoronana izay nohazonin’ireo apôstôly taloha ihany rehefa nitondra ny filazantsara tamin’izao tontolo izao izy ireo.25 Lehibe loatra ho azy ny hafaliana tsapany ka tsy tanany, ary rehefa nahita azy i Joseph Knight sy i Oliver taty aoriana tamin’io alina io, dia teo ampitomaniana izy.

Feno ny fifaliany. Nanomboka ilay asa.26

Fanamarihana

  1. Copyright for Book of Mormon, 11 jona 1829, ao amin’ny JSP, D1:76–81.

  2. “Prospect of Peace with Utah,” Albany Evening Journal, 19 mey 1858, [2]; “From the Troy Times,” Albany Evening Journal, 21 mey 1858, [2]; John H. Gilbert, Memorandum, 8 sept. 1892, tahadika, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 (Revelation, circa Summer 1829, ao amin’ny josephsmithpapers.org); jereo ihany koa ny Historical Introduction to Revelation, circa Summer 1829 [FF 19], ao amin’ny JSP, D1:85–89; sy ny Knight, Reminiscences, 6–7.

  4. McBride, “Contributions of Martin Harris,” 1–9; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 34, ao amin’ny JSP, H1:352 (andran-tsoratra 2).

  5. John H. Gilbert, Statement, 23 ôkt. 1887, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; Indenture, Martin Harris to Egbert B. Grandin, Wayne County, NY, 25 aog. 1829, Wayne County, NY, Mortgage Records, boky 3, 325–26, microfilm 479,556, Fanangonana rakitsoratra ho an’i Etazonia sy Kanada, Tranomboky momba ny tantaran’ny fianakaviana; Historical Introduction to Revelation, circa Summer 1829 [DC 19], ao amin’ny JSP, D1:85–89.

  6. Copyright for Book of Mormon, 11 jona 1829, ao amin’ny JSP, D1:76–81; John H. Gilbert, Memorandum, 8 sept. 1892, tahadika, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; Porter, “The Book of Mormon,” 53–54.

  7. John H. Gilbert, Memorandum, 8 sept. 1892, tahadika, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 9, [8]; Joseph Smith to Oliver Cowdery, 22 ôkt. 1829, ao amin’ny JSP, D1:94–97.

  8. John H. Gilbert, Memorandum, 8 sept. 1892, tahadika, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 9, [2]; “Printer’s Manuscript of the Book of Mormon,” ao amin’ny JSP, R3, Tapany 1:xxvi. Lohahevitra: Printing and Publishing the Book of Mormon (Fanontana sy famoahana ny Bokin’i Môrmôna)

  9. Oliver Cowdery to Joseph Smith, 6 nôv. 1829, ao amin’ny JSP, D1:100–101; Môsià 3:18–19; 5:5–7; 4 Nefia 1:17; jereo ihany koa ny Oliver Cowdery to Joseph Smith, 28 des. 1829, ao amin’ny JSP, D1:101–4.

  10. Thomas B. Marsh, “History of Thomas Baldwin Marsh,” LDS Millennial Star, 4 jona 1864, 26:359–60; 11 jona 1864, 26:375–76.

  11. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 9, [9]. Raha hijery ireo ohatra amin’ireo ampahan-dahatsoratra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay navoakan’i Abner Cole, dia jereo ny “The Book of Mormon,” Reflector, 16 sept. 1829, 10; “Selected Items,” Reflector, 23 sept. 1829, 14; “The First Book of Nephi,” Reflector, 2 jan. 1830, 1; ary ny “The First Book of Nephi,” Reflector, 13 jan. 1830, 1. Lohahevitra: Critics of the Book of Mormon (Ireo mpanakiana ny Bokin’i Môrmôna)

  12. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 9, [9]–[12]; Lucy Mack Smith, History, 1845, 166–68.

  13. Chamberlin, Autobiography, 4–11.

  14. Copyright for Book of Mormon, 11 jona 1829, ao amin’ny JSP, D1:76–81; John H. Gilbert, Memorandum, 8 sept. 1892, tahadika, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; “Book of Mormon,” Wayne Sentinel, 26 mar. 1830, [3]. Ny boky sasany dia nofonosina hoditra ondry.

  15. Title Page of Book of Mormon, circa early June 1829, ao amin’ny JSP, D1:63–65; jereo ihany koa ny Lucy Mack Smith to Solomon Mack, 6 jan. 1831, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana.

  16. Testimony of Three Witnesses, Late June 1829, ao amin’ny JSP, D1:378–82; Testimony of Eight Witnesses, Late June 1829, ao amin’ny JSP, D1:385–87.

  17. Tucker, Origin, Rise, and Progress of Mormonism, 60–61.

  18. Jereo ny Lucy Mack Smith to Solomon Mack, 6 Jan. 1831, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana.

  19. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 1, ao amin’ny JSP, H1:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13 (Revelation, circa Aug. 1830, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:3, edisiona 1835, ao amin’ny josephsmithpapers.org); Oliver Cowdery to Phineas Young, 23 mar. 1846, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; “Joseph Smith Documents Dating through June 1831,” ao amin’ny JSP, D1:xxxvii–xxxix; jereo ihany koa ny Cannon and others, “Priesthood Restoration Documents,” 163–207. Lohahevitra: Restoration of the Melchizedek Priesthood (Famerenana ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny laoniny)

  20. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 27, ao amin’ny JSP, H1:326–28 (andran-tsoratra 2).

  21. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 37, ao amin’ny JSP, H1:364 (andran-tsoratra 2); Stevenson, Journal, 22 des. 1877; 2 jan. 1887; An Act to Provide for the Incorporation of Religious Societies (5 apr. 1813), Laws of the State of New-York (1813), 2:212–19. Lohahevitra: Founding Meeting of the Church of Christ (Ny fivoriana nanorenana ny Fiangonan’i Kristy)

  22. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 37–38, ao amin’ny JSP, H1:364–71 (draft 2).

  23. Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 37, ao amin’ny JSP, H1:366; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 (Fanambarana, 6 apr. 1830, ao amin’ny josephsmithpapers.org); “History of Joseph Smith,” Times and Seasons, 1 ôkt. 1842, 3:928–29.

  24. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 9, [12]; Knight, Reminiscences, 8; jereo ihany koa ny Bushman, Rough Stone Rolling, 110.

  25. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 38, ao amin’ny JSP, H1:372 (andran-tsoratra 2); Joseph Smith, “Latter Day Saints,” ao amin’ny Rupp, He Pasa Ekklesia, 404–5, ao amin’ny JSP, H1:506.

  26. Knight, Reminiscences, 7.