2025
Nahoana no manana Fiangonana ny Tompo?
Ho zatovo mahery! Ôktôbra 2025


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, ôktôbra 2025

Nahoana no manana Fiangonana ny Tompo?

zatovovavy

Ny tanjon’ny Fiangonan’i Kristy dia ny “hanome fahafahana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hanampy an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana”. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manampy mba “ho mendrika ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ny zanak’ [Andriamanitra], dia ny fisandratana na ny fiainana mandrakizay izany”.

“Ny Mpamonjy … dia nandidy [ny Fiangonana] mba hanatanteraka ireo tanjony, dia ny hitory ny filazantsarany, hanolotra ireo ôrdônansiny sy fanekempihavanany, ary hanao izay hahafahan’ny heriny manamarina sy manamasina antsika”.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mahazo ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fitahiany amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana, ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy, ny fitarihana avy amin’ny mpaminany, ny soratra masina, ary ny fiarahamonin’ny Olomasina.

Nodidina koa ny Fiangonana mba: “[hitsangana] ary [hamirapiratra] mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ireo firenena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5).

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia miezaka ny mba “hamirapiratra” amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara, ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara, ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay, ary ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izany.