2025
Izay tsy Andriamanitra
Ho zatovo mahery! Aogositra 2025


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, aogositra 2025

Izay tsy Andriamanitra

Fahamarinana 5 momba ny Raintsika any An-danitra

Afaka mianatra zavatra betsaka momba ny hoe iza Andriamanitra isika rehefa takatsika izay tsy Izy.

Hosodoko sy borosy fanaovana hosodoko

Sary nataon’i Camila Gray

Iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny hoe Andriamanitra dia nanambara indray ny Tenany sy ny toetrany amin’ny maha-Ray any An-danitra be fitiavana Azy. Saingy indraindray isika dia manana eritreritra na hevitra momba an’ Andriamanitra izay tsy marina tsotra izao. Rehefa mitranga izany dia afaka mianatra zavatra betsaka momba ny hoe Iza Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fahatakarantsika izay tsy Izy.

Andriamanitra dia tsy olona tsy fantatra mipetraka any amin’ny toeram-piandrianana lavitra dia lavitra any.

Raintsika Izy, mahafinaritra kokoa noho ilay raim-pianakaviana tsara indrindra eto an-tany izay azonao eritreretina. Na dia tsy mahatsiaro ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana niaraka Taminy aza isika dia mahafantatra antsika tsirairay sy tanteraka Izy. Manana vatana nofo sy taolana tonga lafatra Izy, ary araka ny endriny isika.

Raha sahirana ianao amin’ny fakana sary an-tsaina hoe manao ahoana Andriamanitra, dia misy ohatra tonga lafatra: i Jesoa Kristy Zanany Lahy. “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa” (Jaona 14:6–7). Raha lazaina amin’ny teny hafa, raha te hahafantatra isika hoe toy ny ahoana Ray any An-danitra dia afaka mianatra momba ny hoe toy ny ahoana moa i Jesoa Kristy! Iray tanjona tanteraka Izy Ireo.

Andriamanitra dia tsy olona sahirana loatra ka hoe tsy hanam-potoana ho anao.

Raha ny marina dia ny fanampiana anao hanana ny fiainana mandrakizay no asany sy ny voninahiny. Ianao no #1 ifantohany! Tsy voafetran’ny fotoana misy antsika Izy. Manatòna Azy amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny fotoana rehetra. Avy eo dia henoy ireo fomba maro hamaliany.

Andriamanitra dia tsy olona manery anao hanaraka Azy.

Nampianatra i Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray mandeha hoe: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga ireo zanany hisafidy hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany.” Hanasa anao sy hifampidinika aminao ary hampianatra anao ny fahamarinana Izy, saingy tsy hanaisotra ny fahafahanao misafidy Izy amin’ny alalan’ny fanerena anao hanaraka Azy.

Andriamanitra dia tsy olona miezaka ny hanatratra anao hanao zavatra tsy mety mba hahafahany manasazy anao.

Ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo kosa dia nametraka izany hoe: “Tsy mitsaha-mikatsaka anao Andriamanitra”, izay midika fa tsy hilavo lefona velively Izy mba hanampiana anao hiverina any Aminy. Fantany fa hiatrika zavatra sarotra tsotra izao isika rehetra rehefa manao fahadisoana. Noho izany dia manolotra fomba hanadiovana antsika amin’ny fahotana Izy ary hahazo hery amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Zanany Lahy.

Andriamanitra dia tsy olona miandry anao ho ”ampy” na ”tonga lafatra” izay vao ho tia anao.

Tsy manam-pahataperana ny fitiavany anao. Tiany ianao amin’izao fotoana izao, amin’ny tsy fahatanterahanao! Ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanome fanazavana mahery vaika momba io fahamarinana io: “-Tongava amin’ny maha-ianareo anareo-, hoy ny Ray be fitiavana amintsika tsirairay, kanefa nampiany hoe: -Aza [mikasa] ny hijanona amin’ny maha-ianareo anareo fotsiny-. Mitsiky isika sady mahatsiaro fa Andriamanitra dia vonona hanao izay hahatonga antsika ho mihoatra izay noeritreretintsika fa mety hahatongavantsika.” Omban’ny fitiavana sy famporisihana tonga lafatra, ny Ray any An-danitra dia miezaka manampy anao ho tonga tahaka Azy sy handray izay rehetra ananany, dingana iray isaky ny mandeha.

ILAY Andriamanitra

Ny fomba tsara indrindra hahafantarana ny Rainao any An-danitra dia ny fananana traikefa miaraka Aminy. Amin’ny fomba ahoana? Mianara momba Azy sy ny Zanany Lahy avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona. Mivavaha Aminy. Tandremo ny didiny. Mandania fotoana mangina sy an’ny tena manokana mitsaoka Azy any am-piangonana, any amin’ny tempoly, ary any amin’ny toerana masina hafa. Manao sy mitandrina ny fanekempihavanana Aminy. Hanampy anao Izy hahafantatra hoe iza Izy ary inona no zavatra tsapany momba anao.