2025
Ahoana no ahafahako mahafantatra fa tena nibebaka marina aho ary voavela heloka?
Ho Zatovo Mahery! Jona 2025


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, jona 2025

Ahoana no ahafahako mahafantatra fa tena nibebaka marina aho ary voavela heloka?

zatovovavy mivavaka

Coming Full Circle [Miverina amin’ny laoniny], nataon’i Jenedy Paige

Hoy ny Tompo: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.

“Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43).

Afaka mahazo famelan-keloka isika amin’ny alalan’ny fibebahana marina. “Rehefa mahatsapa fampiononana avy amin’ny Fanahy ianao dia afaka mahafantatra fa miasa eo amin’ny fiainanao ny hery manavotry ny Mpamonjy. Ary raha manao fahadisoana indray isika, dia afaka mibebaka indray sy ho voavela heloka ary miezaka hatrany.

Ankoatra izany dia nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Hiezaka hampino antsika i Satana fa tsy voavela ny helotsika satria afaka mahatsiaro azy ireny isika. Mpandainga i Satana. … Tsy nampanantena Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony isika. Hanampy antsika hiala amin’ny famerenana indray ilay fahadisoana ny fahatsiarovana. Kanefa halefahana miandalana eny ny fahatsiarovana ny fahotantsika raha toa ka mijanona ho marina sy mahatoky isika.”