2021
Safidy
Septambra 2021


“Safidy,” Ho zatovo mahery! sept. 2021, 12–14.

Safidy

Sary
amboadia

Sary avy amin’ny Getty Images

Taona maro lasa izay dia nizara ity tantara sarotra arahina ity ny iray amin’ ireo Manampahefana Ambonintsika:

Nisy Cherokee hendry iray, izay iray amin’ireo foko tompon-tany any Etazonia, nitantara fanoharana iray momba ny fiainana tamin’ny zafikeliny. “Misy ady mafy ifanaovan’ny amboadia anankiroa ato anatiko,” hoy ilay raibe mitantara. “Ny iray dia ratsy: feno fahatezerana sy fitsiriritana, fitseran-tena sy alahelo, fitiavan-karena sy lainga. Ny iray kosa dia tsara: feno hatsaram-panahy sy fangorahana, fanetrentena sy fahamarinana ary fitiavana sy hafaliana. Izany ady izany dia misy ao anatintsika tsirairay avy.”

“Iza amin’ireo ambodia ireo no handresy?” hoy ilay zafikely nanontany.

“Ilay iray izay fahananao,” hoy ilay raibe namaly am-pahendrena.1

Ity fanoharana momba ny amboadia anankiroa ity dia maneho fahamarinana mandrakizay. Nateraka mba hanao safidy eo amin’ny tsara sy ny ratsy ny zanak’Andriamanitra. Manampy antsika hanao safidy manan-danja sy marina ny fifanoherana. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika ity fahamarinana ity amin’ny fitenin’ny soratra masina: “Satria tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra.”2

Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia manome fanomezana anankiroa farafahakeliny hanampiana amin’ny fanaovana ireo safidy ireo: (1) Manome antsika ny Fanahy Masina Izy mba hitarika ireo safidy ataontsika, ary (2) manome antsika Mpamonjy iray Izy izay nanao Sorompanavotana mba hahafahantsika mibebaka ka hanaisorana ny vokatr’ireo safidy ratsy, rehefa namahana ilay amboadia ratsy izy ireo.

Sary
Jesoa Kristy

I. Fibebahana sy Fiaikena

Rehefa tafaresaka tamin’ireo zatovo aho dia iray amin’ireo lohahevitra anontanian’izy ireo matetika indrindra ny momba ny fibebahana. “Ahoana no ahafantaranao fa ampy ny fibebahana izay nataonao?” “Ahoana no ahafantaranao fa voavela marina ianao?” Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ilay mpikambana ao amin’ny Andriamanitra izay mitondra ny hafatra avy any an-danitra.

Ny fanomezana ny fibebahana dia nantsoina hoe “Ilay vaovao tsaran’ny filazantsara.”3 Mamela antsika hamafa ny vokatr’ireo safidy ratsy izay namoky ilay amboadia ratsy fanahy sy nampahalemy ny fahafahantsika mihaino ny fitaoman’ ny Fanahy Masina izany. Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny miaiky fa nanao ny tsy mety isika, mamela ny ratsy natao ary manapa-kevitra ny hampitodika ny fontsika amin’ Andriamanitra sy amin’ny fitandremantsika ireo didiny. Rehefa mibebaka isika dia miantso ny herin’ ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay mampitombo ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika Azy amin’ny maha Mpamonjintsika Azy.

Tsy voafetra amin’ireo fahotana goavana izay mila hanatonana an’ny eveka ihany no ilàna ny fibebahana. Ny fibebahana dia zavatra mila atao isan’andro. Ny ankamaroan’ny fibebahana dia mitaky ny fiaiken’ny tena manokana fa nanao ny tsy nety isika, vonona ny hiova ary miezaka manitsy ny zavatra natao amin’ireo nanaovantsika tsy mety. Raha ao amin’ilay fanoharana momba ireo amboadia anankiroa ny hoe fibebahana dia midika hoe manatsahatra mamahana ilay amboadia ratsy fanahy, na dia sakafo kely aza izany toy ny hoe rehefa misafidy ny ho tezitra na ho saro-piaro isika. Mila mibebaka (miova) ihany koa isika rehefa nisafidy ny handany ny fotoana nomen’Andriamanitra antsika amin’ireo zavatra maro izay tsy manampy antsika ny ho lasa tsara kokoa.

II. Mamantatra fahasamihafana manan-danja

Ny vokatra mahafinaritra avy amin’ny fibebahana dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fahamendrehantsika handray fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina, izay manampy antsika hanao safidy hendry sy mameno hafaliana antsika. Betsaka ihany koa ireo zatovo izay manontany tena hoe: “Ahoana no hahafantaraka raha tena avy amin’ny Tompo tokoa fa tsy izay tiako fotsiny ny fitaomam-panahy na valiny iray noraisiko?”

Mba hahafantarana raha toa ka hafatra avy amin’ny Fanahy Masina na fanirian’ny tena manokana ny fitaomam-panahy iray dia mila mampihatra fahamarinana anankitelo isika.

  1. Ao amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia manaraka ilay fampanantenana ny “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]* ilay fampanantenana nataontsika ny hitondra ny anarany eo amintsika sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny.4 Rehefa tsy mitandrina ireo fampanantenana ireo isika dia ho marefo ary hanafangaro ny loharano hipohiran’ireo fitaomam-panahy.

  2. Matetika ireo fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo dia voaraintsika mandritra ireo fotoana mangiana na eny antenantenan’ny fitsaohana, mandritra ny fandalinana ny soratra masina na vavaka na mandritra ny fanantanterahana ny antsontsika, fa tsy ao anatin’ny fanaovan-javatra am-pitiavan-tena na rehefa eo am-panaovana sahan’asan’izao tontolo izao.

  3. Farany dia mila mihaino tsara ireo torolalana voaraintsika hanovana ny fizotry ny lalana iray efa narahintsika isika. Ny fahatsapana fa tokony hiova lalana amin’ny zavatra iray dia azo itokisana kokoa noho ny fahatsapana fa tokony hanohy amin’ny lalana iray tiantsika harahina.

III. Ny tsara dia mitoetra ho tsara hatrany

Ry zandriko malala isany, mihalehibe ao amin’ny tontolo tena hafa amin’ny tontolo niainan’ireo ray aman-dreninareo sy ireo raybe sy renibenareo ianareo. Izany dia manome lanjany ny tokony hahatsiarovanareo fa ireo soatoavina sy ireo didy fahiny dia mbola manan-kery hatrany. Zanak’ Andriamanitra isika ary ireo didiny dia mitoetra ho zava-dehibe na mandeha sarety isika na mandeha sambondanitra, ary na mifandray am-peo na amin’ny alalan’ny sms.

Ny tsara dia mitoetra ho tsara hatrany ary ny ratsy dia mitoetra ho ratsy hatrany na inona na inona atao na lazain’ireo olo-malaza anaty sarimihetsika, na ireo olon’ny fahitalavitra na ireo mpanao fanatanjahan-tena malaza. Ireo fenitra ao amin’ny soratra masina sy ireo fampianaran’ireo mpaminany velona ary ireo sotoavina ao amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! dia mitoetra ho tari-dalana tsara indrindra hatrany ho amin’ny safidin’ny tenanao manokana mikasika ny fahadiovana ara-pitondrantena, ny fahasalamana ara-batana, ny fahamarinan-toetra, ny fiakanjo sy ny endrika ivelany ary ireo lohahevitra rehetra mifandraika amin’izany. Araho amim-pahatokiana ireny dia ho voatahy ianao. Ilay kiboky mitondra ny lohateny hoe Ho zatovo mahery! no tokony ho fenitrareo,” hoy ny FIloha Russell M. Nelson nampianatra antsika. Io no fenitra takian’ny Tompo mba hazonin’ny zatovo rehetra.”5

Nandritra ilay fampaherezam-panahy manerantany ho an’ny zatovo mahery vaiky nataony dia nampanantena ny mpaminanintsika fa:

“Raha toa manao tsy tapaka sy amim-kitsim-po ny asa ara-panahy ilaina mba hampitomboana ilay fahaiza-mianatra iankinan’ny fiainana sy ara-panahy ny fomba fihainoana ireo bitsiky ny Fanahy Masina ianao, dia hahazo ny fitarihana rehetra mety ilainao eo amin’ny fiainana. Homena ny valin’ireo fanontanianao ianao, amin’ny fomban’ny Tompo sy amin’ny fotoany.”6

Ampiarahiko amin’ny azy ny fampanantenako eto am-pijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika izay mahatanteraka ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny fampianarany sy ny Sorompanavotany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.