Namana
Isaia mpaminany
Desambra 2026


“Isaia mpaminany,” Namana, des. 2026, 46–47.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2026

Isaia mpaminany

Fanehoana an-tsary an’i Isaia mahita ny Tompo ao anatin’ny fahitana iray

Indray andro tao amin’ny tempoly dia niantso an’i Isaia ho mpaminany ny Tompo. Tian’i Isaia ny vahoaka ka dia nampianariny momba ny fiavian’i Jesoa Kristy izy ireo.

Fanehoana an-tsary an’i Isaia maminany momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy

Nianatra i Isaia fa ho avy i Jesoa Kristy indray andro any mba hamonjy ny olony amin’ny fahotana. Saingy tsy ny rehetra no hanaiky Azy ho Mpamonjy azy ireo. Nalahelo i Isaia satria fantany fa maro be ny olona izay tsy hino an’i Jesoa Kristy.

Sary maneho an’i Isaia manoratra momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Naminany momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany ihany koa i Isaia. Hiverina Izy indray andro any ary ho Mpanjakan’ny tany manontolo. Hotanterahiny ny drafitry ny Rainy amin’ny alalan’ny fitondrana hatsaram-panahy sy fiadanana mandrakizay. Nilaza Isaia fa ho fantatry ny olona rehetra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo.

Pejy holokoina

Teraka tao Betlehema i Jesoa Kristy

Pejy PDF holokoina maneho an’i Josefa nitarika boriky sy Maria mitaingina izany

Sary nataon’i Audrey Day. Azo adika raha toa ka ho an’ny Fiangonana ihany no ampiasana azy.

Ahoana no hankalazanao ny fahaterahan’ny Mpamonjy?