“Voaro ao anaty afo”, Namana, ôkt. 2026, 46–48.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, ôktôbra 2026
Voaro ao anaty afo
Nanamboatra sarivongana volamena goavana iray i Nebokadnezara Mpanjaka ary nanery ny vahoakany mba hivavaka amin’izany izy. Raha tsy nanaiky izy ireo dia hatao ao anaty lafaoro misy afo.
Nitia an’ Andriamanitra i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ary tsy hivavaka amin’ilay andriamani-dison’ny mpanjaka izy ireo.
Niteny tamin’ny mpanjaka ireo mpinamana telo ireo fa Andriamanitra irery ihany no hotompoin’izy ireo. Nino izy ireo fa afaka miaro azy ireo Andriamanitra. Fa na dia tsy hamonjy azy ireo aza Izy dia mbola hijoro foana amin’izay ninoany ihany izy ireo.
Tezitra ilay mpanjaka. Nasainy hatsipy tao anaty lafaoro misy afo ireo mpinamana. Kanefa rehefa nijery tao amin’ilay lafaoro ny mpanjaka dia gaga izy nahita olona avy any an-danitra tao anatin’ilay afo niaraka tamin’ireo lehilahy telo ireo.
Nantsoin’ny mpanjaka i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego dia nivoaka avy tao anatin’ny lafaoro izy ireo. Tsy nandratra azy ireo na nandoro akory ny fitafian’izy ireo ny afo.
Nankatò ny didin’ Andriamanitra i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego na dia notandindomin-doza aza ny ain’izy ireo. Nanampy ny mpanjaka hino an’ Andriamanitra ny ohatra nasehon’izy ireo.
Pejy holokoina
Nantsoina mba hilaza ny tenin’ny Tompo ny mpaminany.
Sary nataon’i Audrey Day. Azo adika raha toa ka ho an’ny Fiangonana ihany no ampiasana azy.
Ahoana no fomba anarahanao ny mpaminany?
© 2026 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, October 2026. Malagasy. 20061 654