Zatovo
Fanantenana ho an’i Isiraely


Fanantenana ho an’i Isiraely

Filoha Russell M. Nelson: Isaorana indrindra ny amboarampeon’ny seminera. Tena mahafinaritra ny fihiranareo an’ilay hira. Misaotra. Misaotra betsaka. Rehefa mijery ity Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana izay ahitana Olomasin’ny Andro Farany tsara tarehy ity aho dia mahatsapa fa azoko ihany ilay fianakaviana marobe nantenaiko ny farany. 22.000 ianareo anio alina, miampy ireo tanora an’alina maro izay miaraka amintsika amin’ny alalan’ny fampitana.

Heniky ny fifaliana tokoa izaho sy Rahavavy Nelson miaraka aminareo anio hariva. Tianay ny miaraka aminareo ry tanoran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary ireo mpampianatrareo sy ray aman-dreninareo.

Inay anie izahay afaka nihaino ny zavatra niainan’ny tsirairay avy aminareo teo am-piomanana amin’izao fivoriana maneran-tanintsika izao, raha namaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro sy nivavaka mba hahenoana ny zavatra izay tena irian’ny Tompo ampianarina anareo ianareo.

Mbola haveriko ihany ny fanehoana fankasitrahana an’ilay amboarampeon’ny seminera tamin’ny fihirana ny hira fanokafantsika tamim-pihetseham-po tokoa. Io hira io, ny “Misaotra Anao noho ny mpaminany,” ny tonon-kirany dia mampitodika ny fontsika amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Tena raiki-trosa aminy isika! Izy no ilay Mpaminan’izao fotoampitantanana farany izao! Alaivo sary an-tsaina anie! Nitovy taona taminareo izy raha nentanin’ny tenin’ny Apôstôly Jakoba manao hoe: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”1

Izany teny izany dia namporisika an’i Joseph zazalahy handeha hankany amin’ny alakely tsy lavitra teo izay toerana nanolorany an’ Andriamanitra ny fanirian’ny fony.

Nisokatra ny lanitra! Nahita ny Ray sy ny Zanaka i Joseph ary nianatra ho an’ny tenany manokana ny amin’izay tokony haleha mba hahazoana valim-panontaniana.

Izao aho dia miangavy ny tsirairay avy aminareo mba hanao tahaka ny nataon’i Joseph zatovolahy. Aborahy mivantana amin’ny Rainao any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ny fanontanianao. Angataho Izy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, mba hitarika anao. Afaka mianatra amin’ny tenanao ianao, amin’izao fotoana izao, amin’izao taonanao izao, ny fomba fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Ary tsy hisy zavatra hafa hitondra fiovana goavana kokoa amin’ny fiainanao mihoatra izany!

Mampanantena anao aho, tsy ilay olona mipetraka eo akaikinao fa ianao, na aiza na aiza misy anao eto amin’izao tontolo izao, na aiza na aiza misy anao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, na dia tsy tena ao anatin’ ilay lalana aza ianao amin’izao fotoana izao, mampanantena anao aho fa raha toa manao tsy tapaka sy amim-kitsim-po ny asa ara-panahy ilaina mba hampitomboana ilay fahaiza-mianatra iankinan’ny fiainana sy ara-panahy ny fomba fihainoana ireo bitsiky ny Fanahy Masina ianao, dia hahazo ny fitarihana rehetra mety ilainao eo amin’ny fiainana. Homena ny valin’ireo fanontanianao ianao, amin’ny fomban’ny Tompo sy amin’ny fotoany. Ary aza hadino ny torohevitry ny ray aman-dreninao sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Mikatsaka fanambarana ho anao ihany koa izy ireo.

Rehefa mahafantatra ianao fa tarihin’ Andriamanitra ny fiainanao, na dia eo aza ireo olana sy hakiviana mety ho tonga ary tena ho tonga tokoa, dia hahatsapa fifaliana sy fiadanana ianao.

Izao izahay dia maniry ny hiresaka aminareo momba ny fanamby lehibe indrindra sy ny tanjona lehibe indrindra ary ny asa lehibe indrindra eto an-tany. Dia te hanasa anao mba handray anjara amin’izany izahay!

Nangataka an-dRahavavy Wendy Nelson mba hanome sahan-kevitra manodidina izany hafatra manan-danja izany aho. Rahavavy Nelson.

Rahavavy Wendy W. Nelson : Ry anadahy sy rahavavy malala, izay tena tianay sy hanananay fanantenana tokoa, tiako ny hanomboka amin’ny filazana aminareo ny zavatra hitanay mivady indray andro raha nitondra fiara tsy mataho-dalana namakivaky ireo havoana ao Utah izahay.

Andro fararano nahafinaritra be tamin’izay. Tianay ny eo anivon’ny hazo miloko volamena sy mahatehotia, izay avo be sy mahitsy, miandrandra ny lanitra.

Sary
alakely

Avy eo izahay dia nandalo fihodinana iray ary nahita hazo iray izay nampahatsiahy ahy ny tenako, ary ny zavatra tsapako matetika mandritra ny toe-javatra maro.

Sary
vatankazo mivilambilana

Fantatrareo ve izany fahatsapana izany? Mijery manodidina ianao dia azo lazaina fa avo be sy mahitsy ary miandrandra lanitra avokoa ny rehetra.

Efa milamina avokoa ny zava-drehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manao akanjo tonga lafatra izy ireo, toa mahalaza ny zavatra tokony tenenina foana izy ireo, tsy manana olana, mankatò tanteraka; ary toa tsy mbola nanao fahadisoana mihitsy izy ireo tamin’ny fiainany.

Toa tsy izaho sy ianao mihitsy izany e!

Ry anadahy sy rahavavy malalako, izao no fotoana hanajanonana ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa. Izao no fotoana hialana amin’ireny fomba diso hijerentsika ny tenantsika sy ny hafa ireny. Ny marina dia tsy hoe fadiranovana tanteraka araka ny eritreretintsika isika, ary ny hafa dia tsy hoe tonga lafatra araka ny mety ahitantsika azy ireo—ankoatra an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika mazava ho azy.

Ny hany zavatra tena manan-danja dia izaho sy ianao tena manao ny zavatra nanolorantsika tena, izay nanaovantsika fanekempihavanana mihitsy aza, tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tamin’ny Raintsika any An-danitra fa hoataontsika raha mbola eto ambonin’ny tany isika.

Koa anontaniako fanontaniana ianareo: Teraka mba hanao inona ianareo

Mba tiako ery raha mba afaka nijery horonan-tsary maharitra 10 minitra amin’ny YouTube momba ny fiainanareo talohan’ny nahaterahana ianareo.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa raha afaka nahita ny ao an-danitra nandritra ny dimy minitra ianao dia hahafantatra kokoa momba ny lohahevitra iray mihoatra noho ny fandalinanao azy mandritra ny fiainanao manontolo.2 Koa alaivo sary an-tsaina anie raha afaka mahita mandritra ny 10 minitra ny fiainanao talohan’ny nahaterahana ianao e!

Mazava ho azy, hitantsika fa tao amin’ny fahendreny ny Tompo dia nanisy voaly fanadinoana tamin’ireo fahatsiarovana ireo. Saingy alaivo sary an-tsaina vetivety anie ny vokatra hiseho eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana raha toa navela hijery 10 minitra amin’ny fiainanao talohan’ny nahaterahana ianao.

Mino aho fa raha afaka mahita ny tenanao miaina miaraka amin’ny Ray aman-dreninao any An-danitra sy miaraka amin’i Jesoa Kristy ianao; raha afaka mandinika ny zavatra nataonao talohan’ny nahaterahana ianao ka mahita ny tenanao manao fanoloran-tena, na fanekempihavanana mihitsy, niaraka tamin’ny hafa, tafiditra amin’izany ireo mpitarika sy mpampianatra anao, raha afaka mahita ny tenanao mamaly amin-kerim-po ny fanafihana ny fahamarinana ianao ary mahita ny tenanao mijoro amin’ny risim-po ho an’i Jesoa Kristy, dia mino aho fa ny tsirairay avy aminareo dia hanana ny hery, sy ny fanoloran-tena, ary ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay tsy mitsaha-mitombo hanampiana anao handresy izay fisafotofotoana, ahiahy, fahasahiranana, ary olana tsirairay na rehetra anananao. Izy rehetra mihitsy!

Mino aho fa raha afaka nahatsiaro ianao hoe iza no ho ampianao ety an-tany, na ireo zavatra mangirifiry nekenao fa ho zakainao, na inona na inona toe-javatra tena sarotra misy anao ankehitriny, na hitranga aminao, dia hilaza ianao hoe: “Ô! Tsaroako amin’izay. Azoko amin’izay. Mazava amiko amin’izay izao fotoana sarotra izao ankehitriny. Rehefa ampian’ny Tompo aho dia hilamina io!”

Izao dia misy zavatra iray hafa ity izay hanasako anareo mba hoeritreretina. Tiako ny maka sary an-tsaina fa ny tsirairay avy amintsika dia tonga teto an-tany miaraka amin’ny takelaka mifono hafatra mifatotra amin’ny fanahintsika manao hoe: “Zavatra tokony atao ety an-tany.”

Ndeha isika hiresaka ny mety ho voasoratra ao amin’izany takelaka izany. Ndeha isika hiresaka momba ny zavatra dimy izay azo antoka fa voasoratra ao amin’ny takelakareo araka ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.

Voalohany, tonga mba handray vatana mety maty ianareo. Ary izany ry namako isany dia tena zava-dehibe mihitsy.

Faharoa, tonga mba hozahana toetra ianareo.

Mba efa tsikaritrareo moa fa matetika ny fizahana toetra antsika dia misy hidirany amin’ny fianarana mifehy ireo filàna sy fanirian’ny vatantsika, izay mety ho tsy voafehy mihitsy indraindray? Raha toa ianao amin’ny izao fotoana izao miady mafy amin’ny voka-dratsy avy tamin’izay mety ho fiankinan-doha, na fahotana goavana tsy nibebahana, dia manainga anao mafy aho hanamaivana ny enta-mavesatrao amin’ny firesahana amin’ny evekanao anio. Mihazona fanalahidin’ny fisoronana izay afaka manampy anao izy.

Ary ny zavatra fahatelo mila atao ety ambonin’ny tany: misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ary mijoro ho azy, tahaka ny nataonao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Fahefatra, safidio ny mba hibebaka isan’andro sy handray ny fanasan’ny Fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Rehefa manao izany ianareo dia ho sitrana sy nampatanjahana ary homen-danja ara-panahy, ary amin’ny farany dia hamasinina sy hasandratra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Inty misy zavatra fahadimy ataonao ao amin’ilay lisitra: mamantatra sy manatanteraka ny iraka nampandraiketina anao ety an-tany. Ry namana tanora malalako isany, izaho sy ianao talohan’ny nahaterahana dia samy nomena iraka mahafinaritra avy izay hotanterahina raha mbola ety an-tany.

Manana fahafahana maro hanatanteraka ireo iraka natao hosahanintsika ety an-tany isika, saingy tsy voatery hanao izany isika. Tsy misy afaka manery antsika hanao izany. Manana fahafahana misafidy isika hisafidy ny fomba handaniantsika ny fotoantsika sy ny herintsika, ny talentantsika sy ireo loharanom-pananantsika. Raha ny marina dia tafiditra amin’ny fitsapana antsika ny zavatra safidiantsika atao.

Antsika sy ianao ny safidy. Hisafidy ny hanao izay rehetra takiana mba hanatanteraka ny iraka mahafinaritra izay nandefasana antsika ety an-tany ve isika?

Eo am-pieritreretanareo an’izay fanontaniana izay dia ndeha isika hanohy ary hiresaka momba ny hoe nahoana ianareo no ety an-tany, amin’izao fotoana izao manokana izay fotoana miavaka tokoa amin’ny tantaran’ny tany.

Nahoana ianao no eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao?

Fa nahoana ianao no tsy teraka tany amin’ny 1880 tany ho any? na afaka 30 taona?

Mamelà ahy hitantara aminareo ny zavatra niainako izay nampianatra ahy mivantana momba ny fotoana manan-tantara iainantsika.

Matetika isika miresaka momba ny hoe miaina amin’ny andro farany. Raha ny marina isika dia Olomasin’ny Andro Farany. Saingy angamba izao andro izao dia tena amin’ny “farany” kokoa mihoatra noho izay neritreretintsika.

Lasa zavatra tena izy tamiko izany fahamarinana izany noho ny zavatra niainako naharitra 24 ora izay nanomboka tamin’ny 15 jona 2013. Tany Moscou, Rosia izaho sy ny vadiko.

Raha nihaona tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny Filoha Nelson dia nanana fahafahana nihaonana tamin’ireo rahavavintsika efa ho 100 isa aho. Tiako ireo rahavavy Rosiana. Tena mahavariana izy ireo!

Rehefa nandroso teo amin’ny lampihazo aho mba hiresaka dia lasa tafateny zavatra izay tsy nampoiziko mihitsy. Hoy aho tamin’ireo vehivavy hoe: “Tiako ny hahafantatra anareo araka ny firazanana misy anareo. Mitsangàna azafady rehefa voalaza ny foko ao Isiraely izay maneho ny firazanana voalaza ao amin’ny tsodranon’ny patriarikanao.”

“Benjamina?” Nisy vehivavy vitsivitsy nitsangana.

“Dana?” Nisy vitsivitsy nitsangana ihany koa.

“Robena?” Nisy vitsivitsy nitsangana ihany koa.

“Naftaly?” Nisy nitsangana ihany koa.

Rehefa voatonona ny anaran’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely, nanomboka tamin’i Asera ka hatramin’i Zebolona, teo am-pijoroan’ireo vehivavy, dia samy variana avokoa izahay rehetra ny amin’ny zavatra izay natrehanay maso sy ny zavatra tsapanay ary ny zavatra nianaranay.

Firy amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely araka ny eritreritrareo no nahitana solontena tao amin’io fivoriana vehivavy latsaky ny 100 tamin’ny andro sabotsy tany Moscou io?

Iraika ambin’ny folo! Iraika ambin’ny folo avy amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely no nisy solontena tao amin’io efitra fivoriana io! Ny hany foko tsy tao dia ny an’i Levy. Tena gaga aho. Fotoana iray nampihetsi-po ara-panahy izany tamiko.

Rehefa tapitra ireo fivoriana tany dia nandeha fiaramanidina avy hatrany nankany Yerevan, Arménie izaho sy ny vadiko. Ny olona voalohany nihaona taminay raha nivoaka ny fiaramanidina izahay dia ny filohan’ny misiôna sy ny vadiny. Tsy fantatra hoe tamin’ny fomba ahoana fa nahare momba ny zava-nitranga tany Moscou izy, ka tao anatin’ny fahafinaretana lehibe izy dia niteny hoe: “Misy Levy aty!”

Alaivo sary an-tsaina ny fibitabitahanay rehefa nihaona tamin’ny misiôneran’izy ireo izaho sy ny vadiko ny ampitson’iny, tafiditra tamin’izany ny elder iray avy amin’ny fokon’i Levy izay avy any Gilbert, Arizona.

Izao, fony aho zazavavikely nanatrika Kilonga tany Raymond, Alberta, Kanadà, dia nianatra aho fa amin’ny andro farany, mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany, dia hangonina ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely. Izany fahamarinana izany dia nampientanentana ahy tokoa nefa koa tena sarotsarotra tamiko ny nahatakatra azy. Koa alaivo sary an-tsaina ary hoe toy ny ahoana izany niaraka tamin’ny mpikambana avy amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely tao anatin’ny 24 ora izany tamiko.

Nianatra aho nanomboka tamin’izay fa mety tsy tokony ho nangatahako ireo rahavavy ireo hampahafantatra ny tenany araka ny firazanany satria masina ny tsodranon’ny patriarika ary ny firazanana voalaza ao anatin’izy ireny dia ho an’ny tena manokana. Kanefa dia tena mankasitraka aho noho ny tombontsoa nahafahako nahita mivantana ny vokatry ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fiantraikan’izay traikefa izay dia tsy nilefy mihitsy tao am-poko sy tao an-tsaiko.

Ry ranadahy sy rahavaviko malala, izao tokoa no andro farany! Tsy mbola nisy fotoana tahaka izao tamin’ny tantaran’ity izao tontolo izao ity. Tsy mbola nisy mihitsy! Talohan’ny nahaterahana izaho sy ianao dia nampandraiketina asa lehibe izay hotanterahina raha mbola ety an-tany. Miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia ho vitantsika izany!” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Filoha Nelson: Misaotra ry Wendy. Tiako ianao! Tena mahafinaritra be izy e?

Ry rahalahy sy ranabavy tanora malalako isany, izao tokoa no andro farany, ary ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao. Afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara!

Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, ao amin’ny lafin’ny voaly anankiroa, dia mendrika ny hahare ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manapa-kevitra manokana izy ireo raha toa te hahafantatra misimisy kokoa.

Ireo izay manana firazanana avy amin’ireo fokon’i Isiraely samihafa dia ireo izay inoana fa hitodika amin’ny Tompo ny fony. Hoy Izy hoe: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.”3 Ho mora amin’ireo izay avy amin’ny fianakaviamben’i Isiraely ny hamantatra fa i Jesoa Kristy Tompo no Mpamonjy ary hanapa-kevitra ny hangonina ao amin’ny valan’ondrin’i Jesoa Kristy. Haniry ho lasa mpikamban’ny Fiangonany izy ireo, ny hanao fanekempihavanana Aminy sy amin’ny Ray any An-danitra, ary ny handray ireo ôrdônansy ilain’izy ireo.

Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa izao, izany hoe izao andro iainantsika izao, no ora fahiraika ambin’ny folo ary fotoana farany hiantsoany mpiasa ho ao amin’ny tanimboalobony mba hanangona ireo voafidy avy amin’ny vazan-tany efatra.4

Ny fanontaniako ho anareo rehetra izay eo anelanelan’ny 12 sy 18 taona dia izao: Tianao ve ny handray anjara amin’ilay fanamby lehibe indrindrailay tanjona lehibe indrindra ary ilay asalehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao?

Tianao ve ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely mandritra izao andro sarobidy farany izao? Vonona ve ianareo olom-boafidy, hanampy amin’ny fikarohana ireo olom-boafidy izay tsy nahare ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny? Tianareo ve ny ho anisan’ireo “iraka faingam-pandeha” izay nolazain’ny mpaminany Isaia?5

Izao, ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely dia hitaky fahafoizan-tena vitsivitsy avy aminareo. Mety hitaky fanovana vitsivitsy eo amin’ny fiainanareo mihitsy aza. Ary tena hitaky ny ampahan’ny fotoanareo sy ny herinareo ary ny talenta nomen’ Andriamanitra anareo mihitsy aza. Mbola liana foana ve ianareo?

Eritrereto fotsiny anie ny fihentanentanana sy ny lanjan’ny fanangonana an’i Isiraely: ny mpaminany tsirairay avy nanomboka tamin’i Adama dia nahita ny androntsika. Ary ny mpaminany tsirairay avy dia niresaka momba ny androntsika rehefa hangonina Isiraely ary homanina amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany izao tontolo izao. Eritrereto anie e! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombotsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany!

Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo—dia ianareo!

Mijoro ho vavolombelona aho fa izao no mitranga ilay fanangonana, ary tena misy ilay izy. Tamin’ny taona nahateraka ahy dia latsaky ny 600,000 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana manontolo, ary tsy nisy mpikambana tany Amerika Atsimo. Ankehitriny dia mihoatra ny 16 tapitrisa ny mpikambana maneran-tany, ary saika ho 3 tapitrisa ny isan’ny mpikambana ao Amerika Atsimo.

Mamelà ahy ianareo hilaza momba ny zavatra iray niainako tamin’ny 1979. Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany aho tamin’izay. Voasa aho hanatrika fivoriana iray an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nandraisan’ny Filoha Spencer W. Kimball fitenenana. Nangataka anay izy hivavaka mba hisokafan’ireo varavaran’ny firenena mba hahafahana mitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny vahoaka rehetra eto an-tany. Notononiny manokana i Chine dia nangataka izy ny mba hivavahanay ho an’ny vahokan’i Chine. Nilaza koa izy hoe: “Tokony hanompo ny vahoaka Sinoa isika. Tokony hianatra ny fitenin’izy ireo isika. Tokony hivavaka ho azy ireo sy hanampy azy ireo isika.”

Niverina tany amin’i Dantzel vadiko (izay nodimandry 13 taona lasa izay) aho, ary nilaza taminy hoe: “Nangataka anay ny Filoha Kimball tamin’ilay fivoriana mba hianatra ny fiteny Sinoa! Ary tsy naheno azy nilaza aho hoe: -Ny rehetra afa-tsy Rahalahy Nelson ihany!- Koa, vonona ny hianatra ny Chinois Mandarin miaraka amiko ve ianao?” Mazava ho azy fa nanaiky izy, dia lasa nianatra Mandarin izahay.

Enina herinandro taorian’ilay andraikitra nampanaovin’ny Filoha Kimball dia nanatrika ny fivoriana fanao isan-taonan’ny American Association for Thoracic Surgery (Fikambanana Amerikanina momba ny fandidiana ny ao amin’ny tratra) aho. Natao tany Boston, Massachusetts izany. Ny marainan’io andro io aho dia nivavaka tao amin’ny efitry ny hôtely nivahinianako ho an’ny vahoaka ao Chine, tahaka ny nangatahan’ny Filoha Kimball. Nandeha nanatrika ny fivoriana voalohany tamin’io andro io aho ary nipetraka tamin’ny toerana fipetrahako mahazatra rehefa manatrika ireny fihaonana arak’asa ireny, teny aloha izany. Rehefa nandroso tsikelikely anefa ilay fivoriana dia lasa niha tsy nahazo aina aho nipetraka teo amin’ny sezako. Rehefa nahena ny fahazavan’ny jiro noho ny famelabelarana tamin’ny efijery natao dia niala tsy nipetraka tamin’ilay seza intsony aho namonjy tsimoramora tany aoriana—toerana izay tsy fipetrahako mihitsy raha ny tokony ho izy. Rehefa narehitra indray ny jiro dia hitako fa nipetraka teo akaikin’ny mpitsabo Sinoa iray aho. Nampahafantatra ny tenany ho ny Profesora Wu Ying-Kai avy any Pékin, Chine izy!

Rehefa avy niresadresaka izahay, dia nomeko fanasana izy hitsidika an’i Salt Lake City ary hitondra lesona ao amin’ny University of Utah Medical School (Sekoly ara-pitsaboana ao amin’ny Oniversiten’i Utah). Nanaiky tamim-pifaliana izy ary tena niavaka mihitsy ny fahatsaran’ny lesona noentina. Dia niverina tany Chine izy avy eo.

Fotoana tsy ela taorian’izay, dia nanasa ahy mba ho profesora mpitsabo mpandidy hitsidika ny Oniversite ara-pitsaboan’i Shandong ao Jinan, Chine izy. Izany dia nitarika tamin’ny fanasana hafa ho ahy mba ho profesora mpitsidika tany amina oniversite anankiroa hafa tao Chine.

Ireo traikefa ara-kasa mahafinaritra anankiroa ireo, izay nitranga talohan’ny niantsoana ahy ho ao amin’ny Roambinifololahy, dia nitarika tamin’ny fangatahan’ireo mpitsabo mpandidy ahy hanatanteraka fandidiana fo sokafana mba hamonjena ny ain’ilay mpihira opera malaza indrindra tao Chine. Nataoko izany, ary feno fankasitrahana aho fa nahomby ilay fandidiana. Izay ihany koa no fandidiana farany indrindra tamin’ny fiainako arak’asa.

Saika ho nandritra ny 40 taona izao aho no efa nivavaka ho an’ny vahoaka ao Chine. Mifaly aho noho ny fifandraisako amin’ireo mpitsabo toa ahy sy ireo namana hafa ao Chine. Endrey ny fifaliako izao noho ny nanendrena ahy tamin’ny fomba ôfisialy ho “sakaizan’i Chine hatry ny ela.”

Ny fijoroako ho vavolombelona dia ny hoe rehefa manaraka izay rehetra angatahan’ny mpaminanin’ Andriamanitra antsika isika dia hisokatra ny lalana ary betsaka ny fiainan’olona hiova noho izany.

Izao dia manantena aho fa hanontany tena ianareo hoe: “Amin’ny maha-zatovo ahy dia inona no azoko atao mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely?” Izany fanontaniana izany mihitsy, ary fanontaniana vitsy hafa ihany koa, no napetrakay sy Rahavavy Nelson tamina andiana zatovo 12 ka hatramin’ny 18 taona, izay manatrika etoana ny ankamaroan’izy ireo.

Nanontany aloha izahay hoe: “Inona no atao hoe fanangonana an’ Isiraely?? Dia midika inona aminao izany?” Samihafa ny valintenin’izy ireo, saingy ny ankamaroany dia nilaza fa tsy azon’izy ireo antoka hoe inona tokoa moa ilay izy. Anio hariva dia te hampahafantatra anareo izahay fa ny tena dikan’ny fanangonana an’ Isiraely dia ny fanolorana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny lafin’ny voaly roa izay mbola tsy nahavita ireo fanekempihavanana manan-danja amin’ Andriamanitra na nandray ireo ôrdônansy manan-danja ho an’ny tenany.

Ny zanak’ Andriamanitra tsirairay avy dia mendrika ilay fahafahana hisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, ny hanaraka sy handray ny filazantsarany miaraka amin’ireo fitahiana rehetra ao anatiny—eny, ireo fitahiana rehetra izay nampanantenain’ Andriamanitra amin’ireo taranak’i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, izay, araka ny efa fantatrao, dia fantatra amin’ny hoe Isiraely ihany koa.

Ry zatovo mahavariana malalako, nalefa tety an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao, mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely! Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy.

Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany.

Koa ny fanontaniako ho anareo dia ny hoe: “Vonona ny hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo izay hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ve ianareo?” Mba anie diniho izany e. Aza mbola valiana aloha.

Ndeha hijery ireo fanontaniana hafa izay napetrakay sy Rahavavy Nelson tamin’ireo tanorantsika. Nanontany izahay hoe: “Raha toa ny mpaminany manasa ny olona 12 ka hatramin’ny 18 taona rehetra ato amin’ny Fiangonana mba hitondra anjara biriky amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely, dia vonona ny hanao inona noho ny amin’izany ianao?”

Ireo zatovo dia namaly tamin’ny teny manentana ny fanahy hoe: “Raha toa ny mpaminany manasa anay mba hitondra anjara biriky amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely, dia handray anjara tanteraka amin’izany aho. Ny anankiray hafa dia nilaza hoe: “Hajanoko avokoa izay mety ho ataoko rehetra dia hanampy aho!” Ny anankiray hafa: “Handeha aho ary hanao izay rehetra angatahany amiko, satria ny mpaminany dia mpitory avy amin’ Andriamanitra.”.”

Tafiditra tao anatin’ny valintenin’izy ireo koa izao: “Vonona ny hanao asan’ny [tantaram-pianakaviana bebe kokoa aho. Hisokatra amin’ny hafa kokoa aho ary hanao ezaka misimisy kokoa hiresahana amin’ny hafa momba ny filazantsara. Ho ohatra tsara aho amin’ny fanehoana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Hanao batisa ho an’ny maty bebe kokoa aho; hanova lafin-javatra amin’ny fomba fiainako ary ireo safidy ataoko, handeha amin’izay mety ho toerana ilany haleako, hianatra fiteny vaovao, hihaona amin’ny olona vaovao; hampindrana ny tahadikan’ny Bokin’ny Môrmônako amin’ireo izay mbola tsy namaky izany mihitsy. Ary tena ho tsara fanahy indrindra aho.”

Nanontanianay ihany koa ireo zatovo ireo hoe vonona ny hanao fahafoizana inona izy ireo mba hahafahany manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Mbola nitondra hafaliana izaitsizy ho anay ihany ireo zatovo ireo. Namaly izy ireo hoe: “Tsy dia handany fotoana be loatra amin’ny fanatanjahan-tena aho mba hahafahako manampy olona iray mila ny fahamarinana. Ho foiko ny fipetrapetrahana miaraka amin’ny namana ary hanasa azy ireo aho, ho solon’izany, mba handeha any amin’ny tempoly. Hahenako tanteraka ny fotoana laniko eo amin’ny telefaoniko. Hamelako kely ny fotoana sasany laniko eo amin’ny efijery. Ho vonona ny hahafoy ireo fotoana fatorizana amin’ny alahady tolakandro [mihitsy] aza aho!”

Nanontany izahay hoe: “Raha toa ianao maniry ny hitondra anjara biriky amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely, dia inona no zavatra mila hatombokao na hatsahatrao?” Namaly izy ireo tamin’ny valim-panontaniana toy ny hoe: “Handalina soratra masina bebe kokoa aho, amim-kitsim-po kokoa, mba hahafahako mamaly ireo fanontaniana izay mety hapetraky ny olona. Hahenako ny fotoana laniko amin’ny tambazotra ifaneraserana, hanolo-tena kokoa aho amin’ny fanaovana zavatra tsotra ao anatin’ny asa fitorian’ny mpikambana ny filazantsara, tafiditra amin’izany ny asa fanompoana isan’andro. Hahenako ny fotoana laniko amin’ny findaiko, ary, rehefa mampiasa ny findaiko aho, dia hizara soratra masina na hafatra ara-panahy hafa amin’ny tambazotra ifaneraserana. Handalina ireo lahateny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aho satria izy ireny dia tena manan-danja mihitsy. Hihinana sakafo mahasalama aho mba hahafahako mijanona ho salama hatrany. Tsy hieritreritra intsony aho hoe izaho no manan-danja indrindra.” Misaotra anareo ry rahalahy sy ranabavy, ny amin’ny valinteny nomenareo ny fanontanianay.

Eritrereto izao ry rahalahy sy ranabavy tanora malalako isany, amin’izao fotoana izao aho dia miomana ho amin’ilay andro izay hitakiana amiko ny hanomezana tatitra amin’ny Mpaminany Joseph Smith, amin’ny Filoha Brigham Young, sy ny hafa ihany koa, ary amin’ny Tompo amin’ny farany, momba ny fitantanako amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra ahy eto an-tany ankehitriny. Tsy tiako ny hanontaniana hoe: “Ry Rahalahy Nelson, nahoana ianao no tsy nivantana kokoa tamin’ny tanora momba ny anjaran’izy ireo amin’ny fanangonana an’i Isiraely? Nahoana ianao no tsy hentitra kokoa tamin’ny fanasana azy ireo mba handray anjara?”

Koa izao aho dia manasa ny zatovovavy tsirairayavy sy ny zatovolahy tsirairay avy eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 18 taona ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hirotsaka ao amin’ilay tafiky ny tanoran’ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Inona no hanampy anao? Rehefa manohy mamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hianatra momba ny fotopampianaran’ny fanangonana,6 ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany ary ny fahafenoan’ny filazantsarany izay tsy hita ao amin’ny Baiboly. Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ny fanangonana an’i Isiraely.7 Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina.

Ary izao aho dia manasa anareo hanomana ny tenanareo amin’ny fanaovana zavatra dimy fanampiny, zavatra dimy izay hanova anareo ary hanampy anareo hanova izao tontolo izao:

Voalohany, hahenao ny fiankinanareo tsy tapaka amin’ny tambazotra ifaneraserana, mba hahafahana mampihena ny fiantraikany eo aminareo.

Mamelà ahy hiresaka aminareo momba ny zatovolahy iray mitovy taona aminareo, ny zafikelin’ny namako malala iray. Malaza izy any am-pianarana eo anivon’ireo namana ary mpitarika ao amin’ny lycée misy azy. Vao tsy ela akory, ny ray aman-dreniny dia nahatratra zavatra tao amin’ny findainy izay tsy mendrika ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Nanizingizina izy ireo fa nila niala tamin’ny tambazotra ifaneraserana nandritra ny fotoana voafetra aloha izy. Nosoloin’izy ireo tamin’ireny telefaonina azo aforitra ireny ny findainy, ka dia nikoropaka izy. Ahoana no fomba hifandraisany amin’ireo namany?

Tamin’ny voalohany izy dia tezitra tamin’ny ray aman-dreniny, saingy taorian’ny andro vitsivitsy monja, dia nisaotra azy ireo izy noho ny nanesoran’izy ireo ny findainy taminy. Hoy izy: “Sambany aho izao vao mahatsiaro ho afaka hatramin’izay fotoana ela izay.” Ankehitriny izy dia miantso ireo namany amin’ny alalan’ilay telefaonina afaka miforitra mba hifandraisana amin’izy ireo. Tena miresaka mivantana amin’izy ireo izy fa tsy hoe mandefa SMS foana!

Inona ihany koa ireo fiovana hafa niseho tamin’ny fiainan’ity zatovolahy ity? Nilaza izy fa tiany izao ny hoe afaka amin’ilay fiainana tsy tena izy izay foronin’ny tambazotra ifaneraserana. Mandray anjara amim-pahavitrihana amin’ny fiainana izy fa tsy hoe ao amin’ny findainy foana ny lohany. Mandray anjara amina hetsika fialamboly an-kalamanjana izy izao ho solon’ny filalaovana jeux videos. Mahita ireo lafitsaran-javatra kokoa izy ary manampy kokoa ao an-tokantrano. Mikatsaka fahafahana hanompo izy. Mihaino kokoa izy ao am-piangonana, mazava kokoa ny endriny, sambatra kokoa izy, ary miomana amim-pahavitrihana amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno! Izany rehetra izany dia noho ny nialany tamin’ireo voka-dratsin’ny tambazotra ifaneraserana.

Koa ny fanasako voalohany ho anareo anio dia ny hampihena ny fiankinanareo tsy tapaka amin’ny tambazotra ifaneraserana amin’ny alalan’ny fifadiana ny tambazotra ifaneraserana mandritra ny fito andro. Manaiky aho fa misy ireo zavatra tsara avy amin’ny tambazotra ifaneraserana. Saingy raha toa ianareo miraika kokoa amin’ireo zavatra ao amin’ny tambazotra ifaneraserana noho ny amin’ny bitsiky ny Fanahy, dia lasa mametraka ny tenanareo amin’ny loza ara-panahy ianareo, ary koa mety ho tratran’ny fahakiviana lalina sy lasa manirery tanteraka. Izaho sy ianao dia mahalala zatovo izay voatosika amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana hanao sy hiteny zavatra izay tsy ho sahiny atao na lazaina mivantana mihitsy. Ohatra iray amin’izany ny fanalam-baraka.

Ny lafiratsiny iray hafa an’ny tambazotra ifaneraserana dia ny famoronana fahamarinana diso. Ny olona rehetra dia manely ny sariny mahafinaritra indrindra, feno fahasahiana indrindra, ary mampientanentana indrindra, izay mahatonga ilay fiheverana diso fa ny olona rehetra afa-tsy ny tenanao dia miaina fiainana mahafinaritra sy feno fahasahiana ary mampientanentana. Ny ankamaroan’ny zavatra miseho ao amin’ireny fampielezana amin’ny tambazotra ifaneraserana isan-karazany ireny dia hosoka fotsiny, raha tsy hoe sandoka. Koa omeo fiatoana amin’ny hosoka mandritra ny fito andro ny tenanareo!

Misafidiana fito andro misesy dia ataovy ilay izy! Jereo raha toa mahatsikaritra fahasamihafana ianao amin’ny fomba hahatsapanao, ny zavatra eritreretinao, ary ny fomba fieritreretanao mihitsy aza, mandritra ireo fito andro ireo. Aorian’ireo fito andro dia mariho raha toa misy zavatra tianao hajanona ny fanaovana azy ary zavatra tianao atomboka ny fanaovana azy.

Ity fifadiana tambazotra ifaneraserana ity dia mety ho eo aminao sy ny Tompo ihany. Izany dia ho famantarana asehonao Aminy fa vonona ny hiala amin’izao tontolo izao ianao mba hahafahana mirotsaka amin’ilay tafiky ny tanorany.

Ny fanasako faharoa dia ny hanao fahafoizana fotoana isan-kerinandro ho an’ny Tompo, mandritra ny telo herinandro misesy, mba hampahafantarana Azy fa te ho anisan’ny tafiky ny tanorany ianareo, mihoatra noho ny fanirianareo zavatra hafa. Foizo mandritra ny telo herinandro ny zavatra iray izay tianao dia hampiasao izany fotoana izany mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.

Rehefa mivavaka momba ity fahafoizana fotoana ity ianao dia ho voatarika sady hahafantatra ny zavatra azonao hafoy mandritra io herinandro io no hahafantatra ny zavatra azonao atao ankoatra ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ohatra, ny zatovo iray mpilalao golf dia mety hamoy lalao golf iray ka handany izany fotoana izany ao aminn’ny toerana fanaovam-batisa ao amin’ny tempoly.

Ny fanasako fahatelo ho anareo dia ny hanao tomban’ezaky ny tena manontolo miaraka amin’ny Tompo, ary angamba miaraka amin’ny ray aman-dreninareo sy ny evekanareo, mba hahazoana antoka fa tafaorina tsara ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao. Raha toa ianao ka nivily lalana, na raha toa misy zavatra mila hajanonao mba hanampiana ny sainao sy ny fonao ho madio kokoa, dia androany no fotoana tena tsara hiovana.

Ary raha tsy hainao tsara ny zavatra atao mba hibebahana dia miresaha amin’ny evekanao na amin’ny ray aman-dreninao na izy roa. Hanampy anao hahatakatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo. Hanampy anao hiaina ilay fifaliana entin’ny fibebahana tena izy hatrany izy ireo.

Miangavy aho, aza mijanona ivelan’ilay lalan’ny fanekempihavanana na dia iray minitra monja intsony. Miverena amin’ny alalan’ny fibebahana marina, izao. Mila anao miaraka aminay ao amin’ity tafiky ny tanora an’ny Tompo ity izahay. Tena hampiova zavatra ny maha-eo anao!

Ny fanasako fahefatra ho anareo dia ny hivavaka isan’andro mba hahazoan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ireo fitahian’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Izaho sy ianao dia velona mba hahita, ary mbola hahita hatrany, ny fanangonana an’i Isiraely amin-kery lehibe. Ary ianareo dia afaka ny ho anisan’ilay hery ao ambadik’izany fanangonana izany!

Ny fanasako fahadimy dia ny mba hiavahanareo; ny tsy hitovizanareo amin’izao tontolo izao. Izaho sy ianao dia mahafantatra fa ianareo dia tokony ho fahazavana ho an’izao tontolo izao. Noho izany dia mila anareo mba hanahaka, hiresaka, hanao zavatra, ary hiakanjo toy ny mpianatr’i Jesoa Kristy tena izy ny Tompo. Eny, miaina ao anatin’izao tontolo izao ianareo, saingy tena samy hafa mihitsy ny fenitra ara-pitondrantenanareo izay manampy anareo hisoroka ny fahalotoan’izao tontolo izao.

Miaraka amin’ny Fanahy Masina ho namana, afaka mahafantatra ny tokony atao ianareo na dia eo aza ny kolontsainan’ny fanindrahindrana olo-malaza izay lasa miparitaka betsaka ao amin’ny fiarahamonina. Afaka ny hatsilo kokoa mihoatra noho ireo taranaka teo aloha ianareo. Ary raha misy mana hoe “hafahafa” ianareo indraindray dia raiso ho toy ny voninahitra izany fiantsoana izany ary mifalia fa ny fahazavanareo dia manjelatra mazava tsara ao amin’ity tontolo miha-maizana ity!

Mametraha fenitra ho an’izao tontolo izao! Ekeo ny hoe miavaka ianareo! Ilay kiboky mitondra ny lohateny hoe Jeunes, soyez forts no tokony ho fenitrareo. Io no fenitra takian’ny Tompo mba hazonin’ny zatovo rehetra. Izao, amin’ny maha-mpanompony tsotra ahy, dia miangavy anareo aho mba handalina io kiboky io indray. Vakio ombam-bavaka izy io toy ny hoe tsy mbola namaky azy mihitsy ianareo hatrizay. Asio marika ilay izy. Resadresaho ny momba ilay izy. Ifanakalozy hevitra amin’ny namanareo ireo fitsipika. Manapaha hevitra ny amin’ny fomba hahafahanao miaina ireo fitsipika ireo, ireo fitsipikao ireo, amin’ny fomba tanteraka kokoa.

Manana tahadika anao manokana ianao. Koa anio hariva rehefa mifarana ny fivoriana, raha toa ianao misafidy ny hirotsaka, dia mandraisa tahadikan’ilay kiboky Jeunes, soyez forts ka omeo ny namana iray izay mety tsy mahafantatra ireo fitsipikao na mety tsy miaina izany, io tahadika vaovao io.

Mivavaha mba hahafantatra hoe iza no mila an’io kiboky io. Ho voatarika ianao. Ary tena hahafinaritra izany.

Izao dia avelao aho hamintina amin’ny famerenana indray ireo fanasana dimy nomeko anareo mba hirotsaka amin’ny tafiky ny tanora an’ny Tompo ho fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely:

  1. Fadio mandritra ny fito andro ny tambazotra ifaneraserana.

  2. Mahafoiza fotoana isan-kerinandro ho an’ny Tompo mandritra ny telo herinandro.

  3. Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Raha tsy eo amin’izany ianao dia mibebaha ary miverena lalana.

  4. Mivavaha isan’andro mba hahazoan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ireo fitahian’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.

  5. Miavaha. Aza mitovy amin’ny hafa. Aoka ho fahazavana. Manomeza tahadika iray an’ny kiboky Jeunes Soyez Forts ho an’ny namanao.

Ry rahalahy sy ranabavy tanora malalako isany, anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay ianareo. Manana fahafahana mba hahay kokoa sy hendry kokoa ary hiantraika kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo!

Eto am-pamaranana dia manasa anareo aho hijoro miaraka amin’ireo tanora rehetra manerana izao tontolo izao ary hiaina ny hafaliana amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny tafiky ny tanora an’ny Tompo ao amin’ny “tafik’i Ziona” anareo amin’ny alalan’ny fihirana ny hira famaranantsika: “Ô vaillants guerriers d’Israël” satria io hira io dia mahakasika anareo tanteraka.

Avy amin’ny fanahiko manontolo dia mijoro ho vavolombelona aho fa ity no asan’ Andriamanitra Tsitoha. Velona Izy. I Jesoa no Kristy. Ity no Fiangonany, naverina tamin’ny laoniny mba hanatanterahana ny tanjony masina, tafiditra amin’izany ny fanangonana an’i Isiraely.

Ianareo no fanantenan’i Isiraely, “zanaky ny andro nampanantenaina”!8 Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jakoba 1:5.

  2. Jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 419.

  3. Jaona 10:27.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:3, 6.

  5. Jereo ny Isaia 18:2.

  6. Ny fotopampianarana mahakasika ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely dia anisan’ireo lesona voalohany ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Ary rehefa avy naely patrana ny mpianakavin’i Isiraely dia hangonina miaraka indray; … ny sampana voajanaharin’ny hazo oliva, na ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely, dia hatao grefy, na ho tonga amin’ ny fahalalana ny tena Mesia, Tompony sy Mpanavotra azy” (1 Nefia 10:14.

  7. Jereo ohatra ny 3 Nefia 5:23–26.

  8. “Ô vaillants guerriers d’Israël,” Cantiques, lah. 169.