Ny soratra masina
Mosesy 5


Toko 5

(Jona—Ôktôbra 1830)

Niteraka i Adama sy i Eva—Nanatitra fanatitra i Adama ary nanompo an’ Andriamanitra—Teraka i Kaina sy i Abela—Nikomy i Kaina, notiaviny mihoatra noho Andriamanitra i Satana ary tonga Fahaverezana izy—Niely ny famonoana olona sy ny faharatsiana—Notoriana hatrany am-piandohana ny filazantsara.

1 Ary ny zava-nitranga rehefa noroahiko, Izaho Tompo Andriamanitra, izy ireo hiala, dia nanomboka niasa ny tany i Adama ary ananjaka tamin’ireo biby rehetra tany an-tsaha sy nihinana ny mofony tamin’ny hatsembohan’ny tavany, araka izay efa nandidiako Izaho Tompo azy. Ary i Eva vadiny koa dia niara-niasa taminy.

2 Ary i Adama nahalala ny vadiny, ka aniteraka zazalahy sy bzazavavy ho azy izy, ary ireo dia nanomboka dnihamaro sy nameno ny tany.

3 Ary hatramin’izany fotoana izany, ireo zanakalahy sy azanakavavin’i Adama dia nanomboka nizara tsiroaroa teo amin’ny tany sy niasa ny tany, ary nikolo biby fiompy, ary niteraka zazalahy sy zazavavy koa.

4 Ary i Adama sy i Eva vadiny dia niantso ny anaran’ny Tompo, ary reny avy any amin’ny lalana mankamin’ny Saha aEdena ny feon’ny Tompo miteny aminy, ary tsy hitany Izy; fa efa nosarahina hiala teo banatrehany izy ireo.

5 Ary Izy dia nanome didy azy ireo fa tokony ahoderainy ny Tompo Andriamaniny ary tokony hateriny ho fanatitra ho an’ny Tompo ny bvoalohan-teraky ny biby fiompiny. Ary dnankato ny didin’ny Tompo i Adama.

6 Ary nony afaka andro maromaro dia niseho tamin’i Adama ny aanjelin’ny Tompo iray, nanao hoe: Nahoana ianao no manatitra bfanatitra ho an’ny Tompo? Ary hoy Adama taminy: Tsy misy fantatro afa-tsy ny hoe ny Tompo no nandidy ahy.

7 Ary niteny ilay anjely tamin’izay, nanao hoe: Ity zavatra ity dia atandindon’ny bsorona nataon’ny Lahitokan’ny Ray, izay feno dfahasoavana sy fahamarinana.

8 Koa hataonao amin’ny aanaran’ny Zanaka izay rehetra ataonao, dia bhibebaka ianao ary dhiantso an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao.

9 Ary tamin’izany andro izany, dia nilatsaka tamin’i Adama ny aFanahy Masina izay vavolombelona manambara ny amin’ny Ray sy ny Zanaka, manao hoe: Izaho no bLahitokan’ny Ray hatrany am-piandohana, hatramin’izao ka ho mandrakizay, ka toy ny efa dnahalavo anao no ahazoana emanavotra anao sy ny olombelona rehetra, dia izay rehetra maniry izany.

10 Ary tamin’izany andro izany dia nisaotra an’ Andriamanitra i Adama sady ahenika ka nanomboka bnaminany momba ireo fianakaviana rehetra amin’ny tany, nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-dpifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny enofoko indray no hahitako an’ Andriamanitra.

11 Ary nandre izany zavatra rehetra izany i aEva vadiny ka faly, nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana btaranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra.

12 Ary nisaotra ny anaran’ Andriamanitra i Adama sy i Eva ka anampahafantatra ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ny zava-drehetra.

13 Ary tonga teo anivony i aSatana, nanao hoe: Izaho koa dia zanak’ Andriamanitra; ary izy dia nandidy azy ireo, nanao hoe: Aza mino izany; dia tsy bninoany izany ary dnotiaviny mihoatra noho Andriamanitra i Satana. Ary hatramin’izay fotoana izay ny olona dia nanomboka enanarana ny vatana, ny filandratsy ary ho devoly toetra.

14 Ary ny Tompo Andriamanitra dia niantso ny olona teny rehetra teny tamin’ny alalan’ny aFanahy Masina ka nandidy azy hibebaka;

15 Ary izay rehetra ahino ny Zanaka ary hibebaka amin’ny fahotany dia bhovonjena; ary izay rehetra tsy hino sy tsy hibebaka dia dhohelohina; ary niloaka ny vavan’ Andriamanitra toy ny lalàm-pitondrana hentitra ny teny; koa tsy maintsy tanteraka izany.

16 Ary tsy nitsahatra ny niantso an’ Andriamanitra i Adama sy i Eva vadiny. Ary Adama nahalala an’i Eva vadiny ka nanana anaka izy ary niteraka an’i aKaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ny Tompo Aho; koa tsy afaka hitsipaka ny teniny izy. Nefa indro, tsy nihaino i Kaina sady nanao hoe: Iza moa ny Tompo no tokony hahafantatra Azy aho?

17 Ary nanana anaka indray izy ka niteraka an’i aAbela rahalahiny. Ary bnihaino ny feon’ny Tompo i Abela. Ary i Abela dia mpiandry ondry fa i Kaina kosa mpiasa tany.

18 Ary anotiavin’i Kaina mihoatra noho Andriamanitra i Satana. Ary nandidy azy i Satana, nanao hoe: bManaova fanatitra ho an’ny Tompo.

19 Ary ny zava-nitranga, rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany mba ho fanatitra ho an’ny Tompo.

20 Ary nitondran’i Abela koa ny voalohan-teraky ny biby fiompiny, dia izay matavy. Ary nankasitraka an’i Abela sy ny afanatiny ny Tompo;

21 Fa i Kaina sy ny afanatiny kosa dia tsy mba nankasitrahany. Ankehitriny dia nahafantatra izany i Satana ary nahafinaritra azy izany. Ary tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny.

22 Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Nahoana no manjombona ny tarehinao?

23 Raha manao ny tsara ianao dia ahoekena. Ary raha tsy manao ny tsara ianao dia mamitsaka eo am-baravarana ny fahotana, ary maniry ny hahazo anao i Satana; ary raha tsy mihaino ny didiko ianao dia hafoiko, ary dia ho tanteraka aminao araka ny faniriany izany. Ary ianao no hanapaka azy;

24 Ary hatramin’izao fotoana izao, dia ho rain’ny laingany ianao; hatao hoe aFahaverezana ianao, fa efa talohan’izao tontolo izao koa ianao.

25 Ary holazaina amin’ny fotoana ho avy fa—Ireny afahavetavetana ireny dia avy amin’i Kaina; fa notsipahiny ny torohevitra tsara lavitra izay avy amin’ Andriamanitra; ary izany dia ozona izay hapetrako aminao raha tsy mibebaka ianao.

26 Ary tezitra i Kaina ka tsy nihaino intsony ny feon’ny Tompo na nihaino an’i Abela rahalahiny izay nandeha tamin’ny fahamasinana teo anoloan’ny Tompo.

27 Ary nalahelo teo anoloan’ny Tompo i Adama sy i Eva noho ny amin’i Kaina sy ireo rahalahiny.

28 Ary ny zava-nitranga dia naka ny anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny rahalahiny ho vadiny i Kaina, ary anotiavin’izy ireo mihoatra noho Andriamanitra i Satana.

29 Ary hoy i Satana tamin’i Kaina: Miozòna amiko amin’ny tendanao, ary raha milaza izao ianao dia ho faty; ary ampiozony amin’ny lohany sy amin’ilay Andriamanitra velona ireo rahalahinao mba tsy hilazany izao; fa raha milaza izao izy ireo dia ho faty marina tokoa; ary izany dia ny mba tsy hahafantaran’ny rainao izao; ary izao andro izao no hanolorako an’i Abela rahalahinao ho eo an-tananao.

30 Ary niozona tamin’i Kaina i Satana fa hanao araka ny didiny. Ary ireo zavatra rehetra ireo dia natao tao amin’ny miafina.

31 Ary hoy i Kaina: Mahàna marina tokoa aho, ilay tompon’ity tsiambaratelo lehibe ity, ka afaka amamono olona aho ary mandray tombony. Koa natao hoe Tompon’i bMahàna i Kaina, ary nirehareha tamin’ny faharatsiany izy.

32 Ary nandeha nankany an-tsaha i Kaina, ary i Kaina dia niresaka tamin’i Abela rahalahiny. Ary ny zava-nitranga, raha mbola tany an-tsaha izy ireo, dia nitsangana namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy.

33 Ary i Kaina dia anirehareha tamin’izay efa vitany, nanao hoe: afaka aho, hifindra marina tokoa eo an-tanako ny biby fiompin’ny rahalahiko.

34 Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina: Aiza i Abela rahalahinao? Dia hoy izy: Tsy fantatro. Moa ampiandry ny rahalahiko va aho?

35 Ary hoy ny Tompo: Inona no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao dia mitaraina Amiko avy ao amin’ny tany.

36 Ary ankehitriny ianao dia ho voaozona amin’ny tany izay efa nanokatra ny vavany handray ny ran’ny rahalahinao avy teo an-tananao.

37 Raha miasa ny tany ianao, dia tsy hanome anao ny tanjany izany hatramin’izao. Ho ampanjenjeny sy mpirenireny ianao eto an-tany.

38 Ary hoy i Kaina tamin’ny Tompo: aNaka fanahy ahy i Satana noho ny biby fiompin’ny rahalahiko. Ary tezitra koa aho; fa nekenao ny fanatiny fa tsy ny ahy; ny famaizana ahy dia lehibe mihoatra noho izay azoko zakaina.

39 Indro, efa noroahinao hiala ny tavan’ny Tompo aho androany ka hiery ny tavanao; ary ho mpanjenjeny sy mpirenireny aho eto an-tany; ary izao no hitranga fa izay mahita ahy dia hamono ahy noho ny heloko, satria ireny dia tsy miafina amin’ny Tompo.

40 Ary Izaho Tompo dia niteny taminy hoe: Na zovy na zovy no mamono anao, dia hovaliana aminy avo fito heny izany. Ary Izaho Tompo dia nametraka afamantarana tamin’i Kaina fandrao hamono azy izay mahita azy.

41 Ary i Kaina dia nesorina hiala avy teo aanatrehan’ny Tompo ka nonina tao amin’ny tany Noda, tao atsinanan’i Edena, niaraka tamin’ny vadiny sy ny maro tamin’ireo rahalahiny.

42 Ary i Kaina nahalala ny vadiny, dia nanana anaka izy ary niteraka an’i Enoka, ary niteraka zazalahy sy zazavavy maro koa izy. Dia nanorina tanàna izy ary nataony hoe Enoka ny anaran’ny atanàna, araka ny anaran’ny zanakalahiny.

43 Ary i Enoka niteraka an’i Irada, ary zazalahy sy zazavavy hafa. Ary i Irada niteraka an’i Mahojaela, ary zazalahy sy zazavavy hafa. Ary i Mahojaela niteraka an’i Metosaela, ary zazalahy sy zazavavy hafa. Ary i Metosaela niteraka an’i Lameka.

44 Ary i Lameka nampakatra vady roa; ny anaran’ny anankiray dia i Ada, ary ny anaran’ny iray hafa dia i Zila.

45 Ary i Ada niteraka an’i Jabala; izy no rain’ireo mpitoetra anaty lay sady mpiandry omby aman’ondry; ary ny anaran’ny rahalahiny dia i Jobala: izy no rain’izay rehetra mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina.

46 Ary i Zila dia niteraka an’i Tobala Kaina izay mpampianatra ny mpanefy rehetra momba ny varahina sy ny vy. Ary ny anabavin’i Tobala Kaina dia i Nama.

47 Ary hoy i Lameka tamin’i Ada sy i Zila vadiny: Mandrenesa ny feoko ianareo vadin’i Lameka, henoy ny teniko; fa efa namono lehilahy iray nahaferena ahy aho, ary tovolahy iray, izay naharatra ahy.

48 Raha hovalina avo fito heny izay mamono an’i Kaina, dia avo afito amby fitopolo heny marina kosa izay mamono an’i Lameka;

49 Fa i Lameka dia efa nanao afifanekena tamin’i Satana, araka ny fomban’i Kaina, izay nahatonga azy ho Tompon’i Mahàna, tompon’ilay tsiambaratelo lehibe izay nampiharin’i Satana tamin’i Kaina; ary i Irada, ilay zanakalahin’i Enoka, rehefa nahafantatra ny tsiambaratelony, dia nanomboka namboraka izany tamin’ireo zanakalahin’i Adama;

50 Koa tezitra i Lameka ary namono azy, saingy tsy mba tahaka ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny, dia ny mba hahazoana tombony, fa novonoiny kosa izy noho ilay fiozonana.

51 Fa hatramin’ny andron’i Kaina dia nisy ny atsikombakomba miafina, ary tao amin’ny maizina ny asany, ary samy nahafantatra ny rahalahiny avy izy ireo.

52 Koa ny Tompo dia nanozona an’i Lameka sy ny ankohonany mbamin’ireo rehetra izay efa nifanaiky tamin’i Satana; fa tsy notandremany ny didin’ Andriamanitra, ary nahasosotra an’ Andriamanitra izany, ary Izy dia tsy nitahy azy ireo; ary ny asany dia fahavetavetana ary nanomboka niely teo anivon’ireo azanakalahin’ny olona rehetra. Ary izany dia teo anivon’ny zanak’olombelona.

53 Ary teo anivon’ireo zanakavavin’ny olona, dia tsy mba noresahina ireny zavatra ireny, satria i Lameka dia efa nilaza ilay tsiambaratelo tamin’ireo vadiny, ary nikomy taminy ireo ka namboraka ireny zavatra ireny teny ivelany ary tsy nanana fangorahana;

54 Koa i Lameka dia noharabina sy noroahina ary tsy nankeo anivon’ny zanak’olombelona, fandrao ho faty izy.

55 Ary dia toy izany no nanomboka nanjakan’ny asan’ny amaizina teo anivon’ny zanak’olombelona.

56 Ary Andriamanitra dia nanozona ny tany tamin’ny ozona mahatsiravina sady tezitra tamin’ny olon-dratsy, tamin’ny zanak’olombelona izay efa nataony;

57 Fa izy ireo dia tsy te hihaino ny feony, na hino ny aZanaka Lahitokany, dia Izy izay nolazainy fa ho avy amin’ny mitataovovonan’ny fotoana, izay efa nomanina hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.

58 Ary dia toy izany no nanomboka nitoriana ny aFilazantsara hatrany am-piandohana, izay nambaran’ireo banjely masina, nirahina avy teo anatrehan’ Andriamanitra ary tamin’ny alalan’ny feony sy tamin’ny alalan’ny dfanomezana ny Fanahy Masina.

59 Ary dia toy izany no nanamafisana tamin’i Adama ny zava-drehetra tamin’ny alalan’ny ôrdônansy masina sy ny Filazantsara torina ary ny didim-pitondrana nalefa, fa izany dia tokony ho eo amin’izao tontolo izao ambaram-pahatongan’ny farany; ary dia izany tokoa. Amena.