Ny soratra masina
Mosesy 1


Fantina avy amin’ny
Bokin’i Mosesy

Sombiny avy amin’ny fandikana ny Baiboly, araka izay nambara tamin’i Joseph Smith Mpaminany, jona 1830—febroary 1831.

Toko 1

(Jona 1830)

Manambara ny Tenany amin’i Mosesy Andriamanitra—Miova tarehy i Mosesy—Mifanandrina amin’i Satana izy—Hitan’i Mosesy ireo tontolo maro misy mponina—Tsy hita isa ireo tontolo noharian’ny Zanaka—Ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.

1 Ny tenin’ Andriamanitra izay anoteneniny tamin’i bMosesy tamin’ny fotoana izay nampakarana an’i Mosesy ho eo an-tendrombohitra avo izaitsizy tokoa,

2 Ary anahita an’ Andriamanitra bnifanatrika izy ary niresaka Taminy, ary ny dvoninahitr’ Andriamanitra dia mby teo amin’i Mosesy; koa enahatanty ny fanatrehana Azy i Mosesy.

3 Ary niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra, nanao hoe: Indro, Izaho no Tompo Andriamanitra aTsitoha ary bTsisy Fiafarana no anarako; fa Izaho dia tsisy fiandohan’andro na fiafaran-taona; ary moa va izany tsy tsisy fiafarana?

4 Ary indro, zanakalahiko ianao; koa ajereo dia hasehoko anao ny asan’ny btanako; nefa tsy izy rehetra fa dtsisy fiafarana ny easako, ary koa ny fteniko, fa tsy hitsahatra na oviana na oviana ireo.

5 Koa tsy misy olona mety hahita ny asako rehetra, raha tsy mahita ny voninahitro rehetra izy; ary tsy misy olona mety hahita ny voninahitro rehetra ary rehefa izany dia hitoetra ao amin’ny nofo eto an-tany.

6 Ary manana asa ho anao Aho ry Mosesy zanakalahiko; ary ianao dia natao aaraka ny endriky ny Zanaka bLahitokako; ary ny Zanaka Lahitokako no dMpamonjy sy ho Mpamonjy fa feno efahasoavana sy ffahamarinana Izy; fa gtsy misy Andriamanitra ankoatra Ahy, ary ny zava-drehetra dia miharihary eo anoloako, fa hfantatro izy rehetra.

7 Ary ankehitriny indro, izao zavatra iray izao no asehoko anao ry Mosesy zanakalahiko, fa eo amin’izao tontolo izao ianao, Ary ankehitriny dia asehoko anao izany.

8 Ary ny zava-nitranga dia nijery i Mosesy ary nahatazana izy ny atontolo izay nohariana teo aminy; ary i Mosesy dia bnahatazana ny tontolo sy ny faran’izany ary ny zanak’olombelona rehetra izay voary sy izay nohariana; ny amin’izany no dnahatalanjona sy nahagaga azy fatratra tokoa.

9 Ary nisintona niala an’i Mosesy Andriamanitra ka tsy amin’i Mosesy ny voninahiny ary tavela ho irery i Mosesy. Ary satria tavela ho irery izy dia lavo tamin’ny tany.

10 Ary ny zava-nitranga dia ora maro no lasa vao nahazo indray ny atanjany tsotra toy ny an’ny olona i Mosesy; ary hoy izy tamin’ny tenany: ankehitriny, noho izany antony izany, dia fantatro fa btsinontsinona ny olona, izay zavatra tsy noheveriko na oviana na oviana.

11 Fa ankehitriny dia efa nahatazana an’ aAndriamanitra ny masoko; saingy tsy ny masoko bara-nofo fa ny masoko ara-panahy, fa tsy ho afaka nitazana ny masoko ara-nofo; fa ho dmaina sy ho efaty eo anatrehany aho; saingy mby teo amiko ny voninahiny; ary nahatazana ny ftavany aho, fa gnovàna teo anoloany ny tarehiko.

12 Ary ny zava-nitranga, nony efa nilaza ireo teny ireo i Mosesy, dia indro, tonga i aSatana bnaka fanahy azy, nanao hoe: Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy.

13 Ary ny zava-nitranga dia nijery an’i Satana i Mosesy ary nanao hoe: Iza moa ianao? Fa indro izaho dia azanak’ Andriamanitra, manahaka ny endriky ny Zanaka Lahitokany; ary aiza izay voninahitrao no tokony hidera anao aho?

14 Fa indro tsy ho afaka nijery an’ Andriamanitra aho raha tsy tonga tamiko ny voninahiny ary raha tsy anovàna tarehy teo anoloany aho. Saingy izaho dia afaka mijery anao amin’ny maha-olona araka ny nofo ahy. Tsy izany marina tokoa va?

15 Hotahina anie ny anaran’ Andriamanitro fa tsy niala tamiko tanteraka ny Fanahiny, fa raha tsy izany aiza ny voninahitrao, fa izany dia haizina ho ahy? Ary izaho dia afaka manavaka anao sy Andriamanitra; fa hoy Andriamanitra tamiko: aDerao Andriamanitra fa Izy irery ihany no bhotompoinao.

16 Mialà eto ry Satana; aza mamitaka ahy; fa hoy Andriamanitra tamiko: Ianao dia araka ny aendriky ny Lahitokako.

17 Ary nomeny ahy koa ny didy fony Izy niantso ahy avy teo amin’ny aroimemy nirehitra afo, nanao hoe: bMiantsoa an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Lahitokako ary miderà Ahy.

18 Ary hoy indray i Mosesy: Tsy hitsahatra ny hiantso an’ Andriamanitra aho, manana zavatra hafa hangatahina Aminy aho: fa mby teo amiko ny voninahiny, koa afaka manavaka ny Aminy sy aminao aho. Mialà eto ry Satana.

19 Ary ankehitriny, nony efa nilaza ireo teny ireo i Mosesy, dia nihiaka tamin’ny feo mafy i Satana ka nitroatroatra teo amin’ny tany sy nandidy, nanao hoe: Izaho ihany no aLahitokana, miderà ahy.

20 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka natahotra izaitsizy tokoa i Mosesy; ary raha nanomboka natahotra izy dia nahita ny fangidian’ny ahelo. Na dia izany aza, rehefa bniantso an’ Andriamanitra izy dia nahazo tanjaka ka nandidy, nanao hoe: Mialà amiko ry Satana, fa izao Andriamanitra iray izao ihany no hoderaiko, izay Andriamanitry ny voninahitra.

21 Ary ankehitriny dia nanomboka nangovitra i aSatana ary nihovitrovitra ny tany; ary nahazo tanjaka i Mosesy ka niantso an’ Andriamanitra, nanao hoe: Amin’ny anaran’ny Lahitokana, mialà eto ry Satana.

22 Ary ny zava-nitranga dia nihiaka tamin’ny feo mahery i Satana, niaraka tamin’ny fitomaniana sy ny fidradradradrana ary ny afikitroha-nify; ary niala teo izy, dia avy teo anatrehan’i Mosesy, ka tsy hitany izy.

23 Ary ankehitriny ny amin’izany zavatra izany dia vavolombelona nanambara i Mosesy; nefa noho ny faharatsiana dia tsy nahalala izany ny zanak’olombelona.

24 Ary ny zava-nitranga, rehefa niala avy teo anatrehan’i Mosesy i Satana, dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra i Mosesy, sady feno ny aFanahy Masina izay vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka;

25 Ary rehefa niantso ny anaran’ Andriamanitra izy dia nahatazana ny voninahiny indray fa mby teo aminy izany; ary nandre feo izy, nanao hoe: Hotahina ianao ry Mosesy, fa Izaho, ny Tsitoha dia efa nifidy anao, ary ianao dia hatao mahery noho ny arano maro; fa ireo dia hankatò ny bdidinao, mova tsy dAndriamanitra ianao.

26 Ary indro, Izaho momba anao, dia hatrany amin’ny fiafaran’ny andronao; fa ianao dia ahanafaka ny vahoakako amin’ny bfanandevozana, dia i dIsiraely evoafidiko.

27 Ary ny zava-nitranga, raha mbola niteny ilay feo, dia nanopy ny masony i Mosesy ka anahatazana ny tany, eny, ny tany manontolo; ary tsy nisy sombiny taminy izay tsy tazany, fa navahany tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra izany.

28 Ary tazany koa ny mponina teo aminy, ary tsy nisy olona iray ka tsy tazany; ary navahany tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra ireny; ary lehibe ny isany, tsy hita isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza.

29 Ary tazany ireo tontolo maro; ary ny tontolo tsirairay dia natao hoe atany, ary nisy mponina teo amboniny.

30 Ary ny zava-nitranga dia niantso an’ Andriamanitra i Mosesy, nanao hoe: Lazao ahy, iangaviako ianao, nahoana no toy izao ireo zavatra ireo ary tamin’ny inona no nanaovanao azy?

31 Ary indro, mby teo amin’i Mosesy ny voninahitry ny Tompo hany ka nijoro teo anatrehan’ Andriamanitra izy ary niresaka anifanatrika Taminy. Ary hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’i Mosesy: Ho an’ny btanjoko no efa nanaovako ireo zavatra ireo. Izao no fahendrena ary mitoetra ato Amiko izany.

32 Ary tamin’ny atenin’ny heriko no efa nahariako azy ireo, izay ny Zanaka Lahitokako, izay feno bfahasoavana sy dfahamarinana.

33 Ary atontolo tsy hita isa no efa bnohariako; ary nohariako koa ho an’ny tanjoko ireny; ary tamin’ny alalan’ny Zanaka no nahariako ireny, izay ny dLahitokako.

34 Ary ny aolona voalohany tamin’ny olona rehetra dia efa nantsoiko hoe bAdama, izany hoe dmaro.

35 Saingy ny tantaran’ity tany ity ihany sy ny mponiny no omeko anao. Fa indro, misy tontolo maro izay efa lasana tamin’ny tenin’ny heriko. Ary misy maro izay mijoro ankehitriny ary tsy tambo isaina ireny ho an’ny olona; fa ny zava-drehetra dia voaisa ho Ahy, fa Ahy ireny ary afantatro ireny.

36 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamin’ny Tompo i Mosesy, nanao hoe: Mamindrà fo amin’ny mpanomponao Andriamanitra ô, ary lazao ahy ny momba ity tany ity sy ny mponiny, ary koa ireo lanitra, ary rehefa izany dia ho afa-po ny mpanomponao.

37 Ary niteny tamin’i Mosesy ny Tompo Andriamanitra, nanao hoe: Ireo alanitra dia misy maro, ary tsy mety ho voaisa ireo ho an’ny olona; fa voaisa ireo ho Ahy, fa Ahy ireo.

38 Ary toy ny hahalasanan’ny tany iray sy ny lanitra eo aminy dia toy izany koa no hiavian’ny iray hafa; ary tsy amanam-pahataperana ny asako, na koa ny teniko.

39 Fa indro izao no aasako sy bvoninahitro—ny manatanteraka ny dtsy fahafatesana sy ny efiainana mandrakizain’ny olona.

40 Ary ankehitriny, ry Mosesy zanakalahiko, dia horesahiko anao ny momba ity tany izay ijoroanao ity; ary ahosoratanao ireo zavatra izay horesahiko.

41 Ary amin’ny andro izay hiheveran’ny zanak’olombelona ny teniko ho tsinontsinona ary ahanesorany ny maro aminy hiala amin’ny boky izay hosoratanao dia indro, hanangana olona iray hafa btoa anao Aho; ary direo teniko dia ho eo anivon’ny zanak’olombelona indray—any anivon’izay rehetra mino.

42 (Ireo teny ireo no anotenenina tamin’i Mosesy teo amin’ilay tendrombohitra izay tsy hampahafantarina eo anivon’ny zanak’olombelona ny anarany. Ary ankehitriny dia tenenina aminareo ireo. Aza aseho na iza na iza ireo afa-tsy ireo izay mino. Izany tokoa. Amena.)