Fanampiana amin’ny fandalinana
Ziona


Ziona

Ny madio am-po (F&F 97:21). Ny Ziona dia midika koa ho ny toerana onenan’ireo madio am-po. Ny tanàna naorin’i Enoka sy ny vahoakany izay nalaina ho any an-danitra tamin’ny farany noho ny fahamarinana dia nantsoina hoe i Ziona (F&F 38:4; Mos. 7:18–21, 69). Amin’ny andro farany dia hisy tanàna antsoina hoe Ziona haorina eo akaikin’ny Kaominin’i Jackson, Missouri (Amerika), izay hiangonan’ny fokon’i Isiraely (F&F 103:11–22; 133:18). Toroan-kevitra ny Olomasina hanorina an’i Ziona na aiza na aiza toerana onenany eto an-tany.