Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiovan-tarehy


Fiovan-tarehy

Toe-tenan’ireo olona izay novana vetivety ny endriny sy ny tenany—izany hoe nakarina amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa—mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ireo olon’ny lanitra.

Fiovan-tarehin’i Kristy

Nahita ny Tompo feno voninahitra sy niova tarehy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. Efa nampanantena mialoha ny Tompo fa handray ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra i Petera (Mat. 16:13–19; 17:1–9; Mar. 9:2–10; Lio. 9:28–36; 2 Pet. 1:16–18). Tamin’izany fotoana lehibe izany no nanomezan’ny Mpamonjy sy Mosesy ary Elià (Elia) ireo fanalahidin’ny fisoronana efa nampanatenaina tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. Niaraka tamin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo no nananan’ny Apôstôly ny fahefana hanohy ny asan’ny fanjakana taorian’ny niakaran’i Jesoa.

Nampianarin’i Joseph Smith fa teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy dia niova tarehy koa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. Hitan’izy ireo tamin’ny fahitana ny tany, araka izay ho endriny amin’ny toetra feno voninahitra any aoriana (F&F 63:20–21). Hitan’izy ireo i Mosesy sy Elia izay olona roa novana, ary reny ny feon’ny Ray. Hoy ny Ray: “Ity no Zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy” (Mat. 17:5).

Olona niova tarehy