Fanampiana amin’ny fandalinana
Zanaky ny Fahaverezana


Zanaky ny Fahaverezana

Ireo mpanaraka an’i Satana izay hiara-hijaly aminy amin’ny mandrakizay. Ireo zanaky ny fahaverezana dia ahitana (1) ireo izay nanaraka an’i Satana ary noroahina hiala tany an-danitra noho ny fikomiana nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary (2) ireo izay navela ho teraka sy handray vatana teto amin’ity tany ity, saingy nanompo an’i Satana sy niodina tanteraka tamin’ Andriamanitra. Ireo izay ao amin’ity andiany faharoa ity dia hatsangana amin’ny maty saingy tsy havotana amin’ny fahafatesana faharoa (ara-panahy) ary tsy afaka hipetraka ao amin’ny fanjakam-boninahitra (F&F 88:32, 35).