Fanampiana amin’ny fandalinana
Famonjena ho an’ny Maty


Famonjena ho an’ny Maty

Ny fahafahana, ho an’ireo izay maty tsy nahazo ireo ôrdônansy mamonjin’ny filazantsara, hahazo ireo ôrdônansy ireo ho an’ny tenany any amin’ny tempoly, tanterahin’ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika mbola velona. Ampianarina ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy ny maty, ary afaka manaiky ny ôrdônansy tanterahina ho an’ny tenany eto an-tany izy.

Ny mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana dia mitady sy manomana ny tetiarana hamantarana ny anarana sy ny daty nahaterahan’ireo razany, mba hahazoana manatanteraka ireo ôrdônansy mamonjy ho azy ireo.