Fanampiana amin’ny fandalinana
Drafitry ny Fanavotana


Drafitry ny Fanavotana

Ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay natao hitondrana tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay ho an’ny olona. Ao anatiny ny fahariana, ny fahalavoana ary ny sorompanavotana miaraka amin’ireo lalàna sy ôrdônansy ary fotopampianarana rehetra nomen’ Andriamanitra. Izany drafitra izany no ahafahan’ny olona rehetra ho tafasandratra sy hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra (2 Ne. 2; 9). Ny Soratra Masina dia miantso izany drafitra izany koa ho ny drafitry ny famonjena, ny drafitry ny fahasambarana ary ny drafitry ny famindram-po.