Fanampiana amin’ny fandalinana
Lalàna


Lalàna

Ireo didy na fitsipik’ Andriamanitra izay ifotoran’ny fitahiana sy ny famaizana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Ireo izay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra dia mandray ireo fitahiana nampanantenaina. Nampianarin’ny mpaminany Joseph Smith fa tokony hankatò; hanaja ary hanohana ny lalàn’ny tany ny olona (Fp. 1:12)

Ny lalàn’i Mosesy dia lalàna fiomanana hitondra ny olona na lahy na vavy mankany amin’i Kristy; lalàn’ny fameperana, ny fibaikoana ary ny ôrdônansy. Ankehitriny, ny lalàn’i Kristy, izay manatanteraka ny lalàn’i Mosesy no fahafenoan’ny filazantsara na “ny lalàna tanteraka dia ny lalàn’ny fahafahana” (Jak. 1:25).