Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanahy Masin’ny Fampanantenana


Fanahy Masin’ny Fampanantenana

Ny Fanahy Masina dia ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana (Asa 2:33). Amafisiny ho azo ekena amin’ Andriamanitra ny asa marina sy ny ôrdônansy ary ny fifaneken’ny olona. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia vavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany.