Fanampiana amin’ny fandalinana
Helo


Helo

Ny fanambaran’ny andro farany dia niteny momba ny helo amin’ny heviny roa farafahakeliny. Voalohany: fonenana tsy maharitra ao amin’ny tontolon’ny fanahy ho an’ireo izay tsy nankatò tety an-tany. Manam-piafarana ny helo amin’izay heviny izay. Hampianarina ireo fanahy ny filazantsara ary misy fotoana aorian’ny fibebahany, izay hananganana azy ireo amin’ny maty ho amin’ny ambaratongam-boninahitra mendrika azy ireo. Ireo izay tsy te hibebaka, na dia tsy zanaky ny fahaverezana aza anefa, dia hitoetra ao amin’ny helo mandritra ny Arivotaona. Aorian’ireo arivo taom-pijaliana ireo, dia hatsangana amin’ny maty ho amin’ny voninahitra telestialy izy ireo (F&F 76:81–86; 88:100–101).

Faharoa: fonenana maharitra ho an’ireo izay tsy voavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Maharitra ny helo amin’izay heviny izay. Izany dia ho an’ireo izay “mbola hita maloto” (F&F 88:35, 102). Izany no toerana izay honenan’i Satana, ny anjeliny ary ireo zanaky ny fahaverezana—ireo izay nandà ny Zanaka taorian’ny efa nanambaran’ny Ray Azy—mandrakizay (F&F 76:43–46).

Manondro ny helo ho ny haizina ivelany indraindray ny soratra masina.