Fanampiana amin’ny fandalinana
Mamela


Mamela

Araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, ny hoe mamela amin’ny ankapobeny dia manana heviny iray na roa amin’ireto: (1) Rehefa mamela ny olona Andriamanitra, dia vonoiny na foanany ny famaizana takina noho ny fahotana. Noho ny Sorompanavotan’i Kristy, ny famelana ny fahotana dia manan-kery ho an’ny rehetra izay mibebaka afa-tsy ireo izay meloka amin’ny vono olona na ny ota tsy azo ivalozana natao tamin’ny Fanahy Masina. (2) Rehefa mifamela ny olona, dia mifampitondra araka ny fitiavan’i Kristy izy ka tsy manana otri-po amin’ireo izay efa nanafintohina azy (Mat. 5:43–45; 6:12–15; Lio. 17:3–4; 1 Ne. 7:19–21).