Fanampiana amin’ny fandalinana
Enoka


Enoka

Mpaminany izay nitondra ny vahoakan’ny tanànan’i Ziona. Sady ambara ao amin’ny Testamenta Taloha no ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ny asa fanompoany. Izy no Patriarika fahafito taorian’i Adama. Zanakalahin’i Jareda izy ary rain’i Metosela (Gen. 5:18–24; Lio. 3:37).

Lehilahy malaza i Enoka ary manan-danja lehibe lavitra noho ny fitantarana fohy omen’ny Baiboly ny asa fanompoany. Marihin’ny Baiboly fa novana izy (Heb. 11:5) saingy tsy omeny kosa ny antsipiriany momba ny asa fanompoany. Mirakitra teny nindramin’ny momba ny faminaniana nataony ny Joda 1:14. Ny fanambaran’ny andro farany dia manazava bebe kokoa ny momba an’i Enoka, indrindra fa ny momba ny fitoriany, ny tanànany atao hoe Ziona, ny fahitana azony ary ny faminaniany (F&F 107:48–57; Mos. 6–7). Nalaina ho any an-danitra i Ziona noho ny fahamarinan’ireo izay nonina tao (Mos. 7:69).