Fanampiana amin’ny fandalinana
Ra


Ra

Heverin’ny Isiraelita fahiny sy ireo kolontsaina maro ankehitriny ho toy ny fitoeran’ny aina na ny hery mahavelona ny nofo rehetra. Tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha, dia nandrara ny Isiraely ny Tompo tsy hihinana ra ho sakafo (Lev. 3:17; 7:26–27; 17:10–14).

Ny hery nanonitra tamin’ny sorona dia tao amin’ny ra, satria noheverina ho fototry ny aina izany. Ny fanaovana sorona ny biby ao amin’ny Testamenta Taloha dia tandindon’ny sorona lehibe notontosain’i Jesoa Kristy taty aoriana. (Lev. 17:11; Mos. 5:5–7). Ny ram-panoneran’i Jesoa Kristy dia manadio izay mibebaka amin’ny fahotany (1 Jn. 1:7).