Apôstazia Jereo koa Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara; Fikomiana Fialan’ny olona, ny Fiangonana na ny firenena manontolo amin’ny fahamarinana. Apôstazia Faobe Tsy maintsy mitandrina i Isiraely mba tsy hivily hiala amin’ny Tompo ny fony, Deot. 29:18. Raha tsy misy fahitana dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona, Ohab. 29:18. Efa nivadika ny fanekena maharitra mandrakizay izy, Isa. 24:5. Nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany, dia nianjera izy, Mat. 7:27. Gaga aho raha mifindra faingana toy izao hianareo ho amin’ny filazantsara iray hafa, Gal. 1:6. Nanomboka teo amin’ny lalana tsara izy ireo saingy very lalana tao amin’ny zavona, 1 Ne. 8:23 (1 Ne. 12:17). Rehefa avy nanandrana tamin’ny voan’ny hazo izy, dia nianjera tany amin’ny lalana voarara, 1 Ne. 8:28. Ny apôstazian’ny Nefita dia nanjary vato fahatafintohinana ho an’ny tsy mpino, Almà 4:6–12. Nanjary niavonavona ny mpikambana maro tamin’ny Fiangonana ka nanenjika an’ireo mpikambana hafa, Hel. 3:33–34 (Hel. 4:11–13; 5:2–3). Rehefa mampiroborobo ny olony ny Tompo, dia manamafy ny fony izy ireo indraindray ka manadino Azy, Hel. 12:2; 13:38. Nanamafy ny fony ny Nefita ka latsaka teo ambany fahefan’i Satana, 3 Ne. 2:1–3. Naminany ny amin’ny apôstazia amin’ny Andro Farany i Môrônia, Môrm. 8:28, 31–41. Hialoha lalana ny Fiaviana Fanindroany ny Apostazia, F&F 1:13–16. Apôstazian’ny fiangonana Kristiana tany am-piandohana Ity vahoaka ity manatona Ahy amin’ny vavany, Isa. 29:10, 13. Ny haizina manarona ny tany, Isa. 60:2. Halefan’ny Tompo ny mosary handre ny tenin’ny Tompo, Amo. 8:11. Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, Mat. 24:24. Hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, Asa 20:29. Gaga aho raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala Aminy, Gal. 1:6. Hisy ny fihemorana alohan’ny Fiaviana Fanindroany, 2 Tes. 2:3. Mania amin’ny marina ny olona sasany, 2 Tim. 2:18. Ny olona sasany manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny, 2 Tim. 3:2–5. Ho avy ny andro izay tsy hahazakany ny fampianarana tsy misy kilema, 2 Tim. 4:3–4. Hisy mpaminany sandoka sy mpampianatra sandoka eo amin’ny vahoaka, 2 Pet. 2:1. Misy olona sasany efa niditra misokosoko ka nandà ny andrian-tokana, Joda 1:4. Nilaza ny tenany ho Apôstôly ny olona sasany, kanjo tsy izy, Apôk. 2:2. Hitan’i Nefia ny fananganana ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko, 1 Ne. 13:26. Efa tafintohina ny Jentilisa ka dia nanorina fiangonana maro, 2 Ne. 26:20. Efa nialany ny ôrdônansiko ary efa nivadihany ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay, F&F 1:15. Ny haizina mandrakotra ny tany ary ny haizina matevina no mandrakotra ny sain’ny olona, F&F 112:23. Nilazana i Joseph fa diso avokoa ireo fiangonana; fa lavitra an’ Andriamanitra ny fon’izy ireo, JS—T 1:19.