Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56


Fizarana 56

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 15 jona 1831. Ity fanambarana ity dia nanafay an’i Ezra Thayre noho ny tsy fankatoavany fanambarana anankiray teo aloha (ilay “didy” voaresaka ao amin’ny andininy faha 8), izay noraisin’i Joseph Smith ho azy, izay nanoro lalana an’i Thayre mikasika ny andraikiny ao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Frederick G. Williams izay nipetrahany. Ity fanambarana manaraka ity koa dia nanafoana ny fiantsoana an’i Thayre hanao dia any Missouri miaraka amin’i Thomas B. Marsh (jereo fizarana 52:22).

1–2, Tsy maintsy mitondra ny hazofijaliany ny Olomasina ary manaraka ny Tompo mba hahazo famonjena; 3–13, Ny Tompo no manome sy manafoana ny didy, ary roahina ny tsy mpankatò; 14–17, Lozan’ny mpanankarena izay tsy te hanampy ny mahantra ary lozan’ny mahantra izay tsy torotoro fo; 18–20, Sambatra ny mahantra izay madio am-po, fa izy no handova ny tany.

1 Mihainoa, ô ianareo ry vahoaka izay amitondra ny anarako hoy ny Tompo Andriamanitrareo; fa indro, mirehitra amin’ny mpikomy ny fahatezerako ary ho fantany ny sandriko sy ny fahavinirako amin’ny andron’ny bfamaliana sy ny fisafoahana amin’ireo firenena.

2 Ary izay tsy te hitondra ny ahazofijaliany ka bhanaraka Ahy ary hitandrina ny didiko dia tsy hovonjena.

3 Indro, Izaho Tompo dia mandidy; ary izay tsy amankatò dia bhosarahina amin’ny fotoana mahamety izany Amiko, rehefa nandidy Aho ary nodikaina ilay didy.

4 Koa Izaho Tompo dia manome didy ary amanafoana araka izay heveriko ho tsara; ary izany rehetra izany dia hovaliana eo ambony lohan’ny bmpikomy, hoy ny Tompo.

5 Koa Izaho dia manafoana ny didy izay nomena ny mpanompoko isany, i aThomas B. Marsh sy i Ezra Thayre ary manome didy vaovao an’i Thomas mpanompoko, mba handehanany faingana mankany amin’ny tanin’i Missouri, ary handeha hiaraka aminy koa i Selah J. Griffin mpanompoko.

6 Fa indro, Izaho dia manafoana ny didy izay nomena ny mpanompoko isany, i Selah J. Griffin sy i Newel Knight ho setrin’ny hamafy hatoky ny vahoakako izay ao Thompson sy ny fikomiany.

7 Koa aoka i Newel Knight mpanompoko hijanona miaraka amin’izy ireo; ary izay rehetra ta handeha ka manenina eo anoloako dia mahazo mandeha, ka hotarihiny ho any amin’ny tany izay efa notondroiko.

8 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy maintsy mibebaka amin’ny afiavonavonany sy amin’ny fitiavan-tenany i Ezra Thayre ary mankatò ny didy voalohany izay efa nomeko azy momba ny toerana izay onenany.

9 Ary raha manao izany izy, satria tsy hozarazaraina ny tany, dia mbola hotendrena handeha ho any Missouri ihany izy;

10 Raha tsy izany kosa, dia handray ny vola izay efa naloany izy ka handao ny toerana ary ahosarahina hiala amin’ny fiangonako hoy ny Tompo Andriamanitry ny maro;

11 Ary na dia ho levona aza ny lanitra sy ny tany, ireto teny ireto dia tsy ho alevona fa ho tanteraka.

12 Ary raha tsy maintsy mandoa ilay vola i Joseph Smith zanany mpanompoko, dia indro, Izaho Tompo no handoa izany indray aminy any amin’ny tanin’i Missouri, ka ireo izay avy amin’izy ireo no handraisany dia ho azo valiana soa araka izay ataon’izy ireo;

13 Fa araka izay ataon’izy ireo no horaisin’izy ireo amin’ny tany ho lovany.

14 Indro, izao no lazain’ny Tompo amin’ny oloko—manana zavatra maro hatao sy hibebahana ianareo; fa indro, efa tafakatra aty Amiko ny fahotanareo ary tsy voavela, noho ianareo amikatsaka ny hanao araka ny fombanareo ihany.

15 Ary tsy afa-po ny fonareo. Ary tsy mankatò ny fahamarinana ianareo fa mahita afahafinaretana ao amin’ny tsy fahamarinana.

16 Lozanareo ampanankarena izay tsy te bhanome amin’ny harenareo ho an’ny dmahantra, fa hosimban’ny eharenareo ny fanahinareo; ary izao no ho tolokonareo amin’ny andron’ny famaliana sy ny an’ny fitsarana ary ny an’ny fahavinirana: Efa dila ny ffotoam-pijinjana, efa tapitra ny fahavaratra ary tsy voavonjy ny fanahiko!

17 Lozanareo amahantra izay tsy torotoro ny fony, izay tsy manenina ny fanahiny ary izay tsy afa-po ny kibony ary izay tsy mijanona ny mandray ny zavatry ny olon-kafa ny tanany, izay feno bfitsiriritana ny masony, ary izay tsy te hiasa amin’ny tananareo!

18 Fa sambatra ny amahantra izay madio am-po, izay btorotoro ny fony, ary izay manenina ny fanahiny, fa izy no hahita ny dfanjakan’ Andriamanitra tonga amin-kery sy ny voninahi-dehibe ho fanafahana azy; fa ho azy ny menaky ny etany.

19 Fa indro, ho avy ny Tompo ary ny avalisoany dia hiaraka Aminy, ary hamaly ny olona tsirairay izy, ary hifaly ny mahantra;

20 Ary ny taranany no ahandova ny tany, hatramin’ireo taranaka fara mandimby ka ho mandrakizay. Ary ankehitriny dia manisy farany ny fitenenako aminareo Aho. Izany tokoa. Amena.