Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20


Fizarana 20

Fanambarana momba ny fandaminana sy ny fitantanana ny Fiangonana, nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany, tao Fayette, New York na teo akaikiny. Mety nomena raha vao nanomboka ny fahavaratry ny taona 1829 ny ampahany tamin’ity fanambarana ity. Ilay fanambarana feno izay nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe Andinin-dalàna sy Fanekempihavanana dia angamba noraketina fotoana fohy taorian’ny 6 aprily 1830 (andro nanganana ny Fiangonana). Nanoratra ny Mpaminany hoe: “Nahazo izao manaraka izao Taminy [i Jesoa Kristy] izahay, tamin’ny alalan’ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana; izay tsy nanome anay filazalazana maro fotsiny fa nanondro anay koa ny andro voafaritra izay tokony hirosoanay araka ny sitrapony sy ny didiny amin’ny fananganana indray ny Fiangonany eto an-tany.”

1–16, Ny bokin’i Môrmôna dia manaporofo ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny asan’ny andro farany; 17–28, Nohamafisina ny fotopampianarana momba ny fahariana, ny fahalavoana, ny sorompanavotana ary ny batisa; 29–37, Nomena ny lalàna mifehy ny fibebahana, ny fanamarinana, ny fanamasinana ary ny batisa; 38–67, Famintinana ny andraikitry ny loholona, ny mpisorona, ny mpampianatra ary ny diakona; 68–74, Fanambarana ny andraikitry ny mpikambana, ny fitsofan-drano ny ankizy ary ny fomba fanaovana batisa; 75–84, Fanomezana ireo vavaka amin’ny Fanasan’ny Tompo sy ny fitsipika mifehy ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

1 Ny afitsanganan’ny bFiangonan’i Kristy amin’izao andro farany izao, telopolo sy valonjato sy arivo taona hatramin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika tao amin’ny nofo, dia fiangonana izay miorina ara-dalàna ary dvoalamina mba hifanaraka amin’ny lalàn’ny tanintsika, noho ny sitrapo sy ny didin’ Andriamanitra, ny volana fahefatra sy ny andro fahenin’ny volana izay atao hoe aprily—

2 Dia didy nomena an’i Joseph Smith zanany izay anantsoin’ Andriamanitra ary natokana ho bapôstôlin’i Jesoa Kristy mba ho dloholona voalohany amin’ity fiangonana ity;

3 Ary nomena an’i Oliver Cowdery izay nantsoin’ Andriamanitra koa ho apôstôlin’i Jesoa Kristy, ho loholona faharoa amin’ity fiangonana ity ary natokan’ny tanany;

4 Ary izany dia araka ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, ho Azy anie ny voninahitra rehetra ankehitriny sy ho mandrakizay. Amena.

5 Taorian’ny nanehoana marina tokoa tamin’ity loholona voalohany ity fa efa azony ny famelana ny fahotany, dia avoafandrika indray tao amin’ny zava-poan’izao tontolo izao izy;

6 Saingy rehefa nibebaka sy nanetry ny tenany tamin-kitsim-po tokoa izy, tamin’ny finoana dia nampianarin’ Andriamanitra izy tamin’ny alalan’ny aanjely masina izay tahaka ny tselatra ny btarehiny ary madio sy fotsy manoatra noho ny hafotsiana hafa rehetra ny akanjony;

7 Ary nomeny azy didy izay nitaona ny fanahiny;

8 Ary nomeny azy ny hery avy any ambony, tamin’ny alalan’ny afomba izay efa nomanina mialoha mba handikana ny Bokin’i Môrmôna;

9 Izay mirakitra ny rakitsoratry ny vahoaka iray lavo sy ny afahafenoan’ny bfilazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ny Jentilisa ary ho an’ny Jiosy koa;

10 Izay nomena tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny fanahy ary hamafisina amin’ny ahafa amin’ny alalan’ny fanompoan’ireo anjely, ary bambaran’ireo amin’izao tontolo izao—

11 Manaporofo amin’izao tontolo izao fa amarina ireo soratra masina, fa Andriamanitra dia bmitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’ny dasany masina amin’ity taona sy taranaka ity, ary koa tamin’ireo taranaka fahiny;

12 Ka maneho amin’ny alalan’izany fa Andriamanitra atsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay Izy. Amena.

13 Koa satria ananany ireo vavolombelona lehibe ireo, dia amin’ny alalan’ireo no hitsarana izao tontolo izao, dia ireo rehetra izay ho tonga amin’ny fahalalana izao asa izao rahatrizay.

14 Ary ireo izay mandray izany amin’ny finoana ary manao ny amarina no handray ny bsatroboninahitry ny fiainana mandrakizay;

15 Fa ireo izay manamafy ny fony kosa ao amin’ny atsy finoana ary mitsipaka izany, dia hivadika ho fanamelohana ho azy ireo ihany izany—

16 Fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany; ary izahay loholon’ny fiangonana dia efa nandre ka mijoro ho vavolombelon’ny tenin’ilay Mpanjaka be voninahitra any amin’ny avo, ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

17 Ireo zavatra ireo no aahafantarantsika fa misy bAndriamanitra any an-danitra, izay tsisy fetra sy mandrakizay, Andriamanitra tsy miova hatrizay ka haharitra mandrakizay, mpahary ny lanitra sy ny tany mbamin’ny zavatra rehetra izay ao aminy;

18 Fa anahary ny olona, lahy sy vavy Izy, tahaka ny bendriny sy araka ny tarehiny no nahariany azy ireo;

19 Ary nomeny azy ireo ny didy ho atia sy bhanompo Azy, ilay hany Andriamanitra velona sady marina, ka Izy no hany tokony dhitsaohan’izy ireo.

20 Saingy noho ny fandikana ireo lalàna masina ireo, dia nanjary ananarana ny nofo sy bdevoly toetra ny olona, ka nanjary dolona lavo.

21 Koa nomen’ Andriamanitra Tsitoha ny aZanany Lahitokana, araka izay voasoratra ao amin’ireo soratra masina ireo izay efa nomena momba Azy.

22 aNalaim-panahy Izy saingy tsy nilefitra tamin’ireny.

23 aNohomboana Izy, maty ary bnitsangana indray tamin’ny andro fahatelo;

24 Ary aniakatra any an-danitra Izy mba hipetraka eo an-tanana ankavanan’ny bRay, mba hanjaka miaraka amin’ny hery tsitoha araka ny sitrapon’ny Ray;

25 Ka izay rehetra ahino sy hatao batisa amin’ny anarany masina ary bhaharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany dia hovonjena—

26 Tsy ireo izay nino taorian’ny niaviany tao amin’ny nofo tamin’ny amitataovovonan’ny fotoana ihany, fa ireo rehetra hatrany am-piandohana koa, dia ireo rehetra izay nisy talohan’ny nahatongavany, izay nino ny tenin’ireo bmpaminany masina izay niteny araka ny nitaoman’ny dfanomezana ny Fanahy Masina azy ireo sy enijoro ho vavolombelona marina tokoa ny Aminy tamin’ny zava-drehetra, dia hahazo ny fiainana mandrakizay,

27 Ary koa ireo izay ho tonga aoriana, izay hino ireo afanomezam-pahasoavana sy ireo antson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay bvavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka;

28 Dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay aAndriamanitra iray, tsisy fetra ary mandrakizay, tsy manam-pahataperana. Amena.

29 Ary fantatray fa ny olon-drehetra dia tsy maintsy amibebaka sy mino ny anaran’i Jesoa Kristy ary mitsaoka ny Ray amin’ny anarany sy maharitra amin’ny bfinoana ny anarany hatramin’ny farany, raha tsy izany dia tsy azo dvonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.

30 Ary fantatray fa ny afanamarinana amin’ny alalan’ny bfahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia mahitsy sy marina;

31 Ary fantatray koa fa ny afanamasinana amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia mahitsy sy marina, ho an’ireo rehetra izay tia sy manompo an’ Andriamanitra amin’ny bheriny rehetra, ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra.

32 Saingy mety ho alavo hiala amin’ny fahasoavana ny olona ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona;

33 Koa aoka ny fiangonana hiambina sy hivavaka mandrakariva fandrao ho lavo ao amin’ny afakam-panahy;

34 Eny, ary aoka ireo izay efa nohamasinina hiambina ihany koa.

35 Ary fantatray fa marina ireto zavatra ireto ary mifanaraka amin’ny fanambaran’i Jaona, sady tsy amanampy no tsy manaisotra ny faminanian’ny bokiny, ireo bsoratra masina, na ireo fanambaran’ Andriamanitra, izay ho avy rahatrizay amin’ny alalan’ny fanomezana sy ny herin’ny Fanahy Masina, ny dfeon’ Andriamanitra, na ny fanompoan’ireo anjely.

36 Ary ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany; ary ny haja, ny hery ary ny voninahitra anie atolotra ny anarany masina, ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

37 Ary ankoatra izany, ho fandidiana ny fiangonana momba ny fomba fanaovana batisa—Ireo rehetra izay manetry ny tenany eo anoloan’ Andriamanitra ary maniry ny ahatao batisa, ka manatona amin’ny bfo torotoro sy ny fanahy manenina ary mijoro ho vavolombelona eo anoloan’ny fiangonana fa efa nibebaka marina tokoa tamin’ny fahotany rehetra ary vonona ny hitondra ny danaran’i Jesoa Kristy, manana ny efiniavana hanompo Azy hatramin’ny farany, ary maneho marina tokoa amin’ny fasany fa efa nandray tamin’ny Fanahin’i Kristy izy ireo ho gfamelana ny fahotany, dia horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa.

38 Ny andraikitr’ireo loholona, mpisorona, mpampianatra, diakona ary mpikambana amin’ny fiangonan’i Kristy—Ny aapôstôly dia loholona, ary ny antsony dia ny manao bbatisa;

39 Sy ny amanokana loholona, mpisorona, mpampianatra ary diakona hafa;

40 Sy ny amikarakara ny mofo sy ny divay—tandindon’ny nofo sy ny ran’i Kristy—

41 Sy ny amandray ireo izay vita batisa ho mpikambana amin’ny fiangonana, amin’ny alalan’ny fametrahan-btanana ho fanaovana ny batisa amin’ny afo sy ny dFanahy Masina, araka ny soratra masina;

42 Sy ny mampianatra, ny manazava, ny manentana, ny manao batisa ary ny mitandrina ny fiangonana;

43 Sy ny mandray ho mpikambana ao amin’ny fiangonana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina;

44 Sy ny mandray ny fitarihana ny fivoriana rehetra.

45 Ny loholona dia tokony ahitarika ireo fivoriana araka izay itarihan’ny Fanahy Masina azy, araka ireo didy sy ireo fanambaran’ Andriamanitra.

46 Ny andraikitry ny ampisorona dia ny mitory, bmampianatra, manazava, manentana ary ny manao batisa sy ny mikarakara ny fanasan’ny Tompo,

47 Sy ny mamangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay ary ny manentana azy hanao atonom-bavaka sy bhivavaka mangina ary hiatrika ny dadidy rehetra ao amin’ny fianakaviana.

48 Ary izy dia mahazo amanokana koa ireo mpisorona, mpampianatra ary diakona hafa.

49 Ary izy no mandray ny fitarihana ireo fivoriana, rehefa tsy misy loholona manatrika;

50 Fa rehefa misy loholona manatrika dia ny mitory, ny mampianatra, ny manazava, ny manentana ary ny manao batisa ihany no azy,

51 Ary ny mamangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay, manentana azy hanao tonom-bavaka sy hivavaka mangina ary hiatrika ny adidy rehetra ao amin’ny fianakaviana.

52 Tokony ahanampy ny loholona ny mpisorona amin’ireo andraikitra rehetra ireo, raha ilaina izany.

53 Ny aandraikitry ny mpampianatra dia ny bmitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy;

54 Ary ny mijery mba tsy hisy heloka ao amin’ny fiangonana, na afifanamafisam-po, na fandaingana, na fifosana, na bfitenenan-dratsy;

55 Ary ny manao izay hiarahan’ny fiangonana mivory matetika, ary koa ny manao izay hahatontosan’ny mpikambana rehetra ny andraikiny.

56 Ary izy no tokony handray ny fitarihana ireo fivoriana, rehefa tsy misy loholona na mpisorona manatrika—

57 Ary tokony hampian’ireo adiakona mandrakariva izy amin’ny andraikiny rehetra ao am-piangonana, raha ilaina izany.

58 Saingy na ny mpampianatra na ny diakona dia samy tsy manana fahefana hanao batisa na hikarakara ny fanasan’ny Tompo, na hametra-tanana;

59 Izy ireo kosa anefa dia tokony hampitandrina, hanazava, hanentana ary hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy.

60 Ny aloholona, ny mpisorona, ny mpampianatra na ny diakona tsirairay dia tokony hatokana arakaraka ireo fanomezam-pahasoavana sy bantson’ Andriamanitra ho azy; ary izy dia tokony hatokana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, izay ao amin’ilay olona manokana azy;

61 Ireo loholona samy hafa hita ao amin’ity fiangonan’i Kristy ity dia tokony hivory amin’ny fihaonambe indray mandeha isan-telo volana na ombieny ombieny, araka izay tapahina na ifanarahana eo amin’ireo fihaonambe voalaza ireo;

62 Ary ireo fihaonambe voalaza ireo dia tokony hanatontosa ny raharaham-piangonana ilaina hovitaina amin’izay fotoana izay.

63 Ireo loholona dia tokony handray ny fahazoany lalana avy amin’ireo loholona hafa, na amin’ny afifidianan’ny fiangonana izay ikambanany, na avy amin’ireo fihaonambe.

64 Ny mpisorona, mpampianatra na diakona tsirairay izay voatokan’ny mpisorona dia mahazo maka aminy ny taratasy fanamarinana amin’izay fotoana izay, ka izany afanamarinana izany rehefa aseho ny loholona no hanome azy ny zo hahazo ny fahazoan-dalana izay hanome azy fahefana hanatontosa ireo andraikitra amin’ny antsony, na azony raisina amin’ny fihaonambe izany.

65 Tsy misy olona tokony ahatokana ho amin’izay mety ho anjara fanompoana ao amin’ity fiangonana ity, eo amin’izay misy sampana miorina ara-dalàna, raha tsy nandalo ny bfifidianana tao amin’ilay fiangonana;

66 Saingy ireo loholona mpiahy, ireo eveka mihelina, ireo mpanolo-tsaina avo, ireo mpisorona avo ary ireo loholona dia mety hanana ny zo amin’ny fanokanana eo amin’izay toerana tsy misy sampan’ny fiangonana izay ahafahana manao fifidianana.

67 Ny filoha tsirairain’ny fisoronana avo (na loholona mpiahy), ny aeveka tsirairay, ny mpanolo-tsaina avo tsirairay sy ny bmpisorona avo dia tokony hatokana araka ny toromariky ny dfilankevitra avo na ny fihaonamben’ny fiangonana.

68 Ny aandraikitry ny mpikambana taorian’ny nandraisana azy tamin’ny batisa—Tokony hanokana fotoana ampy ny loholona na ny mpisorona hanazavana ny zava-drehetra momba ny fiangonan’i Kristy mba ho bazony, mialoha ny handraisany ny dfanasan’ny Tompo sy ny fandraisana mpikambana azy ho amin’ny alalan’ny efametrahan-tanan’ny loholona, mba hahazoana manatontosa ny zavatra rehetra amim-pilaminana.

69 Ary ny mpikambana dia haneho eo anoloan’ny fiangonana, ary koa eo anoloan’ireo loholona amin’ny fandehanana sy ny firesahana araka an’ Andriamanitra, fa mendrika izany izy, ka haneho aasa sy finoana mifanaraka amin’ny soratra masina—amin’ny fandehanana amin’ny bfahamasinana eo anoloan’ny Tompo.

70 Ny mpikambana tsirairay amin’ny fiangonan’i Kristy izay manan-janaka dia tokony hitondra azy eo anoloan’ny fiangonana, amin’ireo loholona izay hametra-tanana aminy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ka ahitso-drano azy amin’ny anarany.

71 Tsy misy azo raisina ho ao amin’ny fiangonan’i Kristy, raha tsy efa tonga eo amin’ny taona amaha-tompon’andraikitra azy eo anoloan’ Andriamanitra izy ary efa mahay bmibebaka.

72 Tokony ahatao batisa araka izao fomba manaraka izao ireo rehetra izay mibebaka—

73 Ny olona izay antsoin’ Andriamanitra ary manana ny fahefana avy amin’i Jesoa Kristy hanao batisa dia hidina ao anaty rano miaraka amin’ilay olona, na lahy izy na vavy, izay efa nanolo-tena ho amin’ny batisa, ary hiteny hoe, rehefa avy niantso azy tamin’ny anarany: Rehefa nomen’i Jesoa Kristy fahefana aho, dia manao batisa anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina. Amena.

74 Avy eo dia ahanitrika ilay lehilahy na vehivavy ao anaty rano izy, sy hamoaka indray avy ao anaty rano.

75 Ilaina ny hiarahan’ny fiangonana mivory matetika mba ahandray ny mofo sy ny divay ho bfahatsiarovana an’i Jesoa Tompo;

76 Ary ny loholona na ny mpisorona no hikarakara izany; ary hikarakara izany araka izao afomba izao izy—hiara-mandohalika amin’ny fiangonana izy ary hiantso ny Ray amin’ny vavaka avy ao am-po, manao hoe;

77 Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity amofo ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany, mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao sy bhijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny dhitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva eary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananany mandrakariva ny fFanahiny miaraka aminy. Amena.

78 Ny afomba fitantanana ny divay—handray ny bkapoaka koa izy ary hiteny hoe:

79 Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity adivay ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay misotro amin’izany, mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakao izay nalatsaka ho azy ireo; mba hijoroany ho vavolombelona Aminao Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa hotsaroany mandrakariva Izy, mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy. Amena.

80 Na zovy na zovy mpikambana amin’ny fiangonan’i Kristy ka mandika lalàna na tra-tehaka ao amin’ny hadisoana, dia hoentina araka ny torolalan’ny soratra masina izy.

81 Andraikitr’ireo fiangonana samihafa izay ao amin’ny fiangonan’i Kristy ny mandefa anankiray na maro amin’ireo mpampianany hanatrika ireo fihaonambe maro tontosain’ireo loholon’ny fiangonana,

82 Miaraka amin’ny lisitry ny aanaran’ireo mpikambana maro izay vao nitambatra tamin’ny fiangonana hatramin’ny fihaonambe farany; na ny mampitondra izany an’ireo mpisorona sasany; mba ho lisitra ara-dalana misy ny anaran’ireo rehetra ao amin’ny fiangonana manontolo no ho ao amin’ny boky iray izay tanan’ny iray amin’ireo loholona, izay hotendren’ireo loholona hafa ombieny ombieny;

83 Ary koa, raha misy avoaroaka amin’ny fiangonana, dia mba ho azo vonoina ao amin’ny firaketana ankapobeny ireo anarana ao amin’ny fiangonana ny anarany.

84 Ny mpikambana rehetra izay mifindra monina ka miala ny fiangonana izay nisy azy ary mandeha any amin’ny fiangonana izay tsy mahafantatra azy, dia mahazo maka taratasy fanamarinana fa izy dia mpikambana marina sady tsara laza, dia fanamarinana izay azon’ny loholona na ny mpisorona soniavina raha toa ka mifankahalala manokana ilay mpikambana mangataka ny taratasy sy ny loholona na ny mpisorona, na koa azon’ny mpampianatra na ny diakona ao amin’ny fiangonana soniavina izany.