Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14


Fizarana 14

Fanambarana nomena an’i David Whitmer tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny volana jona 1829. Nanjary liana tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny fianakaviana Whitmer. Niorim-ponenana tao an-tokantranon’i Peter Whitmer rainy ny Mpaminany, izay nitoerany ambara-pahatontosa ny asa fandikana hatramin’ny farany ary ambara-pahazo ny zo ahafahana mandika ilay boky efa akaiky hivoaka. Ny telo tamin’ireo zanakalahin’i Whitmer rehefa nahazo ny tenivavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny asa dia nanjary sahiran-tsaina fatratra ny amin’ny andraikitry ny tenan’ny tsirairay avy taminy. Ity fanambarana ity sy ireo roa manaraka azy (fizarana 15 sy 16) dia nomena ho valin’ny fanontaniana tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima. Nanjary anankiray tamin’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna i David Whitmer taty aoriana.

1–6, Hahazo famonjena ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka; 7–8, Ny fiainana mandrakizay no lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra; 9–11, Nahary ny lanitra sy ny tany i Kristy.

1 Asa airay lehibe sy mahatalanjona no efa akaiky hitranga eo amin’ny zanak’olombelona.

2 Indro, Izaho no Andriamanitra; mampandria sofina amin’ny teniko izay mailaka sy mahery, maranitra kokoa noho ny sabatra roa lela ka manasaraka ny famavany sy ny tsoka; koa mampandria sofina amin’ny teniko.

3 Indro, efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina; koa na zovy na zovy no maniry hijinja, dia aoka izy handroso ny antsimbilony amin’ny heriny ary hijinja raha mbola maharitra ny andro, mba hahazoany mirakitra famonjena maharitra mandrakizay ho an’ny fanahiny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

4 Eny, na zovy na zovy no handroso ny antsimbilony sy hijinja dia izy no antsoin’ Andriamanitra.

5 Koa raha mangataka Amiko ianareo dia hahazo; raha mandondona ianareo dia hovohana.

6 Katsaho ny hampiroborobo sy ny hampiorina an’i Zionako. Tandremo ny didiko amin’ny zavatra rehetra.

7 Ary raha amitandrina ny didiko ianao ary bmaharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny dfiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.

8 Ary ny zavatra hitranga, raha mangataka ny Ray amin’ny anarako ianao, amin’ny finoana rehefa mino ianao, dia horaisinao ny aFanahy Masina izay mampiloa-bava mba hahazoanao mijoro ho bvavolombelon’ny zavatra izay sady ho drenao no ho hitanao, ary koa mba hahazoanao mitory fibebahana amin’ity taranaka ity.

9 Indro, Izaho no aJesoa Kristy, bZanak’Ilay dAndriamanitra velona, izay enahary ny lanitra sy ny ftany, dia ghazavana izay tsy azo afenina ao amin’ny hhaizina;

10 Koa tsy maintsy entiko avy amin’ny aJentilisa mankamin’ny mpianakavin’i Isiraely ny bfahafenoan’ny filazantsarako.

11 Ary indro, ianao no David, ary antsoina ianao hanampy, ka raha manao izany ianao ary mahatoky ianao, dia hotahina na ara-panahy na ara-nofo, ary ho lehibe ny valisoanao. Amena.