Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137


Fizarana 137

Fahitana nomena an’Joseph Smith Mpaminany tao amin’ny tempolin’i Kirtland, Ohio, ny 21 janoary 1836. Fanatanterahana ireo ôrdônansy ho fiomanana ho amin’ny fanokanana ny tempoly tamin’io fotoana io.

1–6, Hitan’ny Mpaminany ao amin’ny fanjakana selestialy i Alvin rahalahiny; 7–9, Ambara ny fotopampianarana momba ny famonjena ny maty; 10, Voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy ny ankizy rehetra.

1 Nosokafana ho anay ny alanitra ka tazako ny bfanjakana selestialin’ Andriamanitra sy ny voninahiny, na tao amin’ny dvatako aho na tany ivelany, dia tsy haiko lazaina.

2 Hitako ny hatsarana manan-tombon’ny avavahady izay hidiran’ireo mpandovan’izany fanjakana izany, izay nitovy tamin’ny blelafo manao faribolana;

3 Ary koa ny seza fiandrianana amamirapiratra an’ Andriamanitra, izay nipetrahan’ny bRay sy ny dZanaka.

4 Hitako ny lalana tsara tarehin’ilay fanjakana, izay nanana ny endriky ny lalana avolamena.

5 Hitako i aAdama Ray sy i bAbrahama; ary ny draiko sy ny ereniko; i fAlvin rahalahiko izay efa nodimandry hatry ny ela;

6 Ary nahatalanjona ahy ny nahazoany alova ao amin’izany fanjakana izany, noho izy nandao izao fiainana izao talohan’ny naninjiran’ny Tompo ny tanany hanangonana an’i Isiraely bfanindroany, ka tsy dvita batisa ho famelana ny fahotana.

7 Toy izao no nahatongavan’ny afeon’ny Tompo tamiko, manao hoe: Ireo rehetra izay efa maty btsy nanana fahalalana ity filazantsara ity, izay ho nandray izany raha navela hitoetra, dia ho dmpandova ny efanjakana selestialin’ Andriamanitra;

8 Ary koa ireo rehetra izay ho faty tsy manana izany fahalalana izany hatramin’izao, izay ho anandray izany tamin’ny fony manontolo, dia ho mpandova izany fanjakana izany;

9 Fa Izaho Tompo dia ahitsara ny olon-drehetra araka ny basany, araka ny dfanirian’ny fony.

10 Ary tazako koa fa ny ankizy rehetra izay maty alohan’ny hahatongavany amin’ny ataona maha-tompon’andraikitra azy dia bvoavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra.