Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128


Fizarana 128

Epistily avy amin’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, mirakitra sori-dalana bebe kokoa momba ny batisa ho an’ny maty ary mitondra ny datin’ny 6 septambra 1842, tao Nauvoo Illinois.

1–5, Ireo mpitamboky eo an-toerana sy mpitamboky tompotoerana dia tsy maintsy vavolombelona manamarina ireo fanaovana batisa ho an’ny maty; 6–9, Manan-kery ny firaketan’izy ireo ary raketina eto an-tany sy any an-danitra izany; 10–14, Ny batistera dia tandindon’ny fasana; 15–17, Elia no namerina indray ny fahefana momba ny batisa ho an’ny maty; 18–21, Efa naverina avokoa ireo fanalahidy, hery ary fahefan’ny fotoampitantanana lasa; 22–25, Vaovao mahafaly sy be voninahitra ho an’ny velona sy ny maty no ambara.

1 Toy izay nolazaiko taminareo tao amin’ny taratasiko, talohan’ny nandaozako ny toerako, fa hanoratra ombieny ombieny aminareo aho ary hanome anareo vaovao momba ireo lohahevitra maro, dia tohiziko ankehitriny ny lohahevitra momba ny abatisa ho an’ny maty, noho io lohahevitra io toa mibahana ato an-tsaiko ary manery mafy indrindra ny fihetseham-poko hatramin’ny nanenjehan’ny fahavaloko ahy.

2 Nanoratra taminareo ireo teny vitsin’ny fanambarana momba ny mpitamboky aho. Efa nahazo fahalalana amboniny aho momba ity matoan-dresaka ity izay hamariniko aminareo ankehitriny. Izany hoe, efa nambarako tao amin’ny taratasiko teo aloha fa tokony hisy ampitamboky izay tokony hanatri-maso, ary koa hihaino amin’ny sofiny mba hahazoany manao ny rakitsoratry ny fahamarinana eo anoloan’ny Tompo.

3 Ankehitriny, momba ity matoan-dresaka ity, dia mety ho tena sarotra ho an’ny mpitamboky iray ny manatrika ny fotoan-drehetra sy ny manao ny zava-drehetra. Mba hisorohana izany fahasarotana izany dia tokony hisy mpitamboky hotendrena any amin’ny paroasy tsirairay isan-tanàna, izay tena havanana amin’ny fandraisana an-tsoratra mazava; ary aoka handray an-tsoratra amin’ny an-tsipirihany sy ny andinindininy ny fandehan-javatra iray manontolo izy, sady hanamarina ao amin’ny rakitsorany fa nijery tamin’ny masony ary nihaino tamin’ny sofiny, ka hanome ny daty sy ny anarana sy ny sisa ary ny tantaran’ny fisehoan-javatra iray manontolo; hanome koa ny anaran’ny olona telo izay manatrika, raha misy ny manatrika, izay azo antsoina hanamarina izany amin’ny fotoan-drehetra, mba ho amin’ny vavan’ny avavolombelona roa na telo no hahazoana manorina ny teny rehetra.

4 Rehefa izany dia aoka hisy mpitam-bokim-piangonana tompotoerana izay tolorana ireo rakitsoratra hafa ireo, miaraka amin’ireo fanamarinana mitondra ny sonian’izy ireo, izay manamarina fa ny rakitsoratra izay nataon’izy ireo, dia marina. Rehefa izany dia afaka mampiditra ny rakitsoratra ao amin’ny bokim-piangonana ny mpitambokim-piangonana tompontoerana, miaraka amin’ireo fanamarinana sy ireo vavolombelona nanatrika rehetra, miaraka amin’ny fanambarany fa mino marina tokoa izy fa ny filazana etsy ambony mbamin’ny rakitsoratra dia marina, araka ny fahalalany ny toetra ankapobeny sy ny fanendren’ny fiangonana ireo lehilahy ireo. Ary rehefa voarakitra ao amin’ny bokim-piangonana izany, dia ho masina ihany koa ny rakitsoratra ary hampanan-kery ny ôrdônansy, miova tsy nijery tamin’ny masony izy ary nihaino tamin’ny sofiny ka nitana izany an-tsoratra tao amin’ny bokim-piangonana.

5 Mety hihevitra ity fandamin’nyn-javatra ity ho tena miavaka ianareo; nefa mamelà ahy hilaza aminareo fa izany dia ny mba hanatontosana ihany ny sitrapon’ Andriamanitra, amin’ny fanarahana ny ôrdônansy sy ny fiomanana izay natokan’ny Tompo, ary nomanina talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, ho afamonjena ny maty, izay maty tsy bnahafantatra ny filazantsara.

6 Ary ambonin’izany, dia tiako hotadidinareo fa i Jaona Mpanambara dia nandinika ity lohahevitra momba ny maty ity, indrindra raha nilaza izy, araka izay ho hitanareo voasoratra ao amin’ny Apôkalipsy 20:12, manao hoe: Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ Andriamanitra; ary novelarina ireo boky; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ireo boky, araka ny asany.

7 Ho hitanareo amin’io teny notsahiviny io fa novelarina ireo boky; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny abokin’ny fiainana izany; fa ireo maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ireo boky, araka ny asany; Noho izany, ireo boky voalaza dia tsy maintsy ho ireo boky izay mirakitra ny fitantarana ny asany ka mikasika ireo bboky izay tanana ety an-tany. Ary ny boky izay ny bokin’ny fiainana dia ny boky izay tanana any an-danitra; dia fitsipika izay mifanaraka indrindra amin’ny fotopampianarana izay andidiana anareo ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny taratasy izay nosoratako ho anareo talohan’ny nandaozako ny toerako—fa izay rehetra ao anatin’ny rakitsoratrareo dia ho azo raketina any an-danitra.

8 Ankehitriny ny toeran’io ôrdônansy io dia mifototra amin’ny aherin’ny fisoronana, amin’ny alalan’ny fanambaran’i Jesoa Kristy, izay amin’ny alalany no anomezana fa na inona na inona bfehezinareo ety an-tany dia hofehezinareo any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo ety an-tany dia hovahana any an-danitra. Na amin’ny teny hafa, raha jerena amin’ny lafiny hafa ny dika teny, na inona na inona raketinareo an-tsoratra ety an-tany dia horaketina an-tsoratra any an-danitra, ary na inona na inona no tsy raketinareo an-tsoratra ety an-tany dia tsy horaketina an-tsoratra any an-danitra; fa avy amin’ireo boky no hitsarana ny maty eo aminareo, araka ny asany, na izy tenany mihitsy no nanatontosa ny dôrdônansy na tamin’ny alalan’ny solontenany, araka ny ôrdônansy izay nomanin’ Andriamanitra ho efamonjena azy hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, araka ny rakitsoratra izay efa notanan’izy ireo momba ny maty eo aminy.

9 Mety ho fotopampianarana tena sahy ho an’ny sasany ny firesahantsika ny momba ny—hery izay mirakitra an-tsoratra na mamehy ety an-tany sy mamehy any an-danitra. Kanefa tamin’ireo vanim-potoana rehetra teto an-tany, isaky ny nomen’ Andriamanitra ny lehilahy na ny andian-dehilahy ny afotoampitantanan’ny fisoronana, tamin’ny alalan’ny fanambarana mivantana, dia nomena mandrakariva io hery io. Koa na inona na inona nataon’ireo lehilahy ireo tamin’ny bfahefana, tamin’ny anaran’ny Tompo, ary natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana ka nitanana rakitsoratra mety sy mahatoky, dia manjary lalàna tety an-tany sy tany an-danitra izany ary tsy azo foanana araka ny didim-pitondran’ilay dJehovah lehibe. Mahatoky izany teny izany. Iza no afaka hihaino izany?

10 Ary ankoatra izany, dia mbola alohan’izany ny Matio 16:18, 19: Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny helo tsy haharesy azy. Ary homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.

11 Ankehitriny ny tsiambaratelo lehibe sy goavana amin’ny matoan-dresaka manontolo ary ny tena fanaperana amin’ny lohateny manontolo izay mipetraka eo anoloantsika dia ny manao izay hahazoana ny herin’ny Fisoronana Masina. Ho an’izay omena ireo afanalahidy ireo dia tsy misy fahasarotana ny fahazoana fahalalana momba ny bfamonjena ny zanak’olombelona, na ho an’ny maty na koa ho an’ny velona.

12 Ao anatin’izao ny avoninahitra sy ny blaza ary ny dtsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay—Ny ôrdônansin’ny batisa amin’ny rano dia ny ehasitrika ao anatiny mba hisian’ny fitoviana amin’ny maty, mba hahatonga ny fitsipika iray hifanaraka amin’ny iray hafa; hasitrika ao anaty rano dia havoaka avy ao anaty rano, ho tandindon’ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty, mivoaka ny fasana; koa ity ôrdônansy ity dia najoro mba hisy fifandraisana amin’ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty satria manam-pitoviana amin’ny maty.

13 Noho izany, dia natsangana ny abatistera mba bhanam-pitoviana amin’ny fasana, ary nodidina ny hisiany eo ambanin’ny toerana izay mahazatra ny velona ny mivory eo aminy, mba hanehoana ny velona sy ny maty, ka hahatonga ny zava-drehetra hanam-pitoviana aminy ary hahatonga azy ireo hifanaraka, ka izay an’ny tany dia hifanaraka amin’izay an’ny lanitra, araka izay efa voalazan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15:46, 47 ary 48, manao hoe:

14 Kanefa izay tsy avy amin’ny fanahy no voalohany fa izay avy amin’ny mananaina; dia vao izay avy amin’ny fanahy. Ny olona voalohany avy amin’ny tany dia tany; ny olona faharoa dia ny Tompo avy any an-danitra. Izay avy amin’ny tany dia tahaka ilay avy amin’ny tany; ary izay avy any an-danitra dia tahaka Ilay avy any an-danitra. Ary tahaka ireo rakitsoratra ety an-tany momba ny maty eo aminareo izay tanana amim-pahamarinana tokoa, dia tahaka izany koa ireo rakitsoratra any an-danitra. Koa izany no hery amamehy sy mamatotra, ary amin’ny hevi-teny iray hafa, ireo bfanalahidin’ny fanjakana izay misy ny fanalahidin’ny dfahalalana.

15 Ary ankehitriny ry rahalahy sy anabavy malala sy ankamamiana tokoa, toky no omeko anareo fa ireo dia fitsipika momba ny maty sy ny velona izay tsy azo hamaivanina, satria mikasika ny famonjena antsika. Fa ny afamonjena azy ireo dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika, toy ny lazain’i Paoly momba ireo razana—fa tsy hatao btanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika.

16 Ary ankehitriny momba ny batisa ho an’ny maty, dia homeko anareo ny teny iray hafa nambaran’i Paoly, ao amin’ny 1 Korintiana 15:29: Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa amin’ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ho an’ny maty?

17 Ary ankoatra izany, noho ny fifandraisany amin’io teny notsahivina io no hanomezako anareo teny notsahivina iray avy tamin’ny iray amin’ireo mpaminany izay nampibanjina ny masony tamin’ny afamerenana indray ny fisoronana, ireo voninahitra hambara amin’ny andro farany, ary indrindra fa ity lohahevitra faran’izay be voninahitra amin’ny rehetra ity izay an’ny filazantsara maharitra mandrakizay, dia ny batisa ho an’ny maty izany; fa hoy i Malakia ao amin’ny toko 3, andininy faha-23 sy faha-24: Indro, Izaho haniraka an’i bElia mpaminany ho aminareo dieny tsy mbola tonga ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny ozona.

18 Mety ho azoko anohazavaina misimisy kokoa ny dikan’izany saingy efa mazava izany mba hifanaraka amin’ny tanjoko. Ampy ny mahafantatra, amin’ity toe-javatra ity, fa ho voan’ny ozona ny tany raha tsy misy ny fifamatorana, na toy inona na toy inona karazany, bmampifamatotra ny ray sy ny zanaka amin’ny lohahevitra iray na hafa—ary indro, inona izany lohahevitra izany? Ny dbatisa ho an’ny maty izany. Fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika. Na izy ireo na isika dia samy tsy hatao tanteraka raha tsy eo ireo izay efa maty tao amin’ny filazantsara koa; fa ilaina amin’ny fisantarana ny efitantanan’ny fotoam-pahafenoana, dia fotoampitantanana izay manomboka santarina ankehitriny, ny hisian’ny fikambanana sy ny firaisana feno, tanteraka ary tonga lafatra ny fotoampitantanana sy ny fanalahidy ary ny hery sy ny voninahitra, ary hambara hatramin’ny andron’i Adama ka hatramin’izao fotoana izao izany. Ary tsy izany ihany, fa ireo zavatra izay tsy nambara na oviana na oviana hatry ny ffanorenana izao tontolo izao ireo, fa efa notanana hiafina amin’ny hendry sy ny mahay, dia hambara amin’ny gzaza menavava sy minono ao amin’ity fitantanan’ny fotoam-pahafenoana ity.

19 Ankehitriny, inona no rentsika ao amin’ny filazantsara izay efa noraisintsika? Feon’ny fifaliana! Feon’ny famindram-po avy any an-danitra; ary feon’ny afahamarinana avy ao amin’ny tany; vaovao mahafaly ho an’ny maty; ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty; bvaovao mahafaly sy fifaliana lehibe. Akory ny hatsaran’ny dtongotr’ireo ery an-tendrombohitra izay mitondra teny mahafaly ary manao amin’i Ziona hoe: Indro, manjaka ny Andriamanitrao! Tahaka ny eandon’i Karmela no hilatsahan’ny fahalalana avy amin’ Andriamanitra amin’izy ireo!

20 Ary ankoatra izany, dia inona no rentsika? Vaovao mahafaly avy any aKomôrà! bMôrônia, ilay anjely avy any an-danitra, nanambara ny fahatanterahan’ireo faminaniana—ilay dboky tokony havoaka. Ny feon’ny Tompo tany an-tany foanan’i eFayette, fivondronan’i Seneca, nilaza tamin’ireo vavolombelona telo fnijoro ho vavolombelon’ny boky! Ny feon’i gMikaela, namantatra ny devoly teo amoron’i Susquehanna, fony izy niseho toy ny anjelin’ny hfahazavana! Ny feon’i iPetera, i Jakoba ary i Jaona tany an-tany foana manelanelana an’i Harmony, fivondronan’i Susquehanna sy Colesville, fivondronan’i Broome, teo amin’ny renirano Susquehanna, nanambara fa ananan’izy ireo ny jfanalahidin’ny fanjakana sy ny an’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana!

21 Ary ankoatra izany, ny feon’ Andriamanitra tao an’efitranon’ikaky aWhitmer rainy tao Fayette, fivondronan’i Seneca, ary tamin’ny fotoana samihafa sy toerana samihafa, nandritra ny dia rehetra sy ny fahorian’ity Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany ity! Ary ny feon’i Mikaela, ilay arikanjely; ny feon’i bGabriela sy ny an’i dRafaela ary ny an’ireo eanjely samihafa, hatramin’i Mikaela na i fAdama ka hatramin’izao fotoana izao, izay samy nanambara avokoa ny gfotoampitantanany, ny zony, ny fanalahidiny, ny lazany, ny fiandrianany, ary ny voninahiny, ary ny herin’ny fisoronany; nanome andalana anampy andalana, hfitsipika anampy fitsipika; kely etsy, ary kely ery; nanome antsika fiononana tamin’ny fitoriana tamintsika izay ho avy, ka nanamafy ny ifanantenantsika!

22 Ry rahalahy! Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza ry rahalahy; dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa. Aoka ny tany hamelona ahoby. Aoka ny maty hiventy antsam-piderana mandrakizay ho an’i bImanoela Mpanjaka, izay efa nanokana talohan’ny nisian’izao tontolo izao ny fomba hahafahantsika dmanavotra azy ireo hiala avy ao amin’ny efonjan’izy ireo; fa handeha malalaka ny voafonja.

23 Aoka ny atendrombohitra hihiaka ny fifaliany ary ianareo lohasaha rehetra hiantso mafy; ary ianareo ranomasina rehetra sy tany maina hitantara ny zava-mahagagan’ny mpanjakanareo Mandrakizay! Ary ianareo renirano sy sakelidrano ary lakandrano hikoriana amim-pifaliana. Aoka ny ala sy ny hazo rehetra any an-tsaha hidera ny Tompo; ary ianareo bvatolampy makadiry hanao ranomasom-pifaliana. Ary aoka ny masoandro, ny volana ary ny dkintan’ny maraina hiara-hihira, ary aoka ireo zanakalahin’ Andriamanitra rehetra hihiaka ny fifaliany! Ary aoka ireo voary mandrakizay hitory ny anarany mandrakizay mandrakizay! Ary lazaiko aminareo indray, endre ny voninahitry ny feo rentsika avy any an-danitra, mitory eo an-tsofintsika ny voninahitra sy ny famonjena, ary ny laza sy ny etsy fahafatesana, ary ny ffiainana mandrakizay; fanjakana, fanapahana ary hery!

24 Indro, efa antomotra ny aandro lehiben’ny Tompo; ary iza no bhahatanty ny andro hiaviany ary iza no ho tafajanona rehefa miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny dmpandrendrika sy tahaka ny savonin’ny mpanasa lamba; ary hipetraka toy ny empandrendrika sy ny mpanadio volafotsy Izy ary hanadio ireo zanakalahin’i fLevy, ka hanadio azy ireo toy ny volamena sy ny volafotsy, mba hahazoan’izy ireo manatitra gfanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo. Koa aoka isika, amin’ny maha-fiangonana sy vahoaka ary Olomasin’ny Andro Farany antsika, hanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo; ary aoka isika ho ao amin’ny tempoliny masina rehefa vita izany, hanolotra ny boky mirakitra ny hrakitsoratry ny maty eo amintsika, izay ho mendrika ny fankasitrahana rehetra.

25 Ry rahalahy, manana zavatra maro holazaina aminareo aho momba io lohahevitra io; saingy hamarana ity lahateny ity aho amin’izao fotoana izao ary hanohy izany amin’ny fotoana hafa. Izaho dia mijanona mandrakariva ho mpanomponareo tsotra sy namanareo tsy mivadika na oviana na oviana,

Joseph Smith.