Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110


Fizarana 110

Fahitana naseho an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland, Ohio, ny 3 aprily 1836. Fivorian’ny andro sabata tamin’izay. Izao no lazain’ny tantaran’i Joseph Smith: “Tamin’ny tolakandro, dia nanampy ireo filoha hafa nizara ny Fanasan’ny Tompo ho an’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana aho, rehefa avy nandray izany tamin’ny Roambinifololahy, izay tombontsoany amin’ity andro ity ny mitantana eo amin’ny latabatra masina. Rehefa avy nanatontosa ity fanompoana ho an’ny rahalahiko ity aho dia nisintona nankeny amin’ny polipitra, ka nony efa tafidina ny efitra lamba, dia niara-niankohoka tamin’i Oliver Cowdery tamin’ny vavaka mangina sy masina ny tenako. Rehefa nitsangana avy nivavaka izahay, dia nosokafana ho anay izao fahitana manaraka izao.”

1–10, Niseho tamin’ny voninahitra i Jehovah Tompo ary nanaiky ny Tempolin’i Kirtland ho tranony; 11–12, Samy niseho tsirairay i Mosesy sy i Elià ary nanolotra ny fanalahidiny sy ny fotoampitantanany; 13–16, Niverina i Elia ary nanolotra ny fanalahidin’ny fotoampitantanany araka ny nampanantenan’i Malakia.

1 Nesorina hiala ny sainay ny avoaly ary nosokafana ny bmason’ny fahatakaranay.

2 Nahita ny Tompo nijoro teo ambonin’ny arofanin’ny polipitra teo anoloany izahay; ary teo ambany tongony ny lalam-bato volamena tsy nisy fangarony, ka ny lokony dia tahaka ny ambira.

3 Ny amasony dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny btarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny dfeony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be, dia ny feon’i eJehovah manao hoe:

4 Izaho no avoalohany sy farany; Izaho no Ilay bvelona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no dmpisolovava anareo ao amin’ny Ray.

5 Indro, avoavela ny fahotanareo; madio ianareo eo anoloako; koa andrandrao ny lohanareo ary mifalia.

6 Aoka ny fon’ny rahalahinareo hifaly, ary aoka ny fon’ny vahoakako rehetra hifaly, ny vahoakako izay efa ananorina ity trano ity tamin’ny heriny ho an’ny anarako.

7 Fa indro efa anekeko ity btrano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.

8 Eny, Izaho ahiseho amin’ireo mpanompoko sy hiteny aminy amin’ny feoko ihany, raha mitandrina ny didiko ny vahoakako ary tsy bmandoto ity dtrano masina ity.

9 Eny, ny fon’ny an’arivony sy ny an’alina dia hifaly fatratra tokoa noho ny afitahiana izay harotsaka sy ny bfanafiana masina izay efa nanafiana ny mpanompoko tao amin’ity trano ity.

10 Ary hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano ity; ary izany no fiandohan’ny fitahiana izay aharotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako. Izany tokoa. Amena.

11 Rehefa nikatona izany afahitana izany, dia nosokafana taminy indray ny lanitra; dia niseho teo anoloanay i bMosesy ary nanolotra anay ny dfanalahidin’ny efanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra sy ny fitarihana ny firenena folo avy any amin’ny tany favaratra.

12 Rehefa izany dia niseho i aElià ary nanolotra ny bfotoampitantanan’ny dfilazantsaran’i Abrahama sady nilaza fa ao aminy sy ny taranakay no hitahiana ny fara aman-dimby rehetra.

13 Rehefa nikatona izany fahitana izany dia fahitana iray hafa, lehibe sady be voninahitra no nipoitra taminy; fa nijoro teo anoloanay i aElia mpaminany izay bnalaina ho any an-danitra ka tsy nanandrana fahafatesana ary nanao hoe:

14 Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ny vavan’i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] dia hirahina mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—

15 Mba ahampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany—

16 Koa atolotro ho eo an-tananareo ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity; ary izany no ahafantaranareo fa ny aandron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, mby eo am-baravarana aza.