Ny soratra masina
Môrônia 8


Toko 8

Fahavetavetana ratsy ny batisan’ny ankizy madinika—Velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika noho ny Sorompanavotana—Mitondra any amin’ny famonjena ny finoana, ny fibebahana, ny fahalemem-paika sy ny fietren’ny fo, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ny epistilin’i Môrmôna araiko, nosoratana ho ahy Môrônia; ary izany dia nosoratana ho ahy vetivety foana taorian’ny niantsoana ahy ho amin’ny asa fanompoana. Ary toy izao no nosoratany ho ahy, manao hoe:

2 Ry Môrônia, zanako malala, mifaly fatratra tokoa aho satria efa nahatsiaro anao i Jesoa Kristy Tomponao, ary efa niantso anao ho amin’ny asa fanompoany Izy sy ho amin’ny asa masiny.

3 Mahatsiaro anao mandrakariva aho ao amin’ny vavako, mivavaka lalandava amin’ Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa, Zanany Masina aho, ka Izy anie, amin’ny alalan’ny ahatsaram-pony sy ny bfahasoavany tsisy fetra, hitahiry anao ao amin’ny fiaretana ny finoana ny anarany hatramin’ny farany.

4 Ary ankehitriny, anaka, dia miteny aminao aho ny momba izay mampalahelo ahy izaitsizy tokoa; fa mampalahelo ahy ny hisian’ny afifanjihirana mipoitra eo anivonareo.

5 Satria, raha fantatro ny marina, dia efa nisy fifanjihirana teo anivonareo momba ny batisan’ny ankizy madinikareo.

6 Ary ankehitriny, ry zanako, dia maniry aho ny hiasanareo amim-pahazotoana tokoa mba hanesorana ity hadisoana bontolo ity avy teo anivonareo; satria, noho izany antony izany no efa nanoratako ity epistily ity.

7 Fa raha vantany vao nahafantatra ireo zavatra momba anareo ireo aho dia nanontany ny Tompo ny amin’izany raharaha izany. Ary tonga tamiko ny atenin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, manao hoe:

8 Henoy ny tenin’i Kristy, Mpanavotra anareo, Tomponareo sy Andriamanitrareo. Indro, tonga teo amin’izao tontolo izao Aho tsy hiantso ny marina fa ny mpanota ho amin’ny fibebahana; tsy ny asalama no mila mpitsabo fa ireo izay marary kosa; koa ny bankizy madinika dia dsalama, satria tsy mahavita emanota; noho izany, ny ozon’i fAdama dia esorina hiala aminy ao Amiko, ka tsy manam-pahefana aminy izany; ary ny lalàn’ny gfamorana dia foana ao Amiko.

9 Ary araka izany fomba izany no nanehoan’ny Fanahy Masina tamiko ny tenin’ Andriamanitra; noho izany, ry zanako malala, dia fantatro fa fanarabiana marina tokoa eo anoloan’ Andriamanitra ny hanaovanareo batisa ny ankizy madinika.

10 Indro lazaiko aminareo fa izao no zavatra hampianarinareo—ny fibebahana sy ny batisa ho an’ireo izay aampamoahina sy mahavita manao fahotana; eny, ampianaro ny ray aman-dreny fa tsy maintsy mibebaka sy atao batisa ary manetry ny tenany toy ny bankizy madininy izy, ary dia hovonjena avokoa izy miaraka amin’ny ankizy madininy.

11 Ary tsy mila fibebahana na batisa ny aankizy madininy. Indro, ny batisa dia ho an’ny fibebahana, ho fanatanterahana ny didy, ho bfamelana ny fahotana.

12 Fa velona ao amin’i Kristy ny aankizy madinika, na dia hatry ny fanorenana izao tontolo izao aza; raha tsy izany dia Andriamanitra miangatra Andriamanitra, ary koa Andriamanitra miovaova sy bmizaha tavan’olona; satria firifiry akory ny ankizy madinika efa nodimandry tsisy batisa!

13 Noho izany, raha toa tsy azo vonjena ny ankizy madinika raha tsy vita batisa, dia tsy maintsy ho efa lasana any amin’ny helo tsisy fiafarany izy ireny.

14 Indro, lazaiko aminao fa izay mihevitra fa mila batisa ny zaza madinika, dia ao amin’ny aferon’ny fangidiana sy ao amin’ny famatoran’ny heloka izy; satria tsy manana afinoana, na fanantenana, na fiantrana izy; koa, raha nofongorana izy teo am-pieritreretana izany, dia tsy maintsy ho nidina tany amin’ny helo.

15 Fa faharatsiana mahatsiravina ny mihevitra fa Andriamanitra dia mamonjy ny ankizy iray noho ny batisa, ary ny iray hafa dia tsy maintsy ho faty noho izy tsy natao batisa.

16 Lozan’izay mamilivily ny lalan’ny Tompo amin’izany fomba izany, fa ho faty izy raha tsy mibebaka. Indro, miteny amim-pahasahiana aho, rehefa nahazo afahefana avy tamin’ Andriamanitra; ary tsy atahorako izay azon’ny olona atao; fa ny bfitiavana tanteraka dmandroaka ny tahotra rehetra.

17 Ary heniky ny afiantrana aho, izay fitiavana maharitra mandrakizay; noho izany dia mitovy avokoa amiko ny ankizy; noho izany dia tiako amin’ny fitiavana tanteraka ny bankizy madinika; ary mitovy sy mpandray anjara amin’ny famonjena avokoa izy.

18 Satria fantatro fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitra miangatra, na miovaova; fa Izy kosa dia atsy miovaova bhatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.

19 Tsy afaka mibebaka ny aankizy madinika; noho izany, dia faharatsiana mahatsiravina ny mandà ny famindram-po madion’ Andriamanitra aminy, fa velona ao Aminy avokoa izy noho ny bfamindram-pony.

20 Ary izay milaza fa mila batisa ny ankizy madinika dia mandà ny famindram-pon’i Kristy ary mametraka ho tsinontsinona ny asorompanavotany sy ny herin’ny fanavotany.

21 Lozan’ny toa azy, fa manambana azy ny fahafatesana, ny ahelo ary ny bfijaliana tsisy fiafarany. Teneniko amim-pahasahiana tokoa izany; efa nodidian’ Andriamanitra aho. Henoy izany ary mampandria sofina, fa raha tsy izany dia hijoro hanohitra anareo izany eo amin’ny dtoeram-pitsaran’i Kristy.

22 Fa indro avelona ao amin’i Kristy avokoa ny ankizy madinika, ary koa ireo rehetra izay tsy nisy blalàna. Fa ny herin’ny dfanavotana dia tonga amin’ny rehetra izay tsy manana lalàna; noho izany, izay tsy voaheloka, na izay tsy eo ambany fanamelohana dia tsy afaka mibebaka; ary amin’ny toa azy dia tsy mahasoa na amin’inona na amin’inona ny batisa—

23 Fa fanarabiana kosa izany eo anoloan’ Andriamanitra, fandavana ny famindram-pon’i Kristy sy ny herin’ny Fanahy Masina ary fametrahana ny fitokiana amin’ny aasa maty.

24 Indro, anaka, izany zavatra izany dia tsy tokony hisy; fa ny afibebahana dia ho an’ireo izay eo ambanin’ny fanamelohana sy eo ambanin’ny ozon’ny lalàna nodikaina.

25 Ary ny voaloham-bokatry ny afibebahana dia ny bbatisa; ary tonga ny batisa amin’ny alalan’ny finoana ho fanatanterahana ny didy; ary ny fanatanterahana ny didy dia mitondra dfamelana ny fahotana;

26 Ary ny famelana ny fahotana mitondra afahalemem-panahy sy fietren’ny fo; ary noho ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo dia tonga ny famangian’ny bFanahy Masina, ny dMpampionona mameno amin’ny efanantenana sy ffitiavana tanteraka, dia fitiavana maharitra amin’ny alalan’ny gfahazotoana hmivavaka, ambara-pahatongan’ny farany, rehefa hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra avokoa ny iolomasina.

27 Indro, anaka, hanoratra aminao indray aho raha tsy mandeha mivoaka hanohitra ny Lamanita ato ho ato. Indro, ny afiavonavonan’ity firenena ity, na ny vahoakan’ny Nefita, dia efa porofoin’ny famongorana azy raha tsy mibebaka izy.

28 Mivavaha ho azy, anaka, mba hahatongavan’ny fibebahana aminy. Nefa indro, matahotra aho fandrao dia efa nitsahatra ny afitaoman’ny Fanahy azy; ary ao amin’ity faritry ny tany ity dia katsahiny koa ny handrodanana ny hery sy ny fahefana rehetra izay avy amin’ Andriamanitra; ary blaviny ny Fanahy Masina.

29 Ary rehefa notsipahiny ny fahalalana lehibe toy izany, anaka, dia tsy maintsy ho faty tsy ho ela izy ho fanatanterahana ny faminaniana izay notenenin’ireo mpaminany, ary koa ny tenin’izy Mpamonjy tenany.

30 Veloma, anaka, mandra-panoratro aminao, na hihaonako aminao indray. Amena.