Ny soratra masina
Almà 39


Ny didin’i Almà tamin’i Kôriantôna zanany lahy.

Mahafaoka ny toko 39 hatramin’ny 42.

Toko 39

Fahavetavetana ny fahalotoana ara-pitondrantena—Nisakana ny Zôramita tsy handray ny teny ny fahotan’i Kôriantôna—Ny fanavotan’i Kristy dia mihatra amin’ny lasa ho famonjena ireo nahatoky izay niaina talohan’izany. Tokony ho 74 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny anaka, somary manan-kolazaina anao misimisy kokoa aho noho izay nolazaiko tamin’ny rahalahinao; fa indro, moa tsy efa nomarihinao va ny fiorenan’ny rahalahinao, ny fahatokiany ary ny fahazotoany tamin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra? Indro, moa va izy tsy efa nampiseho ohatra tsara taminao?

2 Fa tsy nomenao lanja firy ny teniko toy ny nataon’ny rahalahinao teo anivon’ny vahoakan’ny aZôramita. Ankehitriny dia izao no anomezako tsiny anao: ianao dia nanohy ny fireharehanao tamin’ny herinao sy ny fahendrenao.

3 Ary tsy izay ihany, anaka, ianao dia nanao izay nampahalahelo ahy; fa nafoinao ny asa fanompoana ary nandeha nankany an-tanin’i Sirôna ianao, tany amin’ny faritry ny sisin-tanin’ny Lamanita ianao, nanaraka an’i Isabela, ilay avehivavy janga.

4 Eny, anaka ny fon’ny maro izy; nefa tsy fialan-tsiny ho anao izany, anaka. Ianao dia tokony ho nikarakara ny asa fanompoana izay nankinina taminao.

5 Tsy fantatrao va, anaka, fa aireny zavatra ireny dia fahavetavetana eo imason’ny Tompo; eny, tena fahavetavetana indrindra noho ny fahotana rehetra, afa-tsy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny, na ny fandavana ny Fanahy Masina?

6 Satria indro, raha amandà ny Fanahy Masina ianao rehefa nahazo toerana tao aminao Izy, ary fantatrao fa mandà Azy ianao dia indro, izany dia fahotana izay btsy azo ivalozana; eny, ary na zovy na zovy no mamono olona manohitra ny fahazavana sy ny fahalalan’ Andriamanitra dia tsy mora ho azy ny mahazo dfamelana; eny, lazaiko aminao, anaka, fa tsy mora ho azy ny mahazo famelana.

7 Ary ankehitriny anaka, dia iriko amin’ Andriamanitra ianao mba tsy ho ameloka amin’izany heloka lehibe loatra izany. Tsy ho nivalampatra tamin’ny helokao aho, mba handrotidrotika ny fanahinao, raha tsy noho izay mahasoa anao.

8 Nefa indro, tsy afaka manafina ireo helokao amin’ Andriamanitra ianao; ary raha tsy mibebaka ianao dia hijoro toy ny vavolombelona ireny hanohitra anao amin’ny andro farany.

9 Ankehitriny anaka, dia mba tiako ny hibebahanao sy hamoizanao ny fahotanao ary tsy handehananao intsony araka ny afitsiriritan’ny masonao, fa blavo amin’ny tenanao kosa ireny zavatra rehetra ireny; fa raha tsy manao izany ianao dia tsy afaka mandova mihitsy ny fanjakan’ Andriamanitra. Ô tsarovy sy raiso ho adidinao izany ary lavo amin’ny tenanao ireny zavatra rehetra ireny.

10 Ary mandidy anao aho mba horaisinao ho adidy ny hila hevitra amin’ireo zokinao mirahalahy amin’ny ataonao; fa indro, ao amin’ny fahatanoranao ianao, ary ilainao ny hofahanan’ny rahalahinao. Ary omeo lanja ny toroheviny.

11 Aza avela ho voatariky ny zava-poana sy tsy misy fotony ny tenanao; aza avela hitarika ny fonao indray ny devoly hanaraka ireo vehivavy janga ratsy ireo. Indro, anaka, ity heloka lehibe nentinao teo amin’ny aZôramita ity; fa rehefa hitany ny bfitondran-tenanao dia tsy nety nino ny teniko izy.

12 Ary ankehitriny, ny Fanahin’ny Tompo dia milaza amiko hoe: aDidio ny zanakao hanao ny tsara, fandrao hotarihiny ny fon’ny olona maro hankany amin’ny famongorana; noho izany aho dia mandidy anao anaka, noho ny fahatahorana an’ Andriamanitra ny hitsaharanao amin’ny helokao;

13 Ny hitodihanao amin’ny Tompo amin’ny sainao, ny herinao ary ny tanjakao rehetra; ny tsy hitarihanao intsony ny fon’ny olona hanao ny ratsy; fa ny hiverenanao aminy kosa, ka ahiekenao ny fahadisoanao sy ity ratsy izay efa nataonao.

14 Aza amikatsaka ny harena na ny zava-poanan’izao tontolo izao; fa indro, tsy afaka mitondra ireny miaraka aminao ianao.

15 Ary ankehitriny anaka, dia somary mba te hilaza aminao ihany aho ny momba ny fiavian’i Kristy. Indro, lazaiko aminao, fa Izy no ho avy marina tokoa hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao; eny, tonga Izy hilaza vaovao mahafaly momba ny famonjena ny olony.

16 Ary ankehitriny anaka, dia izany no asa fanompoana izay efa niantsoana anao, dia ny hilaza ireo vaovao mahafaly ireo amin’ity vahoaka ity mba hanomana ny sainy; na ny marimarina kokoa, fa ny famonjena dia mety ho tonga aminy mba hahazoany manomana ny sain’ny azanany handre ny teny amin’ny fotoana hiaviany.

17 Ary ankehitriny dia somary hanamaivana ny sainao ihany aho ny amin’izay toe-javatra izay. Indro, gaga ianao hoe, nahoana ireo zavatra ireo no tokony ho fantatra elabe mialoha. Indro, lazaiko aminao, moa va ny fanahy iray tsy sarobidy amin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao, toy ny haha-sarobidy ny fanahy iray koa amin’ny fotoana hiaviany?

18 Moa va tsy ilaina ny tokony hampahafantarana ny drafitry ny fanavotana amin’ity vahoaka ity ary amin’ny zanany koa?

19 Moa va tsy mora amin’ny Tompo ny mandefa ny anjeliny amin’izao fotoana izao hilaza ireo vaovao mahafaly ireo amintsika, na koa amin’ny zanatsika, na koa aorian’ny fotoana hiaviany?